Fisintonana Ny Fahefan'ny Polisy Ao Jamaika ?

Nohararaotin'i Jamaika ny andro natokana ho an'ny Blaogy na Blog Action Day tamin'ity taona ity hiresahana ny mikasika ny famonoana ho faty tsy araky ny lalàna sy ny herisetran'ny polisy – izay toa zary efa lasa mahazatra ao an-toerana, raha tsy hijery afa-tsy ireo fanehoan-kevitra mafonja ataon'ireo mponina anaty aterineto mikasika ilay raharaha.

Ankoatra izay, nahatonga fifanakalozan-kevitra mikasika ilay lohahevitra tam-pisainana  ilay fandraisana andraikitra, indrindra fa ny manodidina ny fankalazana ny faha telo taonan'ilay rotaka tao Tivoli Gardens, ny taham-pahafatesan'ireo mponina marobe tao an-toerana teo ampelan-tanan'ireo Hery mitam-piadian'ny fanjakana sy ny fahatongavan'ny firenena ho amin'ny toeran'ny tany misahotaka. Kanefa ankehitriny, iray amin'ireo blaogera nikarakara ny Andron'ny Blaogy JA (Active Voice an'i Annie Paul) no nanao tatitra ny amin'ireo zavatra tsy afaka ataon'ny polisy, noho ilay didim-pitsarana vao nivoaka :

Ao Jamaika, toa efa zary lasa fanaon'ny polisy ny manakana sy misava ny fiaranay raha tian-dry zareo, ka toy ny varatra milatsaka didiy avoakan'ny mpitsara iray milaza hoe tsy misy didim-pitsarana manome alalàna ny fihetsiky ny polisy tahaka izany. Araky ny hevitr'i Barbara Gayle, raha nanoratra tao amin'ny the Gleaner :

Mpitsara ao amin'ny Fitsarana Avo no nanambara fa, araky ny Lalàna Mifehy ny Fifamoivoizana, tsy manana zo hanakana sy hisavasava fiara tsy amin'antony ny polisy, fihetsika izay mamoha ny varavarana ho an'ny fanenjehana maro araka ny lalàna.

Naverimberin'ny polisy hatrany fa ny lalàna no manome azy ireo alalana hanakana sy hisava ireo fiara, ary nahitam-bokany izany tamin'ny fahatrarana mpangalatra maro, tamin'ny famerenana ireo fiara halatra tamin'ny tompony sy ireo vokatra halatra.

Kanefa nilaza ilay mpitsara David Batts fa tena manampatra fahefana loatra ireo polisy.

Batts no namoaka ilay fanapahan-kevitra nitaky onitra mitentina 2.8 tapitrisa dolara tamin'ny governemanta ho an'ilay mpamily nodarohan'ny polisy tamin'ilay fisavana natao azy tao St Catherine ny volana May 2007.

Paul nanohy hoe :

Nolavin'ny komiseran'ny polisy ny fanambaran'ilay Mpitsara izay nanamafy hatrany fa manana fahefana ny hanakana sy hisava ny olon-dehetra ny Polisy. Nolazaina tao amin'ny pejy Facebook ny Hery mitam-piadiana Jamaikana ireo lalàna araky ny fahazoan'ny Polisy azy:

Fahefan'ny Polisy Hanakana Sy Hisava
avy amin'ny Hery mitam-piadiana Jamaikana (Naoty) ny Alatsinainy 01 Jolay 2013 tamin'ny 08:07 ora alina.

Ilay fanambarana dia manondro ilay didim-pitsarana navoakan'ny mpitsara, izay milaza fa “Ho dinihan'ny Fiadidiana Tampony ny fanamarihana nataony, hahafahana mijery raha misy fiantraikany amin'ny asan'ireo mifandray mivantana amin'ny olona izany.” Mampahatsiahy ny mponina ao Jamaika ny fisian'ny “fahefana nomena ireo Polisy hanao fanakanana sy fanadihadiana ho fanampin'ny ezaka fanarahamaso ny mpandroba ataon'izy ireo, indrindra raha toa ka tafiditra ao anatin'izany ny fampiasana ny fananam-bahoaka”, raha tsy hitanisa afa-tsy ny fahefan'izy ireo hanakana sy hisava ireo fiara ary ireo mpandeha eny an-dalana toy izany koa ny zon'izy ireo hanakana sy hisava fitaovam-piadiana. Manohy izany ihany ilay lahatsoratra anaty blaogy :

Ary tamin'ny fifandrifian-javatra nahagaga, ny andro faharoa taorian'io dia navoaka am-pahibemaso fa saron'ny polisy tao Avaratry ny morotsirak'i Jamaika ny kamiao iray feno fitaovam-piadiana mahery vaika, izay voalaza fa avy any Haiti. Nanamafy ny antony nanomezana hery ivelan'ny lalàna ireo polisy izany, hetsika izay notohanan'ireo mponina maro anaty aterineto noho ny antony ara-pitandroana ny filaminana. Ny tsy fisian'ny fitsirihana sy ny tsindrin'entana amin'ireo fanararaotam-pahefana maro nataon'ny polisy no tena olana. .

Ary araky ny fandehan'ny didim-pitsarana, Active Voice dia nanambara fa :
[Ny] hetsika hanao ‘polisin'ny polisy, dia tsy nandalo fotsiny teo imason'ny maro ary tsy nankasitrahan'ny maro tamintsika izay nangataka ny fampiatoana tsy misy hatak'andro ny famonoan'ireo polisy ny olona tsy manan-tsiny sy ny mpanao hetsi-panoherana sivily izao ankehitriny izao.

Ny hajiantsary ampiasaina anatin'ity lahatsoratra ity, “Jamaican Police-Ford Ranger”, dia avy amin'i Jason Lawrence, nampiasàna ny Lisansa Attribution 2.0 Generic Creative Commons. Jereo amin'ny Flirck-n'i Jason Lawrence.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.