‘China Open Mic': Mijery Ny Fitombon'ny Dian-Tongotry Ny Fandrosoan'i Shina Ao Afrika

Nosamborin'ny Governemanta ao Ghana ireo Shinoa miisa eo amin'ny 169 eo, mpitrandraka harena an-kibon'ny tany tsy manara-dalàna, ny voalohan'ny volana Jona lasa teo, tafiditra anatin'ilay hetsi-pamoretana ireo mpitrandraka tsy manara-dalàna ao amin'ilay faritra faharoa mpamokatra volamena be indrindra aty Afrika izany. Navotsotra ireo mpitrandraka miisa 169 ireo taorian'ny fifampiresahana nisy teo amin'ny firenena roa tonta. Na dia teo aza izany, miisa 1 072 ireo Shinoa mpitrandraka volamena tao Ghana nalefa nody any amin'ny taniny taorian'ilay famoretana.

Ireny fisamborana sy famotsorana mpitrandraka volamena ireny no zary lasa foto-dresaka voalohany ho an'ilay fifaneraserana ao amin'ny Google an'ny China Open Mic  izay nokarakarain'ny China Open Mic ny Alahady 16 Jona 2013.

China Open Mic logo. Image source: chinaopenmic.com

Sary famantarana ny China Open Mic. Loharanon-tsary : chinaopenmic.com

China Open Mic (@ChinaOpenMic) dia vohikala misokatra malalaka mikendry ny hampahafantatra sy hanova ny fomba fisain'ny Shinoa rehetra eo anatrehan'ny fivoarana niomerika, ary koa hitrandrahana ny fomba hahazoan'ny rehetra tombotsoa amin'ny fandrosoana misy ao Shina. Manome fomba fijery misokatra sy feno ny amin'ny fizarazaran-kevitra mahakasika ny fivoaran'i Shina eo anatrehan'ireo filazam-baovao manerana tontolo izao.

Ho fanolorana ilay lohahevitra, Andy Shuai Liu, mpanorina sady mpanoratra ao amin'ny China Open Mic ary tompon'andraikitry ny Serasera ho an'ny fampandrosoana iraisam-pirenena, dia nanoratra hoe :

Nahatonga adihevitra be ny amin'ny fiakaran'ny taham-pisian'ireo Shinoa hita ao Afrika iny fisamborana sy famotsorana Shinoa mpitrandraka volamena* tao Ghana iny. Marobe ireo efa noresahana tany amin'ireo Filazam-baovao maneran-tany.  Maro be ihany koa ny resaka manodidina ireo olana toy ny fampiasam-bolan'ny Shinoa any amin'ny firenen-kafa sy ny asa ataon'ireo Shinoa ao Afrika.

Iray amin'ireo hevitra notrandrahana tamin'ny adihevitra ny hoe,  olana ve moa raha mainty na fotsy ny saka ? :

Raha itodihantsika ny tantara teo aloha kely teo, dia ho ampatsiahivina antsika fa i Deng Xiaoping, ilay mpitarika ny reformista tao Shina, dia tena namporisika ny fampandrosoana ara-toekarena tamin'ny fomba rehetra rehefa fony izy nanokatra ilay “Fanjakana Afovoany” ho an'izao tontolo izao ny taona 1979.

“Olana ve raha mainty na fotsy ny saka, rehefa mahasambotra voalavo izy dia izay,” hoy Deng.

Ankehitriny, miaina anaty tontolo izay somary hafa kokoa isika. Mbola afaka ny hiteny ihany ve hoe, “Aza miasa saina amin'ireo mpitrandrajka tsy manara-dalàna ireo, rehefa manome volamena ho antsika izy dia izay”?

Ity manaraka ity ny firaketana ilay resaka nakarina tao amin'ny YouTube :

Ahitàna ireo manam-pahaizana manokana momba ny fifandraisan'i Shina-Afrika ny mpandray fitenenana :

Jemila Abdulai (@jabdulai), mpanorina sady mpanoratra ao amin'ny Circumspect, blaogy iray mikasika an'i Ghana, Afrika sy ny Fampandrosoana

Shuang Bin (TBC), Manam-pahaizana amin'ny demokrasia sy ny Fitantanana niompana tamin'ny resaka fifandraisana Shina-Afrika

Hongxiang Huang, mpanao gazety iray tsy miankina ao amin'ny Southern Weekly sy ny Atlantic, mpanorina ny China-South Dialogue ary solo-tenan'ny mpandraharaha avy ao amin'ilay Orinasa Shinoa iray ao Kenya.

Merlin Linehan (@MerlinLinehan) (TBC), mpanorina ilay kabinetran'ny mpanolotsaina China in Africa ary manam-pahaizana amin'ny varotra sy fampiasam-bola ao Shina sy ireo tsena hafa vao mipongatra.

Winslow Robertson (@Winslow_R), mpahay tantara, manam-pahaizana mikasika ny fifandraisana Shina-Afrika, ary mpanorina ilay fikambanana Sino-Africa DC

Niatrika ireto fanontanina manaraka ireto ny mpandray fitenenana :

Inona ny fifandraisana ara-tantara misy eo amin'i Shina sy Ghana ?

Ahoana no ifandraisan'ireo mahantra ao Ghana sy ao Shina amin'ny firoboroboan'ny fifandirana mikasika ny  fitrandrahana volamena ?

Inona avy no fanamby iarahan'i Shina sy Ghana atao hiantohana ny  hisian'ny fampandrosoana mira-lenta sady hahafahan'ny roa tonta samy mahazo tombotsoa ?

Amin'ny ho avy, ahoana no hahafahan'i Shina, Afrika sy ny fianakaviambe iraisampirenena hiaraka hiasa mba hanamafisana ny tany tan-dalàna sy hampiroboroboana ny fahaiza-mitantana hahazoana vokatra betsaka avy amin'ny fandrosoana ?

Nofintinin'i Andy Shuai Liu, mpandrindra tao amin'ilay Vondrona, ao anatin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny zavatra azony:

1. Ahoana ny fandraisan'ny mponina ao an-toerana ny fisian'ny fitrandrahana tsy manara-dalàna sy ireo Shinoa mpitrandraka  ao Ghana ireo ?:

Jemila Abdulai : Tsy mba mampiasa vola amin'ny fiaraha-monina ao an-toerana izay miankina be tokoa amin'ny fitrandrahana volamena ireo mpandraharaha vahiny izay mahazo tombony amin'ny volamenan'i Ghana ireo, isan'izany i Shina

2. Ahoana kosa no famoahan'ny filazam-baovao Tandrefana ireny resaka ireny ? :

Winslow Robertson : Mizara roa eo amin'ny tatitra momba ny fampitàna ny zava-misy sy ny tatitra mety ho diso natavezina loatra momba ireo olana ny fandrakofam-baovao any Etazonia sy Eoropa


3. Ahoana ny fifandraisan'i Shina amin'i Ghana raha ara-tantara ?
:

Winslow Roberts : Io no iray tena hifandraisan'ny governemanta Shinoa sy ny governemanta Ghaniana amim-pirahalahiana indrindra ; kanefa afaka ny hifandray amin'ny sehatra maro ihany ny mponina ao Shina sy ny mponina ao Ghana .

4. Araky ny filazan'i Deng Xiaoping, ilay mpitarika ny reformista izay nanokatra an'i Shina ho amin'ny tsena ara-toekarena sy ny fampiasam-bola any ivelany tamin'ny taona 1979, “Maninona moa raha mainty na fotsy ny saka, rehefa mahasambotra voalavo izy dia izay.” Ary mbola zava-dehibe ve ny fahafantarana ankehitriny hoe saka inona no nahazo ilay voalavo ?

Hongxiang Huang : Eny, afaka ny samy hisambotra voalavo ny saka mainty sy ny saka fotsy. Kanefa rehefa mandeha ny fotoana, ny saka mainty, [ohatra]… dia mety tsy misambotra voalavo fotsiny ihany no ataony. Fa mety hanimba fanaka ihany koa… ary hiteraka olana hafa.

Jereo ato ny famintinana feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.