Hakaton'i Inde Ny Tolotra Fandefasana Telegrama Nandritra Ny 160 Taona

Nanambara ny orinasam-pifandraisana miankina amin'ny fanjakana ao Inde, Bharat Sanchar Nigam Limited (BSNL) fa hanapaka ilay tolotra fandefasany telegrama nandritra ny 160 taona.

Na dia mbola mahatratra an'arivony maro aza ireo telegrama alefa isanandro, niditra fatiantoka ny tolotra telegrafin'ny BSNL. Vao tamin'ny herintaona dia nahena ny saran'ireo telegrama mba hiatrehana ny fitotonganan'ny vola miditra, nefa tsy ampy izany.

Hifarana ny 15 Jolay 2013 io tolotra io, izay tolotra fandefasana telegrama farany indrindra midadasika mbola mandeha erak'izao tontolo izao.

Tamin'ny taona 1850 ny niandohan'ny tantaran'ny telegrama tao amin'io firenena io rehefa nalefa ny hafatra telegrama voalohany indrindra nifandraisan'i Calcutta (ankehitriny antsoina hoe Kolkata) sy Diamond Harbour izay eo amin'ny 50 km eo ny halavirany.

Nanoritsoritra ny endrika fialan'ain'io tolotra io ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Shivam VJ:

Rehefa nahatratra ny fara-tampony izy tamin'ny 1985, telegrama 60 tapitrisa avy amin'ireo birao 45.000 no nalefa tao anatin'ny taona iray tao Inde. Ankehitriny, birao 75 sisa no misy, fa miparitaka isak'ireo distrika 671 ao Inde amin'ny alalan'ny famelàna ireo orinasa hampiasa ny marikany. Ary raha 12.500 ireo mpiasa nokaramain'izany orinasa izany taloha, ankehitriny dia 998 sisa ireo mpiasa.

Indian Telegraph receipt dated somewhere around 1900-1904. Image from public domain via Wikimedia Commons.

Rosian'ny telegrafy Indiana tany amin'ny taona 1900-1904 tany ho any. Sary nalaina tany amin'ny sehatra ho an'ny dahholobe, avy amin'ny Wikimedia Commons.

Naminavina ny hoavy manjombon'ity orinasa ity ny mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Sidin Vadukut dimy taona lasa, tany Live Mint. Koa satria efa voasongon'ny teknolojia ny vaovao alefan'ireo telegrama, miatrika ny fahafatesany efa nampoizina io tolotra io amin'izao.

Maro ireo nampahatsiahy ny tantara feno harenan'ny telegrama tao anatin'ny media sosialy.

Nahatsiaro ireo fotoana namirapiratra ireo i Asha Perinchery tao anatin'ny bilaoginy:

Na tamin'ny fanambadiako tamin'ny 1983 aza, tadidiko ho tsy naharay afa-tsy telegrama aho avy amin'ireo tapaka sy namana izay tsy afaka nanatrika ilay lanonana nandefa firariantsoa ho ahy.

Nilaza i Michael tao amin'ny Mobile Marketing Watch fa namono tanteraka ny telegrama ny SMS sy ireo finday. Maherin'ny 900.000 ireo Indiana ankehitriny no manana finday ary 120 tapitrisa ireo mampiasa Aterineto.

Nanoratra ny orinasa fanaovan-gazety MXM India:

Nahita ny fanjavonan'ireo Ts samihafa ny fivoarana ara-teknolojia. Lasa voalohany tamin'izany ny antso “Trunk”. Nanaraka azy ny “telex” sy ny “telescripteurs” ary avy eo ny telegrafy.

Mbola maro ireo fihetseham-po hita tao amin'ny Twitter. Nanoratra ny mpampiasa Twitter @TeeKay_Inc:

@TeeKay_Inc: Fahataperanà vanim-potoana iray. Tapitra. Manary ny telegrama i Inde. Tapitra.

Nanohatra ny saran'ireo telegrama tamin'ny smartphones ny mpanao gazety ao amin'ny Hindustan Times, Madhavan Narayan (@madversity):

@madversity: Tamin'ny taona 1960/70, 10 roupia ny telegrama mirakitra teny roa avy any avaratr'i Inde mankany atsimo. Ankehitriny dia afaka mifandray mivantana amin'ny alalan'ny lahatsary isika, izay saika maimaim-poana.

Nanome voninahitra io tolotra io ny Teknolojista ManasRM (@ManasRM):

@ManasRM: Mandria Ampiadanana ry tolotra fandefasana telegraman'ny Paositra ao Inde – izay nizaka ireo vaovao mahafaly sy ratsy ho ahy nandritra ireo andron'ny fanomezana ny maripahaizako.

Hita eto ny endrik'ireo tolotra fandefasana telegrama eran-tany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.