Mpanakanto Iray Avy Ao Pôrtô Rikô Mizara Ny Fitiavany Taratasy

*Mitondra mankany amina lahatsoratra Espaniola avokoa ireo rohy rehetra, raha tsy misy fanamarihana ankoatra izay.

Nandritra ireo atrikasa nokarakarainy, nanome “fotoana fitsaharana”, na “toque de queda” [en] izay hianaran'ireo mpandray anjara manambotra taratasy mahafatifaty vita tànana, ny mpanakanto iray avy ao Pôrtô Rikô, Aydasara Ortega, mipetraka any New York amin'izao fotoana izao. Manasa ireo mpianatra “hiverina haka ny toerana hita maso sy ara-tsainany avy” i Ortega, ary hampisy zava-miafina indray anatin'ny zavatra foronin'izy ireo amin'ny tànany, amin'ny fotoanany…ary tsy kely izany zava-bita izany.

Mba hahatanteraka izany, mampiasa ireo tambajotra sosialy i Aydasara hanaparitahany ny resaka momba ny hetsi-panentanana kanto ataony ary hifanakaloany hevitra momba ireo fotodresaka mifandray amin'izany. Manoratra bilaogy roa samy hafa ihany koa izy, lomismoquefuesiempreobjeto sy aydasara, izay hampisehoany ireo tambatranà taratasy noforoniny niaraka taminà fahatsapàna lalina sy fahaiza-manao manakaiky ny lafatra indrindra novolavolain'ny tanany manokana.

Mizara ireto sanganasa kanto mampitolagaga ireto ihany koa izy any amin'ireo rakitsary ao anaty aterineto, ary misy sanganasa vaovao mivoaka foana isam-bolana ao amin'ny gazetiboky Cruce. Na ny rindriny ao amin'ny Facebook aza dia navadika ho toerana fanaovana fampirantiana, noho ny dian-tànana kanto foronin'i Aydasara ary zarainy eto. Araka izany, avy amin'ny alalan'ny Facebook, no niresadresahanay taminy ary zaraniay aminao androany.

Manantena izahay fa hankafy izany ianao!

Obra de su serie Desde luego.

Sanganasa iray avy ao amin'ny andian'asany antsoina hoe “Desde Luego.”

Global Voices (GV): Hafiriana izay ny niasanao tao anatin'ireo bilaoginao?

Aydasara Ortega (AO): Hago dos blogs: lomismoquefuesiempreobjeto y aydasara. Empecé con el segundo en el 2008. Como regalo de cumpleaños, alguien me dijo “Mira, Aydasara, es como un diario y puedes crearlo a tu manera muy libremente.” Imaginate, qué invitación. Comencé entonces a describir e ilustrar mi proceso creativo.  Luego, en el 2009 quise hacer uno enfocado en los talleres que estaba dando: jabones y velas artesanales así como papel hecho a mano.

Mitantana bilaogy roa aho: lomismoquefuesiempreobjeto sy aydasara. Nanomboka ilay faharoa aho tamin'ny 2008. Ho karazana fanomezana noho ny tsingerintaona nahaterahako, nisy olona niteny ahy hoe, “Jereo anie ry Aydasara e, tahaka ny manoratra bokim-piainana ity, afaka mamorona izany amin'ny fombanao ianao, amin'ny endriny izay tianao.”  Mba alaivo sary an-tsaina ny handà fanasàna tahaka izany! Noho izany dia nanomboka nanoritra sy nanao sarisarin'ny zotram-pamoronako manokana aho. Taorian'izany, tamin'ny 2009, te-hampifantoka ny iray amin'ireo bilaogiko amin'ireo atrikasa nampianariko aho: savony sy labozia kanto ary koa taratasy vita tànana.

"Quién mira fijamente al mar ya está navegando un poco."  Obra de Aydasara que aparece en el portal Café de la Pensée

“Efa lasa niampita azy izay rehetra mijery ny ranomasina.” Sanganasan'i Aydasara mipoitra ao amin'ny pejy fandraisan'ny Café de la Pensée

GV: Ahoana ny fomba hanasokajianao ny asanao?

AO: El blog aydasara es más personal pues resultó como un diario, donde documentaba acontecimientos en los que encuentro algo muy significativo, digno de recordar y compartir. lomismoquefuesiempreobjeto está más enfocado al arte de hacer papel, arte al que le doy completa dedicación desde el 2008.

AO: Somary momba ny fiainako manokana ny bilaogy aydasara, satria lasa tahaka ny bokim-piainana izay hiraketako ireo hetsika nanana lanjany teo amiko izany, ireo zavatra mendrika ny homarihina sy hozaraina. Ny lomismoquefuesiempreobjeto kosa dia mifantoka amin'ny hakanton'ny fanamboarana taratasy, izay nanokanako tena manokana hatramin'ny 2008.

GV: Anatin'ireo bilaogy roa ireo, mampiseho ny asanao miaraka aminà teny na fehezanteny avy aminà lahatsoratra ianao. Lazalazao aminay ny zotra fampifandraisanao ireo famintinana ny asa kantonao ireo.

AO: ¿
Cuál viene primero a mi mente, el texto o la imagen? Es una pregunta que siempre me resulta curiosa, pero ya no me desafía. Quiero decir que están ahí y toman forma simultáneamente.

Los textos y los pedazos que dan forma a cada imagen los encuentro en libros también encontrados, aunque siempre he sospechado son ellos los que me encuentran a mí. En los blogs, casi siempre incluyo una o unas de las letras del texto (y a veces en la imagen), letras que sombreo de un color distinto.  Estas letras sombreadas te llevan al enlace donde puedes encontrar el texto completo.

 

AO: Ny hoe inona no tonga ato an-tsaiko voalohany, ny lahatsoratra sa ny sary? Fanontaniana nanitikitika ahy hatrany izany, nefa tsy zava-tsarotra ankehitriny. Ny tiako tenenina dia ny hoe samy eo izy roa ary miara-maka endrika.

Azoko avy amin'ireo boky “hitako” ireo lahatsoratra sy singa manome aina ny sary rehetra, na dia nieritreritra foana aza izaho fa izy ireo no nahita ahy. Anatin'ireo bilaogy ireo, saika mampiditra litera iray na mihoatra avy amin'ilay lahatsoratra (ary indraindray avy amin'ilay sary) aho, litera izay halofako amin'ny loko miavaka. Mitondra mankany amina rohy Aterineto izay afaka ahitanao ilay lahatsoratra feno ireo litera maloka ireo.

Obra del artista puertorriqueño Rubén Rivera hecha sobre una hoja creada por Aydasara.

Sanganasan'ny mpanakanto iray ao Pôrto Rikô, Rubén Rivera amin'ny taratasy namboarin'i Aydasara.

GV: Maninona no manamboatra taratasy atao tànana ianao?

AO: Porque su devenir me resulta fascinante. La palabra devenir y su significado: “La realidad entendida como proceso o cambio, que a veces se opone a ser” (regalo de mi amigo Rubén Rivera) describe bien el arte de hacer papel a mano y lo que podría significar para el hacedor.

Hacerlo intriga, atiene, detiene, atrapa y, a la vez, da rienda suelta.

Ahora, ¿por qué a las personas les invita y se dedican a hacer papel a mano?

En general, las personas le dan atención al papel como le dan, digamos, al aire.  Así como una brisa despierta los sentidos, una hoja de papel hecha a mano hace lo mismo.  Es decir, hay algo especial acerca de un objeto hecho a mano.  Nos da la sensación de la persona detrás del producto en lugar de la máquina, y valoramos ese sentido cada vez más con cada avance tecnológico.  El papel es muy común, por lo que una hoja hecha a mano, inusual y diferente, es mucho más que excepcional, es única y lleva en sí un mensaje.

AO: Satria mampitolagaga ahy tokoa ny fivoarany sy ny fizotrany. Ny teny “fivoarana” sy ny dikany, “raisina ho fizotran'ny fiovàna ny zava-misy, izay indraindray tsy manaiky izany” (tenin'ilay namako Rubén Rivero), dia famaritana tsara ny hakanton'ny fanamboarana taratasy vita tànana sy ny dikan'izany ho an'ilay mpanamboatra azy.

Manitikitika ny fanamboarana taratasy, mahataraiky, mamandrika ary, indraindray, manome fahafaha-maneho malalaka.

Araka izany, inona no mahatonga ny olona hanao taratasy vita tànana sy hanokana ny tenany amin'izany?

Amin'ny ankapobeny ny olona, mahita ny taratasy tahaka ny fahitany, ndeha atao hoe, ny rivotra. Tahaka ny fanairan'ny tsio-drivotra ny retsika, toy izay ihany koa ny singanà taratasy iray vita tamin'ny tànana. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, misy zavatra mampiavaka azy ny zavatra natao tànana. Manome antsika ny fisainan'ilay olona tao ambadik'io vokatra io izany fa tsy ny an'ilay milina, ary manaja izany fisainana izany mihoatra noho ny fivoarana ara-teknolojia vaovao rehetra isika. Zavatra hita amin'ny andavanandro ny taratasy, noho izany dia mihoatra lavitra noho ny zavatra tsy fahita ny taratasy vita tànana, tokana an-tany izany, ary mitondra hafatra ao anatiny.

GV: Lazalazao anay ny zavatra nolalovanao tamin'ny fizaranao ny sanganasanao tany Kalifôrnia, Detroit, New York, ary Pôrto Rikô.

Foto publicada en Facebook por Aydasara Ortega

Sary navoakan'i Aydasara Ortega tao amin'ny Facebook

AO: He tenido la maravillosa oportunidad de exhibir mi trabajo y dar talleres de papel hecho a mano, a los que llamo Toque de Queda a través de organizaciones, y en todos estos lugares el papel se ha quedado con el canto.  Es decir que el hacer un hermosa hoja de papel con nuestras propias manos, y hacer de ésta lo que la imaginación invite ha sido siempre una experiencia deslumbrante para aquellos con los que he tenido el honor de compartirlo.

AO: Nanana fahafahana tsara dia tsara aho handranty ny sanganasako sy hanolotra atrikasa[en] momba ny fanamboarana taratasy, izay antsoiko hoe Toque de Queda, ho an'ireo fikambanana samy hafa, ary any amin'ireo toerana rehetra ireo, nahomby dia nahomby ny fanaovana taratasy. Raha lazaina amin'ny fomba hafa, zava-baovao nitondra fahalalana ho an'ireo rehetra nizarako azy ny fanamboarana singan-taratasy vita tànana, sy ny fanodinana izany araka izay hibaikoan'ny saintsika antsika.

GV:  Inona ireo dingana manaraka?

AO: Estaré ofreciendo talleres gratuitos el 27 y 28 de julio como parte del tercer New York City Poetry Festival.  También daré un curso intensivo de fabricación de papel, junto a Ruben Rivera, del 5 al 9 de agosto en la Liga de Estudiantes de Arte de Nueva York.

Y seguiré compartiendo mis creaciones y enviando mi propuesta para un Toque de Queda a toda persona y lugar posible.  Uno nunca sabe quien se motive a maniobrar.

AO: Hanome atrikasa maimaimpoana aho ny 27 sy 28 Jolay izay tafiditra ao anatin'ny andiany fahatelon'ny Fetiben'ny Tononkalo ao New York City [en]. Hanome fampianarana amin'ny antsipiriany ny fanamboarana taratasy, miaraka amin'i Rubén Rivera, ny 5-9 Aogositra ao amin'ny Ligin'ny Mpianatra Haikanto ao New York [en].

Hanohy hizara ireo sanganasako sy handefa ny sosokevitra momba ny Toque de Queda any amin'ireo olon-tsotra sy fikambanana maro araka izay tratrako aho. Tsy ho fantatrao mihitsy izay mety ho liana ka handray anjara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.