Mifosa Ireo Politisiana Ao Zimbaboe Ao Amin'ny Facebook Ilay Tsy Mitonona Anarana'Baba Jukwa’

Tranga iray vaovao no noresahana tao amin'ny Facebook satria efa manakaiky ny fifidianana ao Zimbaboe. Tsy mitonona anarana iray mitondra ny famantaràna hoe Baba Jukwa (BJ) no lasa foto-dresaky ny mponina satria ireo Zimbaboeiana noana resa-politika dia nitsidika ny rindrina Facebook-“NY” hijery ny vaovao farany mikasika izay mitranga ao anatin'ny antoko politika Zimbabwe African National Union – Patriotic Front (ZANU-PF) an'ny filoha Robert Mugabe.

BJ, io moa no fiantso azy, dia voalaza fa lohandohany amin'ny mpikambana ao amin'ny ZANU-PF ary milaza ny tenany ho “Ray tompon'andraikitra, miady amin'ny fiangaràna sy mampifandray mivantana ny vondrom-piarahamonina amin'ny Mpitarika azy ireo, ny Governemanta, Ireo Parlemantera sy ireo Ministra” ary nifosa ilay antoko, narahan'ny hafalian'ireo mpanara-dia azy.

Nohahiahiana anefa fa hoe andianà olona avy amin'ny faritra maro manerana ny firenena izay mampakatra vaovao matetika i BJ, saingy na inona na inona zava-misy, BJ, izay manana Mpitia 144 104 ao amin'ny Facebook hatramin'ny fotoana nanoratanay ity lahatsoratra ity, dia tena nanova ho mandrakizay ny politika Zimbaboeiana sy ny nilàna ny filazam-baovao sosialy amin'ny adihevitra politika amin'izao fotoana hiatrehana ny ny fifidianana voalahatra hatao amin'ity taona ity.

Baba Jukwa's profile photo. Photo source: Baba Jukwa Facebook page.

Sarin'i Baba Jukwa. Loharanon-tsary: Pejy Facebook-n'i Baba Jukwa.

Ahitàna anarana na nomerao telefaonin'ireo politisiana ny ankamaroan'ny lahatsoratra nakàriny, mpiandraikitry ny fitsikilovana ary tomponandraikitry ny tafika. Tao anatin'ny iray amin'ny lahatsorany izy dia niresaka momba ny Kolikoly iarahanà orinasa Shinoa iray sy ireo tomponandraikitra ambony ao amin'ny biraon'ny filoha sy ny fanangonana zanatany.

Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta sy ny tanan-kavanan'ny Zanu ihany no mahazo tombony raha voalaza fa hanampy an'i Zimbaboe n maha-eo an'i Shina. Afaka zaraiko aminareo ve ity torohay ity; misy orinasa iray tantaninà lehilahy Shinoa iray antsoina hoe Tsao Xuecheng. Efa niasa nandritry ny 5 taona . Io ilay orinasa nametraka fanakadrihana “ascensceurs” vaovao tao Zanu pf vao haingana. Nahazo ny anjara volany koa i Shamu sy ireo tanan-kavanan'ny Zanu tamin'io fifanarahana io. Nokaramaina 250 000 dolara Amerikana io orinasa io ny 14 May hametraka CID HQ vaovao. Efa eny an-dalàna avy any Shina izao ireo fitaovana ireo. Miara-miasa amin'i Kasukuwere sy Neville Mutsvengwa avy ao amin'ilay biraon'ny fanangonana zanatany io Shinoa io.

Tao aminà lahatsoratra iray hafa, nolazainy tao ny anaran'ilay manam-pahaizana aminny teknolojian'ny fifandraisan-davitra, nofanina amin'ny fitsikilovana izay mody milaza ho mpiasa aminà orinasan-dalàmby:

Nampandrenesina ireo Lehibenà trano fanaovana fanatanjahan-tena ao Belgravia fa misy mpandraharaha mandany fotoana betsaka amin'ny toerana misy anareo tato ho ato. Manam-pahaizana manokana amin'ny Teknolojian'ny Fifandraisan-davitra ary miafina ao ambadiky ny hoe mpiasa aminà Orinasan-dalàmby. Olona tsara hofana amin'ny fitsongoana dia, ary tena faran'izay akaiky indrindra ny Praiministra Tsvangirai.

Notanisainy tao ny anaran'ireo olona tao ambadik'ilay raharaha nahatafiditra an'i Zimbaboe tamin'ilay Ady Faharoa Tao Congo :

Ry Zimbaboe, fantatrao ve fa ny antom-pisian'ny Miaramila Nasionaly avy ao Zimbaboe tamin'ilay adin'i RDC iny dia natosiky ny fanirian'i Mugabe, Mnangagwa ary ireo miaramila teo amin'ny fitondrana hahazo ny harena voajanaharin’ Congo ? Tao anatin'izy ireny i Robert Mhlanga, Miaramila Amiraly Lefitra taloha tao amin'ny Tafika an-Habakabaka ary ilay mpanamory ny angidimby manokan’ Ingahy Mugabe, izay nandeha nisotro ronono ary lasa Mpanefoefo taoriana kelin'iny fandehanana tany RDC iny. Io Jiolahim-boto antsoina hoe Robert Mhlanga io ihany koa no fanalahidin'ny fanjakana, nanao vavolombelona nahita maso tamin'ilay fitsaràna ilay famadihan-tanindrazana namelezana  an'Ingahy Filohan'ny MDC, Morgan Tsvangirai ny taona 2003.

Hoy izy mamaritra ny tetikady nomanin'ny Zanu PF hanodinkodinana ny fifidianana amin'ity taona ity :

Ireo rehetra mpanaraka ity pejy ity dia mety hahatadidy tsara fa herinandro maromaro lasa izay dia nampàkara lahatsoratra iray aho, hoe misy fizaràna ambaratonga telo ny fomba fiasan'ny tsikombakombanny Zanu Pf, ny firaketana anarana  sy ny fanaraha-maso , ny fampielezan-kevitra ary ny farany fifidianana sy fanisàm-bato.

Nolazaiko fa nohamarinin'ilay loharano iray, Amai Mujuru […] ny nambarako tao anatin'ilay dingana voalohany. Na izany aza, ny hafatro ho amin'ny androany dia ny hoe efa nanapa-kevitra ny handeha mafimafy kokoa ny Zanu Pf eo amin'ny paikadiny ho fanaovana hosoka, izay no izy, dingana 2, Ny Fampielezan-kevitra, izany no manosika ahy hitodika aminareo eto Zimbaboe mba tsy ho voafitak'ireo goaika antitra fetsy lahy ireo ianareo.

Voaresaka be tokoa ny fomba fiainany sy ny ampamoaka nataony. Ilay Zimbaboeiana mpanao fampihomehezana, Carl Joshua Ncube (@CarlJoshuaNcube) dia nanoratra hoe :

@CarlJoshuaNcube : nanontany ahy ireo namako tsy teratany Zimbaboeiana hoe iza izany Baba Jukwa izany ary hoy aho hoe “ny hany fantatro dia olona fotsy fohy kely izy ary mitondra tehina”

Namariparitra ny lazan'i BJ ilay Zimbaboeiana mpanao gazety, Mike Madoda (@mikemadoda), manao hoe :

@mikemadoda : Sahiko ny milaza fa tsara/ratsy laza (araky ny fironana misy anao) ireo naman'i Baba Jukwa miohatra amin'i Jonathan Moyo [Jonathan Moyo dia ilay Ministry ny Fampahalalam-baovao teo aloha nikorehan'ny rehetra ] fony tonga tamin'ny fara-tampon'ny lazany.

Ny Living Zimbabwe, vohikala filazam-baovao iray,  no nametra-panontaniana tamin'ny Zimbaboeiana tao amin'ny Facebook hoe:

Rehefa jerena ny votoatin'ilay zavatra zarain'i Baba Jukwa ho an'izao tontolo izao, heverinao ve fa hisy fiantraikany amin'ny tontolo politikan'i Zimbaboe izy (na izy ireo) ?

Noho izay tazana ho fahalalana tsy mampino avy ao anatiny ny ZANU-PF natolotr'i BJ, nanao fangatahana toy izao ilay mpampiasa Twitter Madzibaba Sir Revita (@AwkwardZimbo) :

@AwkwardZimbo : Tokony mba hanao zavatra iray ho antsika i Baba Jukwa ary hamoaka ny kaonty Instagram'i Bona Mugabe [Bona dia ilay zanaka vavin'ny Filoha Robert Mugabe ]

Olona iray tsy taitra ny amin'io Conor Walsh (@ConorMWalsh) no nanontany  hoe :

@ConorMWalsh : Moa tena mihevitra i Baba Jukwa fa hanova zavatra be toy ny nahafahan'i ZanuPF nanova ny tenany ihany ?

Nihanihany momba ny fiakaran'ny lazan'i BJ (@zbc_news) ny filazam-baovaom-panjakana tao an-toerana :

@zbc_news : Raha toa isika rehetra ka variana manisa ny isan'ny “Tiako” ao amin'ny pejy fb-n'i Baba Jukwa, dia efa toy ny manisa ny vato ho an'ny fifidianana ho avy sahady isika – Zanu PF.

Mushongera (@GMushongera) nihomehy tamin'ilay fanjakana mijoro :

@Mushongera : Miditra ao amin'ny Baba Jukwa avy hatrany tonga dia eto anoloan'ny Parlemanta. Tapanduka! [nitroatra izahay] — Africa Unity Square (kianja hoan'ny Firaisankinan'i Afrika) : toerana iray hidirana Aterineto  http://t.co/FBTcA8YnF6

Ary dia nihitatra ivelan'i Zimbaboe ny dindon'i BJ sy ny fahafantaran'ny olona azy. Ilay bilaogera Sir Nigel (@SirNige) nitatitra hoe:

@SirNige: @stanleykwenda : Ary dia nanangana marika lamaody Baba Jukwa & Mai Jukwa vaovao ireo zatovo lahy tao UK” //tena marina ?

Araky ny filazan'i Jeffrey Smith (@Smith_RFKennedy) nanomboka nampiasa bilaogy i BJ :

@Smith_RFKennedy: #Zimbabwe : Ilay mpikambana avy ao amin'ny ZANU-PF fanta-daza & miha fanta-bahoaka hatrany, nanome toky “tsiambaratelo miafina kokoa,” dia nanokatra vohikala vaovao :
http://zimbabwean-at-heart.com/ @BabaJukwa

Naneho ny heviny tao amin'ny Facebook i Eve Queeniie Parkes hoe nanao izay nahatonga ny politika tao Zimbaboe ho mahaliana kokoa i BJ :

MIAINGA AMIN'I MAKANDIWA SY ANGEL “Mpaminany” fanta-daza ao an-toerana] KA HATRAMIN'NY MAI SY BABA JUKWA ZIM LASA MAHALIANA KOKOA NY POLITIKA [sic] TSY MBOLA NISY TOY IZANY TANY ALOHA TENA LEO AN'IREO MPAMINANY SANDOKA IREO MARARY SAINA FANETRI-BEN'NY TANY….

Tena tsy aritry ny maro ilay fanohanana an'i BJ na ho an'ireo bilaogera tsy avy ao Zimbaboe aza, toa an'i Joel B. Pollak izay mihevitra fa tokony efa niparitaka be ny hevitr'i BJ raha ohatra ka betsaka ny olona afaka niditra Aterineto tao amin'io firenena io :

Raha mba mihoatra ny 1 amin'ny 6 monja ireo mponina ao Zimbaboe manana fahafahana miditra Aterineto, dia mety ho afaka mitondra fiovàna misimisy kokoa.

Jero ny pejy Facebook-n'i BJ raha te hahafantatra izay zava-mitranga any ambadiky ny sehatra politika ao Zimbaboe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.