Voasakana Tany Etazonia dia Nipoitra Tao Rosia Indray Ilay Lalàna SOPA

Niverina ny lalàna Amerikana “Stop Online Piracy Act” – ary efa hihatra afaka herinandro eo ho eo. Tsy ao Etazonia anefa ny SOPA no hivoaka, toerana izay nahitàna fihetsiketseham-bahoaka notontosain'ny fikambanan'ireo orinasa misahana ny aterineto, fikambanana Mpiaro ny Zon'olombelona, ary ireo mpampiasa aterneto mba hitsipahana ny lalàna tamin'ny volana Janoary 2012.

Lalàna iray izay mamolavola Sazy henjana ho an'ireo izay manitsakitsaka ny zon'ny mpamorona anaty Aterneto no eo an-dalam-panantanterahana ao Rosia, izay antsoina hoe “ Volavolan-dalàna  № 292521-6 [ru] : Fanovàna ny Lalàn'ny Federasiona Rosiana Miaro ny Zom-panànana amin'ny Torohay – Tambajotram-pifandraisana.” Ny fampielezam-baovao, araky ny fahazoany azy, dia niantso izany fotsiny hoe “ SOPA Rosiana.”

Ny rantsam-pitsaràna ambany ao amin'ny Parlemanta, Duma, dia efa nanaiky[ru] ny volavolan-dalàna voalohany tamin'ilay lalàna anio 14 Jona 2013, tamin'ny vato miisa 257 teo anatrehan'ny vato miisa 3 (miampy vato fotsy iray). Noraisin'ireo mpanao lalàna izany dingana izany na dia teo aza ny fanoheran'ireo Orinasa rosiana misahana ny aterineto, izay nihazakazaka namoaka tatitra an-tsipiriany tamin'ity herinandro ity momba ny mety ho voka-dratsin'ny fampiharana izany lalàna izany ho an'ny RuNet.

This image was created by Kevin Rothrock using Vladimir Putin's official portrait by the Russian Presidential Press and Information Office, 2006, CC 3.0.

Ity sary ity dia noforonin'i Kevin Rothrock izay mampiasa ny sarin'i Vladimir Putin ofisialy tamin'ilay fifidiana Filoham-pirenena, sary avy any amin'ny biraon'ny Filazam-baovao sy Torohay ao amin'ny “Presidence” ao Rosia 2006, CC 3.0.

Ny fitsipiky ny SOPA Rosiana

Mazava fa feno fitsipika mampiahiahy ny dika rosiana ho an'ny SOPA. Ny fitsipiky ny lalàna mba hampahafantarana ireo mpamatsy aterineto amin'ny fisian'ny tsy fanajàna “copyright” ohatra dia mampihomehy fa tsy mety mihitsy. Tsy voatery hangataka ny fanambarana mazava ny toerana nahitana ilay sy fanarahan-dalàna irIreo Tompon'ny zo “Copyright” (na dia adiresy URL aza) avy amin'ny mpamatsy aterineto, izay manery ireo orinasa misahana ny aterneto hanao fanaraha-maso tsy ankiato ny amin'ny mety hisian'ny fanararaotana (vinavinainy) amin'ireo fitaovana voaaron'ny “copyright”.

Manova ny fitsipiky ny andraikitra voafetra ihany koa ilay lalàna, izay mametraka ny andraikitra feno amin'ny mpamatsy sy ireo mpanelanelana hafa misahana ny aterneto raha toa ka tsy voafehin'izy ireo ny zavatra rehetra mivoaka ao aminy. Nampitandrina [ru] ilay vohikalam-pikarohana Rosiana Yandex hoe :

[…] позволяет прийти к абсурдному выводу о том, что, получив уведомление правообладателя о потенциальном нарушении, имеющем место при передаче материала, провайдер, осуществляющий передачу, будет обязан каким-то образом прекратить такую передачу в отношении конкретного материала, что технически невозможно.

[Ilay lalàna dia] manome alalana antsika hamintina fa, rehefa nampahafantatra tamin'ny mamatsy aterineto ny tompona “copyright” iray fa misy fandikàn-dalàna amin'ny fakàna na fampakarana votoaty iray, dia tsy maintsy hampihato ny famindràna izany votoaty izany ny mpamatsy, zavatra izay tsy azo tanterahina ara-teknika.

Ny Fikambanana Rosiana ho an'ny Fifandraisana ara-Elektronika (RAEC), izay nandray anjara tamin'ilay Fikaonan-doha [ru] nokarakarain'ny Ministeran'ny Kolontsaina momba ilay lalàna miady amin'ny fijirihana, dia nanakiana koa [ru] ny tsy fahampian'ny fanomezan-danja ny fomba fampiasàna tsara ireo antontan-kevitra voaaro. Ankoatr'izay, manohitra ny  RAEC, namorona tranga ilay lalàna izay tokony handraisan'ny mpamatsy aterineto fanapahan-kevitra dieny mialoha raha toa ka sendra misy fitarainana ataon'ireo tompon'ny zo “copyright” any amin'ny fitsarana. Maro amin'ireo mpanohitra ilay SOPA Rosiana no nilaza fa ohatra iray amin'ny sivana ambonin'ny Fitsarana io andalàna iray amin'ny lalàna io. Sarotra kokoa ny fampihara ilay volavolan-dalàna.

Araky ny voalaza ao amin'ilay lalàna, ny Fitsarana Avon'ny tananan'i Moscou no hatao Fitsarana voalohany ireo raharaha mikasika ny fandikàn-dalana anaty Aterneto. Manao fitarainana aloha voalohany indrindra ireo tompon'ny “Copyright” momba ny fisian'ny fangalarana ny vokany tanaty aterneto, ampiarahina aminà (1) porofo ny amin'ny maha tompon'ilay “vokatra” azy ireo, ary (2) porofo fa nampiasain'ny olon-kafa ilay izy. (Tsy afaka manao na inona na inona ny fitsarana raha tsy feno ireo atontan-taratasy ireo.) Mametraka fe-potoana noho izany ny fitsarana, tsy mihoatra ny dimy ambiny folo andro, izay anaovan'ilay mpitory taratasy ofisialy, izay vao mandeha ny fanadihadiana.

Mandritra ny tapa-bolana manelanelana ny fotoana nametrahana ilay fitoriana sy ny famenoana ireo antontan-taratasy anefa, dia mampirisika ny Fitsarana ao Moscou ilay lalàna mba hanery ny mpamatsy aterineto handray “Fanapahan-kevitra vonjy maika” hanalàna ilay rakitra voalaza, raha tsy izany dia hahato tanteraka ilay adiresy IP, raha toa ka tsy vitan'izy ireo ny manala izany ao anatin'ny telo andro. Raha tsy feno anatin'ny 15 andro ireo antontan-taratasy ho an'ny fitoriana dia tsy heken'ny tribonaly ilay raharaha ary handraisany fanapahan-kevitra vonjy maika.

Manambara ny RAEC fa tsy misy andininy ao anatin'ny lalàna milaza fa tsy azo atao ny mametraka fitarainana isaky ny tapa-bolana na dia tsy feno aza ireo antotan-taratasy ilaina. Izany hoe, afaka ampiasain'ireo mpitory mafana fo ho antony iray izany ny fandraisana fanapahan-kevitra vonjy maika, amin'ny fampiasana ilay lalàna ho toy ny varavarana ahatongavany amin'ny zavatra hafa. Nanazava ny RAEC ato amin'ny tatitra nalefany [ru] mikasika ilay lalàna hoe :

Правообладатель имеет возможность не подавать иск, а каждые 15 дней обращаться за применением новых предварительных обеспечительных мер, и никакой ответственности за подобную практику не установлено.

Manan-jo tsy hametraka fitoriana ny tompon'ny “copyright”, nefa afaka mangataka ny hampiharana fanapahan-kevitra vonjy maika isaky ny dimy ambiny folo andro, ary tsy mametraka fepetra mikasika ny fihetsika sahala amin'izany ilay lalàna.

Na izany aza, misy andalàna iray mamela ireo mpampiasa aterineto hitory nohon'ny fahaverezana nihatra taminy tamin'ny fotoana nanatanterahany ilay fanapahan-kevitra vonjy maika, raha toa ilay mpitory ka tsy nahafeno ireo atontan-taratasy tao anatin'ny dimy ambiny folo andro, na koa tsy neken'ny tribonaly mpitsara ny fitorian'ilay tomponà “copyright”. Toy izao manaraka izao ilay lalàna [ru] :

Организация или гражданин, права и (или) законные интересы которых нарушены обеспечением имущественных интересов до предъявления иска, вправе требовать по своему выбору от заявителя возмещения убытков […], если заявителем в установленный судом срок не было подано исковое заявление по требованию […], или если вступившим в законную силу судебным актом арбитражного суда в иске отказано.

Ny fikambanana na olon-tsotra izay voahitsakitsaka ny zony sy (na) ny tombotsoany talohan'ny nametrahany fitarainana, dia manana zo hitaky ny hanonerana azy amin'ny zavatra very […], raha tsy mbola nahafeno ireo atontan-taratasy tao anatin'ny fotoana nolazaina izy ireo […], na nolavin'ny tribonaly mpanapa-kevitra ilay fangatahany.

Farany, nitaraina ny RAEC fa mahatonga fifangaroana ara-pitsarana ilay lalàna amin'ny fisian'ilay fehezan-dalàna manelanelana, ary mahatonga fifanolanana ara-pitsarana tsy mitombona sy tsy mahomby amin'ny alalan'ny fanerena ny andaniny rehetra, na aiza na aiza misy azy, hametraka fitoriana ao amin'ny Tribonalin'i Moscou.

Mitaky fanitsiana ireo Mpandray anjara

Mitaky ny fampihatoana tanteraka ny adiresy IP koa ilay lalàna miady amin'ny fijirihana, raha toa ka tsy tanteraka ilay fanapahan-kevitra vonjy maika. Tena mahagaga ny fanerena amin'ny fanakanana ny IP iray manontolo, indrindra fa fantatra fa io no mety hanimba ny vohikala nohon'ny fanaon'ireo mpijirika ny “copyright”, izay afaka manova ny lisitra maintin'ny IP mora foana amin'ny fanovàna ny tompony, manova ny adiresy IP, sy ny sisa sy ny sisa. Raha toa ireo mpamatsy aterneto sy ireo manam-pahaizana manokana ka nanakiana lava ilay fampihatona IP (izay tafiditra tanatin'ny lalàna Rosiana tamin'ny taon-dasa mikasika ny fanakanana ireo rakitra amin'ny aterineto izay tsy azo jeren'ny ankizy), na ny Roskomnadzor aza — sampandraharaha ao amin'ny governemanta miandraikitra ilay lisitra mainty — dia nanaiky vao tsy ela akory ny tsy fahombiazan'nyfanakanana IP tao amin'ny lahatsoratra [ru] iray tao amin'ny vohikalany vaovao natao ho an'ny daholo be, “WeCanTrust.net.”

Ny komitin'ny Duma misahana ny Kolontsaina ihany koa dia nanolotra fanovàn-dalàna mety hiseho amin'ny fanovàna manaraka atao amin'ny lalàna. Ahitàna fanitarana any amin'ireo fitaovam-pikarohana ny hevitra naroson'ilay komity ; ny fananganana lisitra mainty vaovao ho an'ireo vohikala ahitàna rakitra tsy manara-dalàna ; ary ny fampiharana ilay lalàna tsy amin'ny haino man-jery irery ihany, fa amin'ny “boky, lahatsoratra, sary sy rakitra voaaro hafa koa.

 

Omaly, 13 Jona 2013, Yandex dia nandefa [ru] tany amin'ny Duma ny lisitra ofisialiny [ru] ahitana ireo fanehoan-kevitra sy tolo-kevitra maro ny amin'ny tokony handinihana indray ilay lalàna iadiana amin'ny fijirihana, satria miverina mitodika amin'ny kaomity ny lalàna ho an'ny fanovàna maro kokoa, alohan'ny hamakian'ny parlemanta azy fanindroany sy fanintelony, izay mety hotanterahina amin'ny herinandro [ru]. Tao aminà lahatsoratra blaogy iray [ru] izay nanakiana mafy koa ilay lalàna, ny Talen'ny Google misahana ny Fifandraisana amin'ny Governemanta ao Rosia, Marina Zhunich, dia nanambara fa Google, koa, dia nandefa tany amin'ny Duma ny fangatahany hanesorana ny didy jadona rehetra hita ao amin'ilay lalàna.

Na ny Google na ny Yandex dia mangataka fanovana izay ahatonga ny SOPA rosiana hanakaiky kokoa ny Digital Millennium Copyright Act, lalàna Amerikana iray hafa, nekena tao amin'ny Atenimieran'i Etazonia ny taona 1998 ary nataon'ny filoha Bill Clinton ho lalàna. Mifanohitra tanteraka amin'ilay lalàna neken'ny Rosiana ankehitriny, ny DMCA dia manome vahana ireo mpamatsy Aterneto sy ireo mpanelanelana hafa izay tompon'ny “Copyright” amin'ny alalan'ilay lalàna hanitsy avy hatrany ny mpamatsy aterineto izay nanao ny fijirihana, ary tsy mampiasa ny fampihatoana avy hatrany na ny fanaovana lisitra mainty araky ny voalazan'ny fanjakana.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.