Mifandona Manerana an'i Ejipta ny Mpanohana sy Mpanohitra an'i Morsi

Ity lahatsoratra ity dia ao anatin'ny fitantarana manokana Ejipsiana Manongana an'i Morsi

Nitranga androany 6 jolay 2013 ny fifandonana nahiana indrindra eo amin'ny mpanohana ny Mpirahalahy Miozolomana sy ny mpanao fihetsiketsehana niantsony ny hanonganana ny filoha ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi. Tantarain'ny fantsona fahitalavitra ao amin'ny firenena sy iraisampirenena ny toe-javatra. Farafahakeliny 17 ny olona maty ary mihoatra ny 400 ny mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny fifandonana manerana an'i Ejipta androany, izay maro amin'ny ao tambajotra sosialy no milaza azy ho “nandrasana” sy “tsy fahita.”

Misioka i Ayman Mohyeldin, masoivoho ivelan'ny NBC News monina ao Ejipta:

@AymanMThousands of pro-morsi protestors moving across October 6 bridge towards tahrir. Military helicopter flying above

The frontline of clashes on the Nile corniche. Photograph shared by @SherineT on Twitter

Ny toera-pifandonana eo amoron'i Neily. Saripika nozarain'i @SherineT ao amin'ny Twitter

Mpanohana an'i Morsi an'arivony no niampita ny tetezan'i 6 oktobra mizotra ho any tahrir. Misidina ambonin'izy ireo ny angidimbin'ny tafika iray

Manampy ny masoivohon'i Al Jazeera ao Kairo Sherine Tadros:

@SherineT: Total mayhem here at Maspero. Thousands against thousands. Street battles. People injured lying on the ground

Korontana tanteraka eto Maspero. Milliers contre milliers. Batailles de rue. Blessés allongés sur le sol

Ao Maspero no misy ny radio sy ny televizionam-panjakana ejipsiana ao afovoan'i Kairo, izay metatra maromaro miala ny kianja Tahrir, izay mbola hanohizan'ny mpanao fihetsiketsehana anti-Morsi ny fankalazana ny fionganan'i Morsi.

Nanmarika i Andy Carvin:

@acarvin: Surreal footage on aje now – over a dozen guys throwing rocks, each lit up by a green laser to be target by opposing side

Sary tsy fahita eto aje amin'izao fotoana izao – olona am-polony mitora-bato, izay azavain'ny “laser” maitso tsirairay ireovatoireo ikendrena ny ery andaniny

Izay rehetra izany dia ny ao Kairo ihany. Ivelan'i Kairo dia misy ihany koa ny gidragidra.

Mnoratra i Mostafa Hussein:

@moftasa: Street wars still going on in Alexandria. Live coverage on Al Arabiya.

Gidragidra an-dalambe ao Alexandria amin'izao fotoana izao. Araho mivantana ao amin'ny Al Arabiya

Thousands of pro-Morsi protestors cross the October 6 bridge. Photograph shared by @AymanM on Twitter

Mpanohana an'i Morsi niampita ny tetezan'ny 6 Oktobra androany maraimbe. Saripika nozarain'i @AymanM ao amin'ny Twitter

Nanampy i Mohamed Fadel Fahmy:

@Repent11: A journalist in Suez just called me saying intense clashes between army and pro-Morsi protesters. Gunshots and many injuries.

Mpanao gazety iray ao Suez vao niantso ahy nilaza fa misy fifndonana mafana eo amin'ny tafika sy ny mpanohana an'i Morsi. Feom-basy sy maratra maro.

Nanontany i Ahmed Mwaheb, avy any Ismailia [ar]:

احا الجيش فين #الاسماعيلية في حرب شوارع و الاخوان معاهم كل انواع الاسلحة

@AhmedMwaheb: Aiza ny tafika? Misy gidragidra an-dalambe eto Ismailia ary manana ny karazam-pitovam-piadiana rehetra ny Mpirahalahy Miozolomana

Ny fifandonana izay nandrasana sy nahian'ny maro dia nitranga roa andro taorian'ny nanonganan'ny miaramila an'i Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, izay lasa filoha herintaona taty aoriana [mg] taorian'ny fihetsiketsehana goavana nitaky ny hialany sy hamaranana ny fitondran'ny mpirahalahy ao Ejipta

Maro ny manondro ny miaramila, ny fitondrana taloha ary ny Mpirahalahy Miozolomana ho anton'ny fifandonana.

Nanamarika i Philip Rizk:

@tabulagaza: Military/ old regime + brotherhood r to blame for the sick gun battles near tahrir. The hatred increases on both sides w every shot fired

Tafika/ fitondrana taloha + mpirahalahy no tompon'antoka tamin'ny fifampitifirana takaikin'i tahrir. Mitombo ny fifankahalana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany

Namehy i Mohammed Maree:

الإخوان لن تقوك لهم قيامة بعد ذلك ، بعد هذة الدماء التى سالت ستحل جماعتهم ولن يمارسوا العمل السياسى

@mar3e: Tsy manana hoavy intsony ny Mpirahalahy Miozolomana. Ny ra nandriaka no handroaka azy ireo amin'ny fiainana politika

Mbola mitohy ny gidragidra amin'izao fotoana anoratana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.