Kerala, Sehatry ny Angovo avy amin'ny Masoandro ao India, Voasaringotra amin'ny Resaka Hosoka Ny Governemanta

Raha nandrafitra ny politikan'ny angovo azo avy amin'ny masoandro mifantoka amin'ny fametrahana angovo azo avy amin'ny masoandro ho an'ny tsirairay ny fanjakana Indiana ao Kerala vao haingana, dia noheverina hitondra vaovao mahafaly ho an'ity fanjakana mangetaheta angovo fatratra ity izany.

Saingy tsy ela, voasoketa anaty raharaham-panaovana mahavoaroiroy manampahefana ao amin'ny governemanta ilay tsenan'ny angovo avy amin'ny masoandro ao Kerala.

Tamin'ny fiandohan'ny volana jiona 2013, nosamborina i Saritha S Nair avy ao Vattapara, Chegannur sy ny sipany Biju Radhakrishnan noho ny filazana fa naka vola an-tapitrisa ropia avy amin'ny olo-tsotra rehefa nampanantenaina izy ireo fa hisy fampiasam-bola amin'ny sehatry ny angovo avy amin'ny masoandro sy avy amin'ny rivotra amin'ireo faritra samihafa ao India. Araka ny famerimberin'izy roa, hamokatra herinaratra ny tobim-panangonan'angovo avy amin'ny masoandro sy avy amin'ny rivotra, izay ho amidy amin'ny fanjakana mangetaheta angovo fatratra Tamil Nadu hahazoana tombombarotra eo noho eo.

Naharesy lahatra olona izy roa mba hanampy amin'izany drafitra izany ary nampanantena fa samy ho anisan'ny tompon'ny orinasa ary hahazo tombony manokana amin'izany. Nanangana orinasa tao amin'ny lalana Chittoor ao Kochi, antsoina hoe Team Solar Renewable Energy Solutions i Nair sy Radhakrishnan.

Taorian'ny nisamborana azy ireo, nahatratra ny governemantam-panjakana ny raharaha rehefa noaroahana mpiara miasa maromaro mpanotrona ny Lehiben'ny minisitra Kerala Oommen Chandy rehefa fantatra fa nifampikasoka akaiky tamin'i Vattapara sy Radhakrishnan. Niaiky ny Lehiben'ny Minisitra fa efa nifandray tamin'i Radhakrishnan izy. Saingy nandà ny hametra-pialana izy na die eo aza ny fihetsiketsehana ataon'ireo mpanohitra azy.

Ucilia Wang nanoratra momba izany tao amin'ny bilaogy Tech blog Giga Om:

 

Ao anivon'izao tabataba izao ny olona roa lazaina fa mpisoloky, Biju Radhakrishnan sy Saritha S. Nair izany, izay voalaza fa nanao lasibatra dokotera maromaro tamin'ny fampanantenan'izy ireo hametraka takelaka mpandray angovo mora vidy. Nalain'izy ireo avy eo ny vola, ary novonoiny ny finday ary tsy hita izy ireo avy eo. Voasambotry ny polisy ihany ry zareo. Fantatra avy eo fa voampanga ho niray petsapetsa tamin'izy ireo ny manampahefana ao Kerala.

Solar Panels in Sadhana Forest community, Auroville, Tamil Nadu. Image from Flickr by Premsaagar Rose. CC BY-NC 2.0

Takelak'angovo avy amin'ny masoandro ao amin'ny alan'i Sadhana, Auroville, Tamil Nadu. Sary tao amin'ny Flickr, Premasagar Rose. CC BY-NC 2.0

Bilaogera Nikhil Narayanan ‏(@nikhilnarayanan) nizara vaovao taminà lahatsoratra fa midadasika ny ringy:

@nikhilnarayanan: Voalaza fa voroiroy amin'ny resaka hosoka amin'ny angovo avy amin'ny masoandro i Shalu Menon, mpilalao tantara an-tsarimihetsika mitohy,  izay naman'ny zanaka lahin'i @oommen_chandy sy zanaky ny mpiray tampò aminy http://www.deshabhimani.com/newscontent.php?id=313982 …

Superfatman ‏(@geophyraj) nanoratra hoe:

@geophyraj: Governemanta Kerala. Nandroaka mpiasa satria nizara vaovao momba ny hosoka ataon'ny governemanta momba ny angovo azo avy amin'ny masoandr. Ao Shina angaha i Kerala?

Ny tian'i Superfatman lazaina eto dia ny fampananten'ny governemanta Shinoa fa hanafoana ny fandaharan'asa fanampiana ny famatsiambola momba ny angovo avy amin'ny masoandro 2013 noho ny raharahan'hosoka goavana.

Satria ritra haingana ny loharanom-pamatsiana ary nihena ny vokatra. Somary maizimaizina ny angovo ao Kerala. Niaiky izany ny filohan'ny mpanohitra VS Achuthanandan ary nilaza fa na dia eo aza ny raharahan'hosoka momba ny hery avy amin'ny masoandro dia mbola mitoetra fa “levenan-karena goavana ao amin'ny firenena manana olana momba ny herinaratra ny angovo avy amin'ny masoandro”.

Ucilia Wang nanoso-kevitra hoe inona ny lesona azo tsoahina amin'izany raharaha hosoka izany:

Fomba iray lehibe hampiroboroboana ny fampiasana angovo madio ny famatsiam-bola amin'ny fametrahana angovo avy amin'ny masoandro. Porofon'izany ny fitomboan'ireo tsenan'angovo avy amin'ny masoandro ao Eoropa, Etazonia ary Japana. Saingy tokony hasiana didy aman-dalàna hifehy ny karazana fampiasam-bola tahaka itony hampanarahan-dalàna ireo mpametraka [ny milina fanangonan'angovo] sy hiarovana ireo mpanjifa tsy ho tratran'ny fisolokiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.