Tambajotra Sosialy Rosiana #1 Voahenjika Any Ivelany

Ao anatin'ny fanamelohana azy tsy mijanona amin'ny famelàna ny fanaovana mozika hosoka sy ireo olana mahazo ny Tale Jeneraliny tanora PAvel Durov, [GV] eo anatrehan'ny lalàna, tsy ela akory izay ny VKontakte Rosiana, hala tahaka ny Facebook, no nahazo ny anjara adin-tsainy tamin'ny governemanta Rosiana. Na dia izany aza, ny farany akaiky indrindra dia avy amin'ny Okrainiana .

Tamin'ny 26 Jona 2013, nambaran'i [ru] Nikolai Durov, lahimatoa amin-dry Pavel sady mpiara-manorina ny VKontakte, fa nalain'ny fanjakana Okrainiana ny lohamilin'ny VKontakte tany Okrainiana. Mbola “afenin'ilay ” tambajotra anefa ireo lohamilina any Kiev mba ho fanamoràna sy ho fanafaingànana ny fidirana amin'ireo failo misy lahatsary sy mozika ho an'ireo Okrainiana mpampiasa azy satria ny VKontakte no mahavantana kokoa ny Rosiana miteny Okrainiana. Ireo lohamilina ireo no noogiazan'ny mpitandro filaminana tany an-toerana, izay hazavain'i Pavel Durov fa antony mahatonga ny fihisàran'ny tolotra [ru]:

В результате видео- и аудиоконтент у украинских пользователей грузится медленнее, так как все данные доставляются напрямую из Петербурга.

Vokatr'izany dia milona be ny fisintonana lahatsary sy feo ho an'ireo Okrainiana mpampiasa, satria sintonina mivantana avy St. Petersburg any ireo angon-drakitra rehetra.

Toa tsikaritra ho nanao fanadihadiana ry zareo Okrainiana mikasika fandosirana hetra nataonà orinasa tsy hita fototra, izay lazain-dry zareo fa ao anatin'ireo lohamilina no mety nanafenana ny antontan-taratasy mikasika ny ara-bolany. Nosoratan'i [ru] N. Durov fa fialàna bàla fotsiny izany :

Иначе говоря, доблестные украинские полицаи изъяли наши сервера без каких-либо законных оснований, а теперь, наверное, будут вымогать деньги (или тонну сала?) за возврат нам нашего же оборудования, а если не получится — продадут его налево.

Raha lazaina amin'ny fomba hafa, dia nalain'ny mpitandro filaminana tsy misy taratasy ara-dalàna ny lohamilinay, ary dia ankehitriny dia mety hangata-bola (na tavinkena kisoa misy sira aman-taonina ?) aminay izy ho famerenena ny fitaovanay, raha tsy izany dia amidiny ny fitaovanay.

Araka ny hevitr'i  Pavel Durov, hahazo vola be ny mpitandro filaminana Okrainiana raha amidiny ireo lohamilina — ao anatin'ny lahatsorany mikasika io resaka io dia ambarany fa mitentina eo ho eo amin'ny antsasakà tapitrisa dolara io fitaovana io. Tato aoriana, novakian'i  Nikolai Durov io isa io ary nazavainy fa mampiasa lohamilina lafo izay feno disques durs – kapila mafy sy matanjaka mitentina 25.000 dolara tsirairay ny Vkontakte.

Pavel Durov cares this much. YouTube screenshot. July 3, 2013.

Karakarain'i Pavel Durov fatratra ity ho an'ny mpitandro filaminanana Okrainiana. Dikasary tamin'ny YouTube. 3 Jolay 2013.

Nambaran'ny [ru] manampahefana Okrainiana fa tsy fantany hoe an'ny Vkontakte ilay fitaovana nafeniny —  ireo orinasa izay manome toerana malalaka  ho an'ny lohamilina no hany nokendreny. Tsy niombon-kevitra tamin'izany anefa  i Nikolai Durov[ru]:

Насколько мне известно, забрали в точности наши сервера. По всей видимости, заказ был именно на них.

Araka ny fahafantarako azy, dia ny lohamilinay mihitsy no nalain'izy ireo. Sahala amin'ny fahombiazana manokana ho azy ireo.

Tsy nolazain'i N. Durov ny anton'izany fa noheveriny fa misy antony ara-bola, na ao anatin'ny fifaninanana eo anivon'ny samy mpitandro filaminana anatiny Okrainiana ilay fikorontanana manontolo. Andro vitsy tato aoriana, ny 1 Jolay, navoakan'i N. Durov indray ny toe-javatra misy ary nambarany fa mbola any amin'ny mpitandro filaminana Okrainiana ireo lohamilina, sady mbola mikaroka ao anatin'izy ireo hatrany ry zareo mba hahitàna zavatra azo tazonina, na angamba izay hananganany Vkontakte :

Ясно, что при желании можно найти на дисках что угодно — например, предварительно списав туда свою коллекцию детской порнографии. […] Наверняка через неделю-другую появится пресс-релиз доблестных украинских полицаев, “раскрывших” преступление века, и обнаруживших на наших серверах всё что им угодно — хоть переговоры Саддама Хуссейна с Бен Ладеном.

Mivandravandra, rehefa iriana, dia misy làlana iray ahafahanao mahita izay tianao ho hita ao anatin'ireo anaty kapila — ohatra, ny nandraketanao tao tany am-boalohany ny sary vetaveta ataon'ny ankizy. […] Azo antoka fa ao anatin'ny herinandro na tapa-bolana dia hisy tatitra ho an'ny mpanao gazety ataon'ny mpitandro filaminana Okraniana izay “nahavaha heloka bevava”-n'ny taonjato ary ho hitany ao anatin'ny lohamilinay daholo izay rehetra ilain-dry zareo — hatramin'ny resaka teo amin'i Saddam Hussein sy Ben Laden.

Fa mandritra izany fotoana izany, dia mitohy miasa amin'ny fampiantranoana ny lohamiliny any Alemaina ny Vkontakte.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.