Ny Mpiseraseran'ny Tambajotra Shinoa Faly Mitsaho sy Iva Fari-Pahaizana Hoy ny Tatitra

Tati-baovao avy amin'ny Akademia Shinoa Misahana ny Siansa Sosialy izay tantanin'ny fanjakana ka manome marika ny tambajotra sosialy ao Shina ho milina mpandefa tsaho sy ny mpisera amin'ny tambajotra sosialy ao Shina ho iva fari-pahaizana sy fidiram-bola no nanaitaitra indray ny ao amin'ny mpiserasera.

Namoaka tatitra momba ny Fivoaran'ny Haino Aman-Jerin'ny Media Vaovaon'ny taona 2013 ny akademia tamin'ny 25 jona. Ahitana zavatra telo lehibe toy izao ny tatitra:

1. Ny ankamaroan'ny mpiseraseran'ny tambajotra sosialy dia ao anatin'ny “iva telo”, avahan'ny iva taona, iva fari-pahaizana ary iva fidiram-bola.

Ny 29 isanjaton'ny mpamaham-bolongana bitika dia manodidina ny faha-20 taonany mahery, 26 isanjato mbola tsy ampy 20 taona, ary 25 isanjato indray manodidina ny 30 taona. 80 isanjaton'ny mpamaham-bolongana bitika dia ambanin'ny 40 taona.

Ny 75 isanjaton'ny mpiserasera ao amin'ny habaka famahanam-bolongana bitika malaza ao Shina Sina Weibo no nahavita ny fianarana teny amin'ny lisea monja ary 92 isanjato no mandray vola latsaky ny 5.000 yuan [800 dolara US] isam-bolana.

Annual Report on the Development of China's Audio-visual New Media (2013)

Tatitra isan-taona momba ny haino aman-jerin'ny media vaovao ao Shina (2013)

2. Amin'ny lohahevitra 100 nafana nivoaka tanatin'ny fotoana nohadihadina, Janoary 2012 ka hatramin'ny Janoary 2013, mihoatra ny ampahatelon'ny vaovao sy ny fanehon-kevitra mifandraika amin'ireo lohahevitra ireo no tsaho, hoy ny filazan'ny tatitra.

3. Ny fandraisana anjaran'ny fifampitam-baovao vaovao tamin'ny famoahana ny kolikoly dia nihoatra noho ny an'ny sehatry ny famoaham-baovao mahazatra, saingy lazain'ny tatitra ihany koa fa lasa fozaorana (vulgaire na ambany lenta) ny ezaky ny fifampitam-baovao vaovao ka nanolorany hevitra [zh] hisoratana amin'ny tena anarana hisorohana ny fampielezana tsaho sy ny fidikidirana amin'ny fiainan'ny olona.

Ny marika “iva telo”

Ao Shina, ny fametahaka marika ny sarangam-piarahamonina sasantsasany matetika dia mitarika azy ireo ho lasibatry ny fanentanana politika sasantsasany ho avy. Amin'ny fametrahana ny mpiseran'ny tambajotra sosialy sasany ho “iva telo”, manahy ny maro ao amin'ny aterineto fa ny tatitra no manome ny tondrozotra ho an'ny governemanta hanaraha-maso sy hitsikilovana ny kabarin'olona.

Ao amin'ny fanehoan-kevitry [zh] ny randram-bolañ'i Kai-fu Lee ao amin'ny Weibo ny mpiserasera maro no mitifitra ny mifanohitra amin'ny “iva telo” — dia ny “avo telo”:

小p亚风:MD,没有“三低人群”谁去喂养那些大吃大喝大包的“三高人渣”

@”P kely fanao Aziatika”: Mp—y reny. Raha tsy misy ny “iva telo” dia iza no hamahana ireo “avo telo” mpideradera?

水晶球O:又在有意识的吹风,象上次说:网络不是法外之地一样,中国的这些混账话决不是空穴来风。其实象这种挂着科学的牌子,和科学没毛关系的奴才单位,早该让他下岗了。

@”Baolina Kristaly”: rivotra ideolojika vaovao hafa io. Tamin'ny farany dia nolazainy : tsy habaka tsy misy lalàna ny aterineto. Tsy miainga avy aiza ny karazam-pahadalàna tahaka izany. Sarontsaronany amin'ny “siansa” ny [fikasana politika tiany atao], itony karazana fikarohana izay tsy misy ifandraisany amin'ny siansa ary tokony hofoanana.

CarolP:搞什么上纲上线的阶级对立呀

@CarolP: Moa va tsy karazam-piten'ireo mpanao adin-tsaranga izany?

Mpanango-Tsaho

Ny fiampangana fa ny ampahaleton'ny tsaho avy amin'ny tambajotra sosialy dia miteraka fanafintohinana noho ny maha-heloka ny fampielezana tsaho ao Shina. Ho fampitoniana ny fahatezeran'ny mpiserasera, nanitsy ny fomba nampisehoana ny tatitra [zh] ny gazety mpitondratenin'ny Antoko Komonista People's Daily [Gazetim-Bahoaka], nandrandrana fa tsy fanangonan-tsaho ny media vaovao. Saingy nolazain'ny gazety ihany koa fa noho ny fampielezan'ny mpamaham-bolongana bitika vaovao mifanaraka amin'ny fomba fijeriny manokana dia avo tokoa ny herijikan'ny mety ho fampielezana tsaho ka avy amin'izany no nanolorany hevitra tokony hiarovan'ny mpiserasera ny kaontiny sy ny lazany, “tahaka ny vorona miaro ny volony”.

Saingy voatebaka ny tolo-kevitry ny Gazetim-Bahoaka-People's Daily eo amin'ny faritra fanehoan-kevitra:

陆继忠:“新媒体不是谣言集散地”这个观点本人赞同,因为中国造谣的专利权已经被党刊、党报所申请保护,所以再有人造谣就是侵犯专利。

@Lu Jizhong: “Ekeko fa tsy fanangonan-tsaho ny media vaovao” satria ny famoronan-tsaho dia ampihimamban'ny gazety tantanin'ny antoko. Ho an'ireo mahasahy mampiely tsaho dia hanitsakitsaka ny zon-dry zareo izany.

博狮锁1博士锁:真理的谣言是谣言,谣言的谣言是真理

@”Boshisuo”: Tsaho mampiseho fa tsaho ny marina, ny tsaho momba ny tsaho no marina.

Neodoxy:老媒体应该像爱护自己的眼睛一样爱护党的口舌,千万不要动不动就瞎喷、动不动就瞎舔、动不动就瞎吹。。。

@Neodoxy: Ny mpampita vaovao mahazatra [tahaka ny gazetim-bahoaka -People's Daily-] no tokony hiaro [ny toerany] amin'ny maha-feon'ny antoko azy tahaka ny olona miaro ny masony, aza akipy ny maso ary aza manao fangerin'omby, manorokoro-body ary mirehareha.

wsirsir:批发谣言的风光,零售谣言的封杀,谣言也搞垄断?

@wsirsir: Deraina ny mpamongadin'ny tsaho, sakanana ny mpaninjaran'ny tsaho. Tokony atao ampihimamba ihany koa ny tsaho?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.