Nilaozam-bady i Putin & Tapa-tsinay ny RuNet

Vondron'olona telo avy ao amin'ny TV Russia 24 mijaridina anatinà lalantsara babangoanan'ny Kremlin, ilay mpitati-baovao miakanjo mainty nivanaka—izany no mpanatrika voalohany ny fanambaran'i [ru] Vladimi Putin ny Alakamisy 6 Jona 2013, fa nisaraka izy sy ny vadiny Lyudmila. Nialoha ity fanambarana goavana ity ny fandefasana ny ampahan'ilay fandihizana Esmeralda talohan'ny vaovao anaty TV, izay natrehan'ireto mpifankatia, sy ilay fandokafana malazolazo nataon'i Putin an'ilay fampisehoana —“fampisehoana tena tsara, tena manan-talenta”—i Lyudmila kosa nitsiky tsy ravo teo anilany, sahiran-tsaina manilika ny zava-mitambesatra aminy.

Nahatonga resabe io fanambarana io rehefa nitsofoka tanatin'ny tontolon'ny aterineto Rosiana, na dia nitovy tamin'ny fahatairan'i Italia tamin'ny fangalaram-pitian'i Berlusconi teo amoron'ny rano filomanosana nandritra ny volana vitsy farany nitondrany aza ny fahatairan'ireo mpitoraka bilaogy momba ity raharaha ity. Na dia voatana ho tsiambaratelo tsara aza ny fiainana manokan'i Putin, nandeha ny tsaho nandritra ny taona maro fa misedra olana ara-panambadiana ireto mpifankatia roa ireto, ary nalefa hiaina an-jatony miles lavitra i Lyudmilla (hitazona akanin-jazavavy, tsy latsaka izay), ary i Putin kosa nanana olon-tiana hafa nanintona azy tetsy andaniny. Hita tanatin'izany tsaho izany i Alina Kabaeva, ilay gymnaste nahazo medaly volamena tamin'ny Olaimpika lasa solombavambahoaka ao amin'ny Douma, izay antsasaky ny taonan'i Putin, nefa rehefa nisy tabloïd tao Môskoa nanadihady izany voalaza ho fiarahana izany tamin'ny 2008, tonga dia voakatom-bava avy hatrany.

“Fisarahana Amin'ny Endriny Putin,” maka tahaka ilay sarimihetsika Amerikana mahatsikaiky sy mampihetsim-po tamin'ny 2006 , “The Break-Up”. Miparitaka ao anaty Aterineto io sary tsy fanta-tompo io.

Miverina an-tsain'ny maro indray izao ny anaran'i Kabaeva. Nanolotra [ru] ny teny ofisialin'ny Kremlin ny mpitondra tenin'i Putin, Dmitri Peskov, raha niresaka tamin'ny fanaovan-gazety Rosiana LiveNews, “Tsy zava-miafina izany ary mahafantatra ny rehetra fa efa hatramin'ny ela i [Putin] no nanolo-tena ho an'ny firenena—na mieboebo aza ny fahenoana izany.”

Izay novalian'ny Fake_MIDRF, ilay kaonty Twitter maka tahaka ny an'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana :

И мы точно знаем, как страна выглядит в купальнике, и сколько у неё олимпийских медалей!

Ary fantatsika mazava ny endrik'ity firenena ity anatinà akanjo fitondra milomano sy ny isan'ny medaly Olaimpika azon-dramatoa io !

Ilay mpitoraka bilaogy sady mpanamboatra lahatsary fakàn-tahaka mampihomehy naneso hoe:

Людмила впервые заподозрила измену, когда нашла в кармане мужа хулахуп.

Nanomboka nihiahy fampirafesana voalohany i Lyudmila rehefa nahita hoola-hoop tao anatin'ny paosin'ny vadiny izy.

Tsy misy fampahalalana nivoaka hanohana ireo vinavina ireo, nefa misy zavatra iray kosa azo antoka: efa misedra fahasahiranana sahady biraon'ny Kremlin mpifandray amin'ny fanaovan-gazety amin'ny fanandratana ny endrik'i Putin ho mpitondra manokan-tena ho amin'ny hasin'ny fianakaviana—endrika iankinan'ny firaisany mafy amin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana. Angamba fambara ho an'ny zavatra hitranga, fa nanoratra am-pânesoana i Alexey Navalny (izay mikasa hifaninana amin'ny fifidianana ben'ny tanana ao Môskoa ary manonofy ny toeran'ny filoham-pirenena) :

Главой предвыборного штаба Владимира Путина стала Алина Кабаева.

Lasa lehiben'ny fampielezan-kevitr'i Vladimir Putin i Alina Kabaeva.

Miaraka amin'ireo esoeso mahazo an'i Vladimir Putin, mahaliana ny fahitana ny fitserana azon'ilay vadin'ny filoham-pirenena taloha (tsy ho ela) avy amin'ireo mpampiasa aterineto, raha tsikaritra fa efa zatra mitanty tifitra ato anaty Aterineto ireo manodidina an'i Putin. Ho an'ilay mafana fo momba ny tontolo iainana, Yevgenia Chirikova, bitika dia bitika ny faharatsiam-bitan'ny Lyudmila Putina raha oharina amin'ny an'ny Rosiana manontolo:

Странно что все так удивляются на развод Путина. Разве кто-то сомневался в недостатке любви и способности к компромиссам?

Hafahafa ny mahita ny olona gaga amin'ilay fisarahan'i Putin. Tena nisy olona nisalasala tokoa amin'ity tsy fahampiam-pitiavana sy fahaizany mampidi-kizo ity ve?

Vesti's unfortunate media mashup. Screenshot distributed widely online. 6 June 2013.

Fampifangaroana sarin'ny media mahonenan'ny Vesti. Nozarazaraina manerana ny aterineto manontolo io sary io. 6 Jona 2013.

Nisy sary iray nozaraina tao anaty aterineto (jereo etsy ambony) naneho fampifandraisana sary roa: Atoa sy Rtoa Putin nandritra ny fanadihadiana azy ireo taorian'ilay fandihizana, ny eo anilany kosa dia sarinà mpitandro filaminana ao amin'ny FSB nisambotra olona. Nanoratra i Fake_MIDRF :

Судя по сайту Вести.Ру, Людмилу после развода арестовала ФСБ

Raha raisina araka ny vohikalan'ny Vesti.ru, taorian'ilay fisarahana, nosamborin'ny FSB i Lyudmila.

Mahery ny iray ireo mpanaraka no nanonofinofy manodidina ity toe-javatra ity: nanao sonia ny fisaraham-panambadiany i Lyudmila, mitsangana manohitra ny vadiny, na mety mihitsy aza —nofy ka nofy—lasa manatevina laharana ny mpanohitra. Nanoratra tao amin'ny Twitter ilay mpitoraka bilaogy Dmitry Puchkov (fanta-daza amin'ireo dikan-tenin'ny horonantsariny “goblin” ),  on Twitter:

В келье Людмилы Путиной идут обыски. Главное, чтобы Людмила теперь не вышла за Навального.

Karohina ny efitra misy an'i Lyudmila Putina ao amin'ny monastera. Amin'izao, enga tsy hanambady an'i Navalny anie i Lyudmila.

Anatin'io fotokevitra io ihany, nivazivazy ilay mpampiasa Twitter, Mitya Aleshkovsky, izay naneho faniriana ankolaka:

Людмила Путина эмигрирует из России вместе с Гарри Каспаровым

Miala an'i Rosia miaraka amin'i Garry Kasparov i Lyudmila Putina.

Antony iray hafa voaresaka koa ny vinavina momba ny fangatahan-dRtoa Putina ny harem-be manokan'ny Filoham-pirenena. Ny lalàna Rosiana dia mametraka fa antsasaky ny harena nangonina tao anatin'ny fanambadiana no an'ny vehivavy—izay, raha ampivadiana amin'ny endrik'i Putin ao anaty aterineto ho toy ny filohan'ireo “mpisoloky sy mpandroba,” dia nampiakatra ny masirasira eo aminy. Nisy namerina nitoraka bitsika maherin'ny 1.050 ilay lahatsoratra maneso avy amin'ny KermlinRussia:

Владимир Путин разводится. По закону его жене Людмиле перейдет в собственность половина страны.

misaraka i Vladimir Putin sy ny vadiny. Araka ny lalàna, mifindra mankany amin'i Lyudmila ny antsasaky ny fananam-pirenena.

Raha tsy jerena ireo vazivazy ratsy, nisy fanekena niraisana na dia kely aza fa, aorian'ny fiatoana kely mandritra ny fotoana fohy hanamarihana ny fahalasanan'ny vadin'ny filoha, hiverina amin'ny asany andavanandro indray ny Kremlin. Naneho ny tsy hafaliany i Ilya Yashin anatina bitsika iray izay manamarika ny fahafaham-pon'i Lyudmila ny amin'ny fanaovana io fisarahana io ho “fisarahan'ny olo-mandroso”:

Вот бы он еще со страной “цивилизованно развелся”. А то пока в основном битье посуды, скандалы и рукоприкладство.

Maniry ny hisarahany amin'ny firenena iray manontolo amin'ny fomban'ny “olo-mandroso” ihany koa aho. Nefa eo anilan'izay dia ny lovia vaky, ireo toe-javatra maha-afa-baraka, sy ny zava-misy no hita matetika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.