Ejipta : Ady Amin'ny Herisetra Ara-nofo Eo Amin'ny Kianja Tahrir

Ny andron'ny tsingerintaona voalohany nitondran'ilay Filoha teo aloha Mohamed Morsi, Ejiptiana an-tapitrisany no nanao hetsika ho fanoherana ny fitondrany. Raha iny nihafeno iny ny kianja Tahrir, izay ivon'ny revolisiona Ejiptiana tao afovoan-tanànan'i Kairo, dia nijoro nanohitra ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana ireo fikambanana miady amin'ny herisetra ara-nofo. Nahitàna fitomboany mantsy ny herisetra ara-nofo nandritra ilay famoriam-bahoaka farany teo alohan'io, indrindra fa teo amin'ny kianja Tahrir.

Tao amin'ilay fanambarana an-gazety navoakan'ny Operation Anti-Sexual Harassment/Assault (OpAntiSH) na hetsika hiadiana amin'ny fikasihana/herisetra ara-nofo, 46 ireo tranganà herisetra ara-nofo voaray ny 30 Jona, andro nanombohana ilay hetsi-panoherana. Najoro ny faran'ny taona 2012 ny OpAntiSH hamonjena ireo nohararaotina ara-nofo izay hany velona nandritra ny hetsika ary hanome fitsaboana araky ny tatitra voarainy. Nanakiana ny governemanta ny OpAntiSH ny amin'ny tsy fahaizany mandray andraikitra amin'ireny tranga ireny, niampanga ny fisian'ny fisandohana eo amin'ny zon'ny vehivavy ao amin'ny fitondrana, mba ahatongavan'izy ireo amin'ny tanjony eo amin'ny sehatra politika. Nampian'izy ireo hoe :

Ny fitomboana be amin'ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo vehivavy mpanao hetsi-panoherana dia taratry ny fitomboan'ny herisetra ara-nofo atao amin'ny vehivavy amin'ny ankapobeny mihitsy, ataon'ny fiarahamonina sy ny fanjakana, izay misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy eo amin'ny tontolon'ny fiarahamonina.

Human Rights Watch (HRW) dia namoaka fanambarana manameloka ny tsy firaharahian'ny rehetra manoloana ny herisetra ara-nofo misy. “Ny fitomboan'ny fanararaotana ara-nofo mandritra ny hetsi-panoherana ao amin'ny Kianja Tahrir dia mampivandravandra ny tsy fahaizan'ny governemanta sy ny antoko politika rehetra miatrika ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy ao Ejipta amin'ny andavanandrom-piainany eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholo be,” hoy Joe Stork avy ao amin'ny HRW. Namokatra lahatsary iray koa ry zareo, nampitondrainy ny lohateny hoe “Ejipta : Fihanaky ny herisetra ara-nofo” ahitàna fijoroana vavolombelona ataon'ireo hany sisa velona tamin'ireo fanararaotana.

Anatin'ny ezaka iray ho fanazavana ny fampiasana herisetra ara-nofo nataon'ireo fitondràna samihafa nisy; ilay Filoha teo aloha Hosni Mubarak, ny Supreme Council of Armed Forces (SCAF) – Filankevitra Faratampon'ny Tafika Mtam-iadiana sy ny Firahalahiana Silamo, ny mpiaro ny zon'olombelona dia namokatra lahatsary mitondra ny lohateny hoe “Efa fampihatra mahazatra ny Herisetra Ara-nofo : miainga avy any amin'i Mubarak sy ny SCAF ka hatrany amin'ny Firahalahiana Silamo”. Toy izao manaraka izao ny fanambarana avy amin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona :

Tsy ny hahazo fibabohana na torohay no tanjon'io fampijaliana ara-nofo io, fa kosa ny hanàla baràka, hampihorohoro ary ny hampanginana ny feon'ny tsy mitvy hevitra amin'ny tena. Tsy manavaka ny fampijaliana ara-nofo na lahy io na vavy, na antitra na tanora. Mitranga manerana ny faritra rehetra izany, na ety ivelany na any anatin'ny rindrin'ny fonja sy ny efitranon'ny polisy ato amin'ny firenena. Efa tonga hatrany amin'ny tranoben'ny Fitsarana Avo mihitsy ny herisetra ara-nofo, izay nahavoaolana an'i Ahmed Taha, metatra vitsy monja miala an'ireo mpitsara izay natao indrindra hiaro ny zony.

Nahatonga hatezerana maro tanaty filazam-baovao sosialy iny tatitra mahakasika ny herisetra ara-nofo iny. Nitory ny fahanginan'ny governemanta sy ny antoko politika tamin'io raharaha io ireo mafana fo. Satria niakatra ny maripàna teo amin'ny sehatra politika, dia nisy tamin'ireo mpikambana sy mpanohana tao no nanararaotra nampiasa iny tatitra mikasika ny herisetra iny hanaratsiana ny lazan'ny kianja Tahrir sy ireo mpanao hetsi-panoherana.Toy izao no namalian'i Gehad El Haddad,  mpitondra tenin'ny Firahalahiana Silamo, ilay fanasana azy ho eny amin'ny kianja Tahrir :

@gelhaddad : Tena mampalahelo ny fikororosin'ny #Tahrir square (kianja Tahrir) . Tranga 7 nahitana fanolanana faobe, am-polony ny herisetra ara-nofo&halatra maro, …

Raha toa ny olona sasany ka miahiahy avy hatrany fa ny Firahalahiana  Silamo no naniraka jiolahim-boto hanolana mba hampihena ny fandraisan'ireo vehivavy anjara amin'ny politika, ny hafa kosa mitsipaka izany, ary mihevitra fa lalina kokoa noho izany ny olana misy. Nizara tatitra i Mostafa Bahgat, izy ilay mafana fo iray tao amin'ny Facebook, nanakianany na ny fanjakana na ny mpanohitra na ny hery revolisionera [ar]:

??? ???? ????? ???????? ? ???????? ??? 25 ????? ???? ??? ???? ?? ???? ?? ?? ??? ???? ??????” ??????? ? ???????? ? ???????” ? ???? ????? ????? ? ???????. ????? ???? ????? ??????? ?????? ?????? ?????? ? ????????? ??? ?????? ?????? ?????? ???? ??????? ????? ? ???? ??? ????? ???????.
???? ?????? ??? ???
? ?????? ?? ??????? ???? ?? ??? ???? ????? ???? ??????? “?????? ” ?? ??????? ???? ?? ?????? ????? ? ?? ?? ????? ???? ?? ??? ??? ?? ??? ????? ??? ????? ?? ??? ??? ?? ????? ?? ????? ?????? ??? ?? ?????? ????? ???.
???? ?? ???? ??????? ????? ???????? ??????

????? ???? ???? ????? ?? ????? ?????? ???? ?? ???? ? ?????? ???? ???? ????? ?? ???? ????? ??????? ? ?????? ?????? ??? ? ????? ????? ? ?? ???? ???? ???? ????? ?? ????? ?????? “??????” ?? ?????

??????? ???? ?? ?????? ????? ?????? ???? ??? ?????? ???????? ??? ????? ????? ?? ????? ??????
??? ????? ?? ????? ?? ??? ?? ??????? “??????” ????? ???? ?? ??????? ?? ????? ? ????? ????? ???? ? ????? ?? ????? ?????? ?? ??? ????? ??????? ??? ??????.

Tamin'ny fotoana nitrangan'ny herisetra ny 25 Janoary lasa iny, nisy ny fampitandremana nataon'ny olon-tsotra, ny avy amin'ny antoko an-kavia sy nasionalista teny amin'ny filazam-baovao maro nikakiaka ny hoe manomana tetika hampihorohoroana ny vehivavy ny Fikambanana Silamo ary mihevitra ny hampiasa ny tetiky ny fitondrana teo aloha amin'ny fampiasana olona maro. Ary izao no niafarany. Maro amintsika no manao izay hanazavana amin'ny “tarika misy antsika” fa mbola lehibe noho ny resaka jiolahim-boto voaomana ilay raharaha ary ny fanolanana dia trangam-piarahamonina mahazatra misy manerana ny firenena maro; ary ahitàna resaka fanolanana hatrany ny gazety mpiseho isan'andro ; ary mitranga izany na dia amin'ny andro fety aza. Toy ny olona adala ny fiheveran'izy ireo antsika.

Fa maninona ny raharaha maloto toy izany no mitranga amintsika ?
Maro amin'izy ireo no mihevitra fa tsy misy dikany ireo olana manjo ny vehivavy. Ireo izay mba manohana kely ny vehivavy indray dia milaza fa tsy fotoanan'izany izao ; ny fiatrehana ny fahantrana sy ny fitondrana tsy manara-dalàna no zava-dehibe kokoa. Tsy ilaintsika ny varimbariana amin'ny zavatra ‘manan-daja’ saingy mbola anjorony toy izany.

Ny olana dia ny tsy fahitàn'izy ireo ny olan'ny vehivavy ary na manao izany aza izy ireo dia na ho amin'ny tombotsoany manokana na ho amin'ny tombotsoa politika. Mbola ho takianay hatrany izany mandra-piaikin'ny ‘tarikay’ fa manan-danja lehibe noho ny ady seza ireny herisetra atao amin'ny vehivavy ireny.

Misaina ny amin'ny maha-mety na tsia ny fizaràna vaovao mikasika ny herisetra ara-nofo ilay mafàna fo Engy Ghozlan :

???????? 44 ???? ?????? ??? ????? ?? ????? ???????? ?? ????? ???? ??? ?????? ??? ???? ?? ?????? ??????? ?? “??? ?? ???? ?????” ???? ?????? ??????? ?? ???? ???? ??? ????? ????????? ??? ??????? ?? 44 ?????? (???????? ??) ????? ?????? ????? ??????? ?????. ???? ???? ?? ?????? ???? ???? ?? ????? ??????.

44 no tranganà fanolanana tamba-be nataonà jiolahim-boto taminà tovovavy teny amin'ny kianja Tahrir androany. Indrisy fa tery anelanelan'ny fanoto sy ny laona isika. Ny iray, matahotra ny hiatrika ilay raharaha sao mantsy voaelingelina ny tena votoatin'ny fitakiany. Ny iray indray, manararaotra ilay raharaha hanaratsiana ny ankilany. Ary ny hiafarany, vatana telo malalaka an'olona 44 no naolan'ny vahoaka mahafinaritra androany.Tsy misy fiovàna miaraka aminà fanolanana izany. Tsy misy fiovàna miaraka aminà vatàna voaolana izany.

Miha mitombo be ny fikambanana miady amin'ny fanolanana an-dalambe sy ny herisetra toy ny Tahrir Bodyguards,  ny Imprint Movementsy ny maro hafa. Yasmin ElRifae dia mizara ny heviny momba ny fandraisana anjara amin'ireny fikambanana ireny tanatinà lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “No Apologies” na ” Tsy misy fialantsiny” :

Tena mankahery ahy tokoa ny fahitàna ireo vehivavy sy lehilahy maro namela ny zava-drehetra hatrany hatrany mba hiadiana amin'ny herisetra ara-nofo, manao sorona ny filaminan-tsainy sy ny vatany ary miezaka mikaroka, mamorona ary entanim-po. Mila manantena aho fa misy olona maro izay mahita fa marolafy ny dingan'ny fandrosoana eo amin'ny sehatry ny fiarahamonina, saro-bahàna kokoa sady sarotra kokoa noho ny fitakiana ny fialàn'ny Filoha na  governemanta iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.