Fianakavian'Ireo Voasambotra Tsy Ara-dalàna Maro, Manao Hetsi-panoherana Avy Any An-Tranony

Sarin'ireo havan-tsy foiny voafonja, nahantona teny ivelan'ny tranon'izy ireo, ho fampahatsiahivana ny tsirairay ny fitarainany sy hanamarihana ny Andro Faharoa Ho An'ireo Voafonja ny Zoma 07 Jona, ny fihetsiketsehana iray nomanin'ireo Fikambanana Mpisolovava tsy mitonona anarana @e3teqal sy @almonaseron hanoherana ny fisamborana tsy manara-dalàna atao any amin'ny fitondram-panjaka Saodiana.

Loharanom-baovao avy amin'ny Mpiaro Zon'Olombelona Tsy miankina no nilaza fa efa maherin'ny 30 000 ireo voafonja tsy ara-dàlana [ar], maro amin'izy ireo no voasambotra tao anatin'ilay fisamborana faobe taorian'ny “Ady 9/11 manohitra ny fampihorohorona” ”. Tsy nisy didy fampisamborana akory nisamborana ireo voafonja ireo ary tsy mba nahazo mpisolovava na niakatra fitsarana akory. Satria voarara mafy ny fanaovana fihetsiketsehana ao Arabia Saodita ka dia mety hitarika ny fitazonana am-ponja volana maromaro an'ireo mpandray anjara raha toa ka tratra manao izany izy ireo, izany no nanome vahana ny karazam-panoherana imasom-bahoaka tao an-toerana.

Ny 25 may 2013 no Andro Voalohany Ho An'Ireo Voafonja izay andro nizaràna trakta mangingina hiantsoana ny olona hiaraka hanafoana ny fisamborana tsy manara-dalàna. Fanampin'izany, fianakaviana maro no nifidy ny hanantona ny sary lehibe an'ireo voafonja eny amin'ny trano fonenany avy, fihetsika izay nanaitra ireo fianakaviana hafa ka nanaovan'izy ireo ny toy izany koa tamin'ny Andro faharoa.

Photo of human rights activist Houd al-Aqeel displayed on his house. via @khawlah20

Sarin'i Houd al-Aqeel, mafàna fo mpiaro zon'olombelona, nahantona teo amin'ny tranony. Avy amin'i @khawlah20

Vao maraimbe, vehivavy telo no voalaza fa voasambotra [ar] tamin'ny fikasan'izy ireo hametaka sorabaventy fanoherana tao Riyadh renivohitr'i Arabia Saodita. Notanàna am-ponja 18 ora izy ireo ary navotsotra avy eo [ar]. Ny fianakavian'ilay Filohan'ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Sivily sy Politika, Suliman al-Rashoudi, izay voatana am-ponja efa tany amin’ny volana Desambra, dia mba nanantona ny sarin'io havany io teo amin'ny tranon'izy ireo koa, miaraka amin'ny sorabaventy milaza hoe ” Avoahy i Suliman al-Rashoudi, Reformista sady mpisolovava .”

Ny tanànan'i Buraydah ao Arabia Saodita ihany koa dia nahitàna fandraisan'anjara niavaka teo amin'ny tantara. Betsaka ireo sorabaventy nahantona teny amin'ireo tetezana. Ary maro ireo trano nandray anjara tamin'ny fanantonana sary.

Nohodidinin'ny polisy ireo trano maro nahitàna ny sarin'ireo voafonja nihantona, tanatin'izany ny tranon'ilay mafàna fo amin'ny Fiarovana ny Zon'olombelona Houd al-Aqeel (sary eo an-kavanana). Voalaza ihany koa fa nosamborin'izy ireo [ar] ny rahalahin'ny voafonja iray mba hanerena ny havany hanàla io sary io.

Tetsy ankilan'izay, trakta maro no nozaraina ho fiantsoana ny olona hanatsahatra ny fisamborana tsy manara-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.