Fitadiavan-Daza Iraisampirenenan'i Rosia: Hitsifotra (Elefanta Fotsy) ?

Nikendry ny hikarakaran'ny fireneny hampiantrano Fampirantiana Manerantany 2020 ao Yekaterinburg tamin'ny herinandro lasa teo ny filohan'i Rosia Putin nandritra ny lahatsary fohy tao amin'ny tranonkala ofisialiny. Noho ny antsony tsy nohazavaina dia nataon'i Putin tamin'ny teny anglisy ny antsony ary tsy nasiana dika an-tsoratra miaraka aminy.

Maro amin'ny tontolon'ny bolongana Rosiana no tsy nahazoazo ny antson'ny filoha, satria nanamarika ny maro fa mamaky lahatsoratra amin'ny fitara-tsoratra fotsiny i Putin fa tsy nitadidy ny kabary [ru]. Bilaogera iray hafa kosa nitsikera ny lantom-peony [ru]:

Какой ужасный акцент у него на англ.

Oadray izany haratsin'ny lantom-peony amin'ny teny anglisy.

Sochi's Olympic Mascot, 21 February 2010, photo by Jennifer Jones, CC 2.0.

Biby famantaran'ny lalao olaimpikan'i Sochi, 21 Febroary 2010, saripikan'i Jennifer Jones, CC 2.0.

Ny hafa nananihany:

лет ми спик фром май харт. ин инглиш

Mamelà ahy hilaza ny ato am-poko. Amin'ny teny anglisy. (mariho fa teny anglisy ilay soratra sirilika eo ambony io)

Nalaza an-tserasera tokoa io fehezanteny eo ambony io rehefa nametraka ny fankatoavan'i Rosia momba ny Mondialy 2018 tamin'ny teny anglisy tena miroky dia miroky ny minisitry ny fanatanjahantena Vitaly Mutko.

Mandritra izany fotoana izany, misy ny antsipiriham-baovao hafa mivoaka momba ny fiakaran'ny vola lany amin'ny fananganana (fotodrafitrasa) sy ny kolikoly ao Sochi, toerana hanatanterahana ny Lalao Olaimpikan'ny Ririnina 2014. Namoaka tatitra momba ny kolikoly manodidina ny lalao mitondra ny lohateny hoe “Olaimpikan'ny Ririnina ambanimbanin'ny Trôpika: Kolikoly sy fihoara-Pahefana ao Sochi” ny mpitarika ny Mpanohitra antsoina hoe Boris Nemtsov [Hita ato ny dikantsoratra amin'ny teny anglisy]. Nampahatsiahivin'i Nemtsov amin'ny vahoaka ao amin'ny tatitra fa efa tafahoatra 50 miliara dolara ankehitriny ny tetibola hanatontosana ny Olaimpika.

Koa satria mitety biraom-pampahalalam-baovao i Nemtsov, dia niteny tao amin'ny tafatafa [ru] iray ny lehiben'ny Banky Fampandrosoana Rosiana (VEB) fa maro amin'ny findramam-bola natao ho amin'ny tetikasam-pananganana amin'ny Olaimpika no mety tsy ho tafaverina ka ho anjaran'ny vahoaka rosiana no mameno ny banga.

Bilaogeran'ny LiveJournal Andrei Malgin namoaka [ru] tantara [ru] mitovitovy amin'izany nitondra ny lohateny hoe, “Ny Ozon'ny Elefanta Fotsy.” Araka ny tantaram-bahoaka, nahazatra ny Mpanjakan'i Siam ny manolotra elefanta fotsy ho fanomezana ho an'ireo izay iriany ho rava fananana.

Белые слоны почитались как священные животные и не должны были работать, но стоимость содержания слона разоряла получателя такого подарка.

Hajaina ho biby masina tsy tokony hiasa ny elefanta fotsy, saingy mandany vola maharava fananana ho an'izay anolorana azy ho fanomezana ny fikarakarana elefanta.

nahasarika olona iray hilaza ny heviny izany:

А впереди ещё ЧМ-18. Уууу…

Ary mbola ho avy ny Mondialy 2018. Oooo…

Tsy mamelo-panantenana ihany koa ny fandrenesana momba ny tetibolan'ny mondialy 2018. Nilaza ny Minisitry ny Vola ao Rosia, Anton Siluanov, tamin'ny herinandro fa tsy afa-manasonia sheky tsy misy sora-bola hikarakarana mondialy i Rosia. Notononiny [en] tamin'izany ny Lalao Olainpikan-dririnina tontosaina any Sochi amin'ny herintaona ho fakana lesona hametrahana fetram-pandaniam-bola hikarakarana ny mondialy 2018.

The experience we have in other major events such as Sochi shows that there may be cost-increase issues for some events and proposals to add more items…. For this reason we think it will be reasonable today to make the decision that the sum of additional spending — 250 billion rubles — is final.

Ny traikefa azontsika amin'ny hetsika goavana tahaka ny ao Sochi no mampiseho fa misy ny fiakaran'ny fandaniam-bola hanaovana hetsika sasantsasany ary misy ny tolotra hafa hametrahana karazan-javatra maro…. Noho izany antony izany dia eritreretinay fa antonony amin'izao fotoana izao ny manapa-kevitra fa ny fitambaran'ny fandaniam-bola fanampiny – 250 miliara robla – no farany.

Raha nahazo ny fampiatranoana ny mondialy 2018 i Rosia tamin'ny Desambra 2010, dia nampanantena fanomezana ara-bola avy amin'ireo olombitsy (mpanakarembe) tahaka an'i Roman Abramovich (tompon'ny Chelsea Football Club) i Putin tamin'ny filazana [en] hoe : “Tsy manifikifika aho fa mety handray anjara amin'ny iray amin'ireo tetikasa ireo Atoa Abramovich…. Aleo izy mba haka kely ny ao am-paosiny. Tsy fifampiraharahana goavana io; tsy ho tsapany ny fiantraikany. Manambola izaitratra izy.”  Mbola tsy mazava aloha na efa nandoa i Abramovich na tsia.

Putin Mijoro ho toy ny Joker (mpananihany “mandrava lalao”, mijoro manaloka an'i Sochi, mandoro ny volan'ny lalao olaimpika rosiana. Sary nataon'i Petr Leycans, 13 Jona 2013.

Mahita zavatra hafa mampitanondrika kokoa ao ambadiky ny fitadiavan'i Putin laza iraisam-pirenena ny mpaneho hevitra Valery Tyukhtin:

России нужны не PR-акции мирового масштаба, а национальные проекты с реально полезными результатами: внедрение передовых технологий, строительство новых современных предприятий, улучшение ЖКХ и т. п. Но Путин, как какой-то диверсант, придумывает всё новые сверх затратные проекты, от которых не будет никакой пользы народу.

Tsy mila ireo tetikasa PR eo amin'ny sehatra manerantany izany i Rosia, fa mila tetikasam-pirenena ahitam-bokatra tena ilaina : fampidirana ny teknolojia lasa aloha, fananganana orinasa maoderina vaovao, fanatsarana ny fampiatranoana sy ny tolo-draharaha kaominaly, sns. Saingy i Putin, toy ireny mpigafy ireny, no tonga manakorontana amin'ireny tetikasa mandany vola fatratra ireny, izay tsy ahazoan'ny vahoaka tombontsoa akory.

Raha manohy ny politikany amin'ny fampiasana ny hetsika iraisampirenena i Putin hanehoana fa mendrika hanaovana fampiasam-bola i Rosia, ny mpandoa hetran'ny firenena kosa efa manomboka mahatsapa fa ry zareo ihany no handoa ny faktiora.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.