Iran: Hahavoha Ny Varavarana Rehetra Ve Ny Lakilen'ny Filoha Vaovao?

A key, the symbol for Rouhani's campaign

Lakile no sariohatry ny fampielezan-kevitr'i Rouhani. Sary avy amin'ny Mashreghnews

Lakile no natao sariohatry (symbole) ny fampeielzan-kevitry ny filoha voafidy Hassan Rouhani. Ankehitriny kosa eo ampiadiana hevitra ny mpiserasera Iraniana raha mahasokatra hidim-baravarana tokoa i Rouhani. Nampanantena governemantam”-panantenana sy fahamailoana” i Rouhani, ary an'arivony ny Iraniana nankalaza ny fandreseny tao anatin'ny fiandrandrana hoavy tsaratsara kokoa.

Ao amin'ny bilaogin'i Omid Dana no hamakiantsika:

Which lock will Rouhani's key open? Mostafa Tajzadeh [a jailed reformist] says releasing political prisoners is not in the hands of Rouhani. Doesn't Khatami say that we should lower our expectations? People often say, with good reason, that the key to nuclear negotiations, relations with the US, and the Syria crisis are in the hands of the Supreme Leader… With all this said, Rouhani's only keys are those to his house or his office.

Inona ny hidim-baravarana ho voavohan'ny lakilen'i Rouhani? Miteny i Mostafa Tajzadeh fa tsy eoam-pelatanan'i Rouhani ny famotsorana ny gadra politika. Moa tsy efa niteny i Khatami fa tokony ampidinintsika kokoa ny fanantenantsika? Efa niteny matetika, tamin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra mafonja, ny olona fa ny lakilen'ny fifampiraharahana, fifandraisana amin'i Etazonia ary ny krizin'i Syria dia eo am-pelatanan'ny Mpitarika Faratampony… Raha voalaza daholo izany rehetra izany, ny hany lakilen'i Rouhani dia ny any an-tranony na birao fiasany ihany.

Manoratra i Jaleboon:

Some, like Omid Dana, ask which locks Rouhani can open. The answer is that he already opened the lock of the election that had become illegitimate with the 2009 crisis.

Manontany ny sasany,tahaka an'i Omid Dana hoe inona ny hidim-baravarana voavahan'i Rouhani. Ny valiny dia efa voasokany ny hidim-baravaran'ny fifidianana izay lasa tsy ara-drariny tamin'ny krizin'ny 2009.

Manamarika ny olana sy hidim-baravarana izay mety ho voasokatry ny lakilen'i Rouhani ny mpiserasera maro.

Nisioka i Mahsa :

 I don't want freedom to wear the veil or not, I want the day to come when inflation and unemployment rates are lowered and marginalized people do not need to sell drugs.

Tsy resaka fahafahana manao voaly na tsia no tadiaviko, fa ny fahatongavan'ny andro mampihena ny fahalafosam-bidin-javatra sy ny tsy fananan'asa ary tsy mila mivarotra rongony intsony ny olona natao an-jorombala.

Nisioka i Negar Mortazavi:

 “Sources close to #Rouhani say he is planning to send special envoys to some countries to repair broken ties & start a new chapter with Tehran.

Loharanom-baovao akaiky an'i #Rouhani no milaza fa mikasa ny handefa iraka manoakana any amin'ny firenena sasantsasany izy hanohy ny fifandraisana tapaka sy hanomboka pejy (toko) vaovao miaraka amin'i Iran.

Mandritra izany fotoana izany, maro ny fifanentanana miangavy ihany koa an'i Rouhani hanatsara ny Aterineto Iraniana sy hampitsahatra ny fanivanana. Misy ny fanentanana amin'ny Facebook mitaky amin'i Rouhani hampitsahatra ny fanivanana ny Facebook, ary misy vondrona bilaogera sy mpikatroka an-tserasera nanoratra taratasy tamin'ny filoha voafidy hampakarany ambony kokoa ny halakin'ny aterineto. Mitaraina momba ny fanivanana ihany koa izy ireo ary mampahatsiahy fa na izy tenany aza dia nampiasa ny aterineto ihany koa hampisongadina ny fampieleza-keviny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.