Manoloana Ny Tsy Fahombiazan'ny Politikam-Pifehezan-Kibo, Inona ny Vahaolana ho an'i Eoropa ?

Milentika anaty krizy lalina tsy mijanona eo amin'ny toekarena intsony i Eoropa. Raha tarafina amin'ny fitondrana alemana sy ny politikam-pifehezan-kibo mampididoza sy ireo fitondrana eoropeana (hafa) tsy manana tolo-kevitra hafa, dia mazava fa tsy ny krizy 2008 intsony no tompon'antoka amin'ny fitotongan'i Eoropa.

Nidina tanteraka ny harin-karena anatiny (PIB) ho an'ny firenena eoropeana: 5,3% ho an'i Gresy, 3,9% ho an'i Portiogaly, 4,1% ho an'i Shypra, 2,3% ho an'i Italia, ary 2% ho an'i Espaina, raha tsy lazaina ny fihemorana nahatafiditra an'i Frantsa. Nihena 0,7% ny toekaren'ny Vondrona Eoropeana tao anatin'ny telovolana voalohany tamin'ity taona ity fa 1 % indray raha ho an'ny faribola euro ihany. Tsy misy isalasalana intsony, miatrika krizy lalina i Eoropa.

Raha ny krizy ara-toekarena tamin'ny 2008 ihany no tompon'antoka tamin'izao, dia tsy hahatsiaro manaintaina samirery tahaka izao i Eoropa. I Etazonia ohatra, ilay akany niavian'ity krizy ity, dia nahitana  fitsambikinana 1,9% teo amin'ny toekareny taona 2013 ary tsy mbola ambany tahaka izany ny tahan'ny tsy fananan'asa nandritra ny efa-taona.

I Eoropa izay niedinedina teo anoloan'i Etazonia nandritra ny fotoana maharitra raha resaka fitomboan-karena no very tanteraka ao anatin'ny politika tsy mari-pototra sy ny fifandirana eo amin'ny samy firenena ao anatiny.

Antony lehibe iray mahatonga ny fikorontanana ankehitriny ny tsy fahombiazan'ny fahefana politika eoropeana toa mametraka ankamantatra lalina amin'ny tolo-kevitra ataon-dry zareo. Ny fanafoanana ny saram-pifanakalozana, natolotr'i Michel Barnier, Kaomisera eoropeana ao amin'ny Tsena Anatiny sy ny Tolobarotra, no ohatra iray tsara indrindra amin'ny fepetra noraisina tsy nahitana izay tena fiantraikany (tombom-barotra).

Tsy ny fiakaran'ny sara aloan'ny isan'olona amin'ny banky [fr] ihany no vokatry fanafoanana ny saram-pifanakalozana aloan'ny mpivarotra amin'ny alalan'ny kara-bola (carte bancaire) ho an'ny banky, satria tsy maintsy mba mitady hamerenana ny vola votsotra noho ny fanafoanana io saram-pifanakalozana io ny banky, fa mihamatevina kokoa ihany koa ny tombombarotra azon'ny mpivarotra, satria tsy manana eritreritra loatra ny hampidina vidin-javatra ny mpivarotra rehefa mihena ny masonkarena.

Ny vesatra iray nampidaraboka haingana an'i Eoropa ihany koa dia ny fampiharana tsy misy indra-fo ny politikam-pitsitsiana nampiharina tamin'ny firenena ao amin'ny Vondrona. Lojika fsy fahendrena kokoa ho an'i Eoropa ny maka aingm-panahy avy amin'ny firenena tafavoaka, Etazonia, manao izay hampavitrika ny tsera fa tsy mihevitra ny hampihena ny fahabangana.

Le taux de chômage des jeunes en Europe de 2005-13 via Les crises, domaine public

Tahan'ny tsy fananan'asan'ny tanora ao Eoropa 2005-2013 ao amin'ny Les Crises – fananan'ny rehetra

Ny tena mamparikivy amin'ity raharaha ity dia saiky mitovy hevitra daholo ny mpitondra eoropeana amin'ity teboka ity, fa tsy misy ny mahasahy hifanatrika amin'ilay mpiaro ny politikam-pitsitsiana izay antsoina ihany koa hoe « Sparkurs », ilay goavana alemana sy ilay tsy azo ifandresen-dahatra chancelière, Angela Merkel. Avy any Alemaina ihany koa ny tsikera. “Nisy ny fahadisoana” [fr], hoy i Gilles Moëc, lehiben'ny toekarena ao amin'ny Deutsche Bank, tamin'ny Agence France presse, herinandro lasa izay.

Tahaka ny hoe tsy nisy fiantraikany ny fomba fanaon'i Merkel, tena lavitra an'izany mihitsy aza. Tsy mbola nizaka ny mafy tahaka izany mihitsy, ohatra, i Portiogaly hatramin'ny nizakàny ny politikam-pitsitsiana eoropeana. Niakatra 5,3% ny tsy fananan'asa ary 1,1 % ny fahabangan'ny tetibola. Mihoatra 123% amin'ny PIB (harinkarena anatiny) ny trosam-panjakana.

Ho an'i Julio Salazar Moreno, sekretera jeneralin'ny USO, sendikan'ny mpiasa espaniola ao amin'ny Publico, tokony hampitsahatra ny politikam-pitsitsiana ny Vondrona Eoropeana [pt]:

Os países da União Europeia (UE) têm de parar “de uma vez por todas” com a aplicação de medidas recessivas, porque os cidadãos, alerta, estão a viver no limite dos sacrifícios

Tokony hampitsahatra “miaraka amin'ny vava” ny politikam-pitsitsiana ny firenena ao amin'ny vondrona eoropeana satria efa tena ao anatin'ny fetra farany amin'ny fanaovana sorona ny tenan'izy ireo ry zareo

Tsy nahomby tamin'i Gresy ihany koa ny fandidiana (fitsaboana), araka ny lazain'i Gregor Gyzi, filohan'ny vondrona parlemantera avy amin'ny ankavia ao Alemaina (Bundestag) raha niresadresaka tamin'ny mpamaky Grika ao amin'ny news247 [gr]:

οι επιβληθείσες, κυρίως από την γερμανική κυβέρνηση, περικοπές σε μισθούς και συντάξεις, οι απολύσεις και οι ιδιωτικοποιήσεις, όχι μόνο ώθησαν την Ελλάδα σε βαθιά ύφεση και κοινωνικά προβλήματα, αλλά κατέστησαν και αδύνατη την επιστροφή των δανείων στο εγγύς μέλλον

Tsy vitan'ny manosika an'i Gresy hiditra amin'ny fihemoran'ny fiharian-karena sy ny olona ara-tsosialy maro ihany ny faneren'ny fitondrana alemana ampiharina ny fampihenana ny karama sy ny retirety, ny fandroahana mpiasa sy ny fanomezana ho an'ny tsy miankina ny orinasa tantanin'ny fanjakana fa manao izay tsy ahafahana mamerina ny trosa mihitsy.

Tsy mahagaga intsony ny antotanisam-pifindra-monina (misintaka) ao Eoropa. 2,5%-n'ny mponina Portiogey no nandao ny fireneny tao anatin'ny roa taona. Iza moa no mba niteny folo taona lasa izay fa hiondrana faobe hiasa any amin'ny firenena tahaka an'i Brezila na Angola ny Eoropeana ?

Eo anatrehan'izany tranga mampatahotra izany dia mbola mandrera-tsaina ihany koa ny mandre ny tolokevitra avy amin'ny hafa, tahaka ny an'ny praiminisitra luxembourgeois, Jean-Claude Juncker, izay efa mpitantana ny eurogroupe teo aloha, izay namoaka ny eritreriny manoloana ny krizy eoropeana ary namehy fa mila karazana « safosafo fitsaboana » i Eoropa, fanambarana miteny ho azy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.