Manafika Ny Fonenan'Ireo Shiita Ao Ejipta Ny Salafista, Efatra No Maty

Mpikambana Ejiptiana efatra ao amin'ny antokom-pivavahana Shiita no namoy ny ainy tao Ejipta androany tamin'ny fanafihan'ireo Salafista ny fiangonan'izy ireo, taorian'ny fihantsiana nataon'izy ireo tamin'ny Shiita nandritry ny roa herinandro.

Araky ny filazan'ireo tatitra maro isan-karazany, nodorana sy notafihana ny fiangonan'ny Shiita tany Giza sy Kairo. Ny Al Badil News dia mitatitra ny fijoroana vavolombelon'ny avy tao amin'ny tranom-paty izay milaza [ar] fa novonoina ny iray tamin'ireo olona maty ireo ary ny telo ambiny naratra mafy ny lohany. Nahatonga fahatezerana tanaty aterneto izany tranga mahatsiravina izany.

Nandrakitra izany famonoan'olona izany i Hazem Barakat, nizara sary sy lahatsarin'ilay fanafihana feno rà mandrika (Tandremo : lahatsary Grafika) anaty aterneto. Nilaza izy tao amin'ny Twitter, fa norahonana izy tamin'ny famoahana iny tranga natrehiny maso iny. Hoy izy nanampy [ar] :

انا على اتم الاستعداد للشهاده امام النيابه وهقول كل اللى حصل بالتفاصيل وهقول على الشيوخ اللى حرضت على القتل

@7azem122 : Vonona hijoro vavolombelona eo anoloan'ny Mpampanoa lalàna aho ary hilaza amin'ny antsipirihany ny zava-nitranga ary holazaiko ny hoe ny mpitarika fivavahana no nitarika ireny vono olona ireny

People gather at the alley in which the house where the Shia were killed in Cairo today. Photograph shared on Twitter by @7azem122

Nitangorona teo amin'ilay lalan-kely ahitana ny fiangonan'ireo Shiita novonoina tao Kairo ny olona androany. Sary nozaraina tao amin'ny Twitter avy amin'i @7azem122

Hoy izy nanohy :

التحريض على الشيعه بدأ من اسبوعين فى جميع المساجد والنهارده كان التنفيذ شيوخ ولاد دين كلب ” قتلوهم وعندهم اطفال لسه صغيرين 🙁

@7azem122 : Efa roa herinandro lasa izay no nanomboka ny fihantsiana natao tamin'ireo Shiita nanerana ny Moske ary androany no nanatanterahan'izy ireo ny teti-dratsiny. Tena alika mihitsy ireo Pretra ireo. Vonoin'izy ireo hatramin'ny zazakely

Dimy ora talohan'izay, nibitsika izy :

السلفيين بدأو يكسرو سقف البيت اللى فيه الشيعه مشهد سيريالى رهيب


@7azem122
: Nanomboka nandrava ny tafotranon'ireo Shiita ny Salafista. Tena tranga tsy fahita mihitsy.

Police remained idle as a home where Shia Egyptians were meeting today was attacked by Salafists, says Hazem Barakat (@7azem122)

Nijery fotsiny ireo polisy raha nahita ilay trano fivorian'ny Shiita ao Ejipta notafihan'ireo Salafista, hoy Hazem Barakat (@7azem122)

Nolazainy ihany koa fa ny polisy, anatin'izany ireo mpitandro ny filaminana, dia nijery fotsiny tamin'ny nitrangan'ilay raharaha.

Noraisin'ny mpampiasa aterineto tamim-pahatezerana ilay tranga.

Dr Bassem Youssef, mpandrangitra, dia nandefa bisika manao hoe :

النهاردة شيعي بكرة صوفي بعده قبطي قبله بهائي و بعدين مسلم مش موافق على تطبيق الشريعة بفكركم و بعدين واحد شكله مش عاجبك.

@DrBassemYoussef : An'ny Shiita ny anio ; rahampitso an'ny Sufi, ary avy eo an'ny Copte, alohan'izany an'ny Bahai. Avy eo dia an'ny Silamo izay tsy manaiky ny hampiarahanareo ny Sharia (Fampianarana Silamo) amin'ny foto-pisainanareo, ary avy eo mety ho olona iray izay tsy tianareo ny fomba fijeriny

Nizara hevitra mitovy amin'izay ilay mpitoraka blaogy Ejiptiana, Zeinobia :

و النهاردة الشيعة و بكرة جارك اللى مش متفق معاك سياسيا و فكريا

@Zeinobia : Androany izany dia an'ny Shiita, fa rahampitso mety ho ny mpiray vodirindrina aminao izay tsy mitovy hevitra aminao amin'ny sehatra politika sy rafi-pahalalana.

Nanontany toa izao i Ahmed Abou Hussein :

لما شيخك يكفر المتظاهرين ويلقب الشيعة بالأنجاس ماتستغربش انهم يقتلوا. يا مرسي السؤال مش انت فقدت شرعيتك ولا لأ، السؤال انت فقدتها كام مرة؟

@abouhussein7 : Rehefa milaza aminareo ny mpitarika anareo [Ny Filoha Mohamed Morsi] hoe tsy mpino ny mpanao hetsi-panoherana ary mpaniratsira ny Shiita, aza gaga raha misy mamono izy ireo. Morsi a, tsy ny fahaverezan'ny fahamarinana intsony no fanontaniana mipetraka. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : impiry no very ny fahamarinanareo ?

Gaga Ahmad Khalil ny amin'ny fomba fandraisan'ny olona ilay vono olona :

السلفيين قتلوا ٤ شيعة ، الغريب فى الامر ان من يستنكر هذا الفعل يقول دم المسلم حرام يعنى دم المسيحى حلال ، الافكار الطائفية اصابت الجميع

@ahmad_khalil : Namono Shiita efatra ny Salafista. Ny tena mahagaga dia ny fahitana fa misy amin'ireo manameloka iny tranga iny no milaza fa ny fandatsahan-drà Silamo dia Haram [Fady amin'ny Silamo]. Toy ny hoe ny fandatsahan-drà Kristiana dia Halal (azo ekena amin'ny Silamo]. Naharikoriko ny olon-drehetra ny hevitra mpanavakavaka toy izany

Sherif Azer dia nanamarika [ar] :

فيه احداث و تصريحات كتير حصلت في الفترة الاخيرة كانت بتمهد للهجوم على #الشيعة في مصر.عدم الاستعداد لموقف زي ده في حد ذاته جريمة #مصر

@sherif_azer : Be loatra ny tranga sy fanambarana nisy mikasika ny fotoan-dasa, nanomanana iny heloka natao tamin'ny Shiita tao Ejipta iny. Ny tsy fiomanana ny amin'ny mety hisian'ny tranga toy izany dia heloka ihany koa

Ary dia nanontany tena i Adel Salib hoe maninona ny olona no taitra tamin'ny fandrenesana ilay fanafihana Shiita tao Ejipta raha toa ka talohan'izany aza ireo polisy ireo hita nanafika – ary namono – “Coptes” Ejiptiana :

مندهش من المندهشين ان الشرطة وقفت تتفرج علي قتل الشيعة ؛ اذا كان الشرطة كانت من شهرين بتضرب الكتدرائية انتم عالم مغيبين ولا بتستهبلوا ؟

@Adel_Salib : Misy olona gaga raha nandre fa nijery fotsiny ny polisy tamin'ny fotoana nisian'ilay famonoana Shiita iny, raha toa ka roa volana lasa izaydia nanafika Katedraly iray ireo polisy.

Nisy namosavy ve ianareo sa tena dondrona ?

A screenshot of a tweet by Mohammed Saber, an anchor at an Egyptian Television celebrating the murder of Shia in Egypt. Photograph shares by @Gemyhood on Twitter

Sary tao amin'ilay bitsika nalefan'i Mohammed Saber, mpiasa ao aminà Televiziona Ejiptiana iray izay nankalaza ilay famonoana Shiita tao Ejipta. sary nozarain'i @Gemyhood tao amin'ny Twitter

Nanampy toy izao Ali:

زعلان ان المسلمين السنة بيتدبحوا في بورما ..وفرحان ان المسلمين الشيعة بيتحرقوا أحياء و يتمثل بجثثهم .. انت لازم تقوم تشوف دكتور بيطري كويس

@ali4592000 : Tezitra ve ianao fa nisy namono ny Sonita Silamo tany Birmania ary faly ny amin'ny fandorana sy ny fanosihosena ny fatin'ireo Shiita? Tokony hanatona mpitsabo biby mahay ianao

Rawah Badrawi dia nizara ny tantara sasantsasany :

@RawahBadrawi : Ny Shiita no nanorina an'i Kaira ry dondrona a. Izy ireo no nanangana ny hatsasaky ny vakok'i Kaira, isan'izany ny Al Azhar.

Nofintinin'ilay Blaogera Yemenita, Noon Arabia, toy izao izany :

نحن نعود إلى زمن الجاهليه. الإسلام بريء مما يحدث الآن من سفك الدماء. #مصر #لبنان #سوريا

@NoonArabia : Miverina amin'ny andron'ny Jahiliyya [tsifahalalàna] isika. Tsy misy idiran'ny Silamo ny rà mandrika any Ejipta, Libanona ary Syria

Mazava ho azy fa tsy ny olon-drehetra no mihoron-koditra amin'iny fanafihana iny. Ilay Blaogera Mohamed Beshir dia nizara bitsika iray nalefan'i Mohammed Saber, mpanolotra iray ao amin'ny Fahitalavitra Ejiptiana, izay nankalaza iny fahafatesana Shiita iny ary nanao antso ny amin'ny tokony hisian'ny vono olona misimisy kokoa.

دة مذيع ف التلفزيون المصري سعيد بقتل الشيعة والناس بترد عليه يأكد ويبشرهم

@Gemyhood : Izy dia mpanolotra ao amin'ny Televiziona Ejiptiana [fanjakana] izay faly ny amin'ny famonona ireo Shiita

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.