Sakanan'i Arabia Saodita Ny Rindrambaiko Viber Fandefasana Hafatra Eo Noho Eo

Araka ilay fandrahonan'ny Saodiana hanakana ny rindrambaiko fifandraisana mirakitra isa (fanafenana hafatra) raha tsy avela hanara-maso ny governemanta, voasakana ilay rindrambaiko fandefasana hafatra eo noho eo ny 5 Jona 2013. Tsy afaka hidirana intsony ny vohikala ary tsy mety mifandray amin'ny aterineto ilay rindrambaiko.

Io fanakanana io dia natao taorian'ny fe-potoana napetraky ny Kômision'ny Fifandraisana sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao Saodiana. Hatramin'izay, farafahakeliny orinasam-pifandraisana iray no tratra niezaka hamaha ilay fomba fanafenana mba ho fampiharana ny fampanarahan-dàlanan'ny governemanta. Nanonona ny Skype sy ny Whatapps ho mpandika io fampanarahan-dalàna io ihany koa ilay fandrahonana teo aloha.

Maro no niampanga io fanapahan-kevitra io ao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana.

Nitoraka bitsika ilay mpisolovava momba ny Zon'olombelona, Abulaziz al-Hussan [ar]:

إذا حجب الإنسان فكل شيء بعده تبعاً …!

@AHussan: Raha voasakana ny olombelona, hanaraka ny hafa rehetra.

Nihevitra ny mpitoraka bilaogy Essam al-Zamil fa fanandramana fotsiny izany:

يبدو أن هيئة الاتصالات (والداخلية) اختارت البرنامج الأقل انتشارا (فايبر) لمعرفة ردة فعل الناس تجاه الحجب.

@essamz: Raha ny tsikaritra, nisafidy ny vohikala tsy malaza indrindra ny Kômision'ny Fifandraisana (sy ny [Minisitry] ny Atitany) mba hitsapàna ny fihetseham-pon'ny vahoaka manoloana ilay fanakanana.

Nanome tsiny ireo orinasam-pifandraisana noho ny fandraisan'izy ireo anjara anatin'ilay fanakanana kosa ny hafa:

بإمكان تكونوا صريحين مع المُتلقي وتقولون أن السبب هو ماتتكبده شركات الإتصالات من خسائر فادحة جراء تواجد هذه البرامج!

@mo3tem: Afaka mitsotra amin'ny vahoaka ianareo ary milaza fa ny antony dia ny faty antoka goavan'ireo orinasam-pifandraisana noho ireo rindrambaiko ireo.

Nanomana lisitranà rindrambaiko tsy voasakana (hatreto) ho solony ny vohikala momba ny teknolojia iray malaza, ny Technology World:

بعد إيقاف تطبيق فايبر، هنا مجموعة من البدائل

techwd: Aorian'ilay fanakanana ny Viber blockage, ito misy lisitranà rindrambaiko hafa azo ampiasaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.