Nankalaza Ny Faha-50 Taonany Ny Vondrona Afrikanina

Nankalaza ny faha-50 taona niorenany ny Vondrona Afrikanina (UA), fikambanana lehibe indrindra itambaran'ny firenena Afrika tamin'ny 25 hatramin'ny 27 mey 2013 lasa teo tao amin'ny foibeny ao Addis-Abeba, ao Éthiopia, niteraka adihevitra teo amin'ireo Afrikanina manerana ny kaontinanta ny zava-bita sy ny fahombiazan'ny vondrona.

[Amin'ny teny anglisy ny rohy raha tsy misy filazana manokana] Firasaimben'ny Firenena Afrikanina (OUA) no nanombohan'ny vondron'ny Afrikanina (UA), izay niorina tamin'ny 25 mey 1963, ary nahitana mpikambana 32. Na dia voatsikera amin'ny tsy fahaizany mampihatra fanapahan-kevitra aza ny vondrona, dia nandray andraikitra lehibe tamin'ny fampitsaharana ny fanjakazakan'ny mpanjanaka tao amin'ireo firenen'ny kaontinanta tamin'ny alalan'ny fanampiany ireo vondrona mpikomy.

Rehefa nosoloina hoe Vondrona Afrikanina ny Firasaimben'ny Firenena Afrikanina (OUA) tamin'ny taona 2001, niverina  indray ireo tsikera marobe – fa tsy manana fahefana feno hiady amin'ny fahantrana sy ireo ady mampahory ny kaontinanta ny Vondrona. Ahitana Firenena mpikambana 54 ankehitriny ny UA.

(Fango) logo

Nisy ny adihevitra antserasera teo amin'ireo Afrikanina nanaraka akaiky ny fankalazana ary koa teo amin'ireo olo-manan-kaja, fiarahamonim-pirenena sy tanora tonga nanatrika ny fankalazana. Niresaka momba ireo fanamby natrehan'ny UA sy ireo fahombiazana azony ny adihevitra.

Nanadihady momba ny fahombiazan'ny UA i Webster Madanhi tao amin'ny bilaogy Freedom Trapped (Fahafahana Nogejaina):

Ho an'ireo Afrikanina maro, ny fahombiazana lehibe indrindra vitan'ny vondrona tao anatin'izay 50 nisiany izay dia ny fahaizany mitàna ny toerany ihany (izany hoe ny mbola maha-eo azy). Raha misy olona mihevitra fa masiaka loatra ny fijeriko, fantaro fa mbola mila “visa” ny Afrikanina – izay lafo dia lafo matetika ary handaniana fotoana maro – vao afaka mitsidika firenena Afrikanina hafa.

Nandritra ny fivoriana nifanaovan'ny taranaka (andiany) samihafa mifandray tamin'ny ankizy sy ny tanora, izay anisan'ny nankalazaina nandritra ity fankalazana ny faha-50 taona ity, nitsipaka ny soso-kevitra fampiasana pasipaoro iombonana ho an'ireo Afrikanina ny filoha zambiana Michael Sata satria mety hitarika karazan-keloka eo amin'ny kaontinanta izany hoy izy.

Afrikanina maro no nampiasa Twitter niresahana momba ireo fahombiazana sy ireo fanambin'ny vondrona Afrikanina.

Mpianatra sady mpankafy maka sary, Abdul Sharif (@Africathinker) nanontany mikasika izany pasipaoro iombonan'ny Afrikanina izany:

@Africathinker: Saintsaino hoe manana pasipaoro sy vola Afrikanina tokana? #AUat50 #Africaday #Panafricanism

Nilaza i Sunny Bindra (@sunnysunwords), mpanoratra, mpanao famelabelaran-kevitra sady mpampianatra fa manana dikany maro ny hoe panafrikanisma ankoatra ny fihaonana fanaovana fivoriana:

@sunnysunwords#PanAfricanism # Tsy fikarakarana kaonferansa ihany ny Panafrikanisma, fa midika hoe fihenan'ny sakana, fitomboan'ny fifanakalozana fahalalana, renivola ary vokatra.

Nolavin'i Abdi Hakim (@Abdihakim) ny filazana fa tsy nahavita na inona na inona ny UA:

@Abdihakim: Filazana diso ny hoe tsy nahavitra na inona na inona ny @AUC_DPA. Jereo i Somalia fa tafarina. Rehareha #panafricanism

Na dia izany aza, ny hafa tahaka ilay mpanolo-kevitra ara-bola Ngarawa Gichumbi Sam  (@GichumbiSam) dia nitsikera an'ny UA

@GichumbiSam: Amiko, ny UA no solontena afaka hanova endrika an'i Afrika ao amin'ny panafrikanisma, saingy diso toerana ireo izay manao fihaonana ankehitriny ao Addis-Abeba raha hametraka [ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenenala] ao anatin'ny fandaharam-potoana.

Nilatsaka izany sioka izany andro vitsy taorian'ny fiampangan'ireo filoha Afrikanina izany Fitsarana izany izay mikendry azy ireo manokana :

@IamEtiks: Ampangain'ireo filohan'ny UA ho manavakavaka ara-pirazanana ny #ICC

Nangataka tamin'ny CPI ireo filoha Afrikanina mba hanaisotra ny fiampangana noho ny heloka atao amin'ny olombelona hanenjehana ireo filoha ao Kenya. Nolavin'ny Filohan'ny CPI Sang-Hyun Song [fr] ny filazana fa manao ho lasibatra ireo filoha Afrikanina ny fitsarana.

Michelle Rosentall, bilaogera monina ao Etazonia, nandefa lahatsary nandritra ny fankalazana araka ny fangatahan'ny vondrona Afrikanina :

Lahatsary: http://vimeo.com/66976507

Dingana lehibe “hahafahan'i Afrika ho amin'ny fihavaozany sy ny fametrahana vina sy andraikitra ho amin'ny taona 2063,” ny panafrikanisma sy ny fihavaozan'ny Afrikanina hoy ny UA talohan'ny fankalazana.

Ny fotoana ihany no hilaza amintsika raha hahavita hampandroso ny mahairay, ny firaisankina sy ny fiarahamiasa eo amin'ireo Firenena Afrikanina ny Vondrona Afrikanina mba hanatratrarana izany hoe fiainana tsaratsara kokoa ho an'ireo mponina Afrikanina.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.