Tiorkia: Fifandimbiasam-baovao Ara-tsosialy Mikasika Ny Fibodoana An'i Gezi

Niseho voalohany tao amin'ny bilaogin'ny mpanoratra, Azadolu ity lahatsoratra ity

Ny 10 Aprily 2013, tenifototra iray tao amin'ny tontolon'ny bitsika no nanambara ny #ayagakalk (izay hadika hoe “mitsangàna”). Antso avy aminà vondrona kelin'ireo mahery fò izay miezaka miaro ny kianja Gezi ao Taksim, manohitra ireo drafitra fanorenana tranombarotra goavana- eo amin'ilay faritra. Tsy nisy nihevitra io trangan-javatra kely io hivadika ho fanoherana goavana tao anatin'ny tantara repoblikanan'ny firenena. Ao anatin'ny tenin'ilay mpampiasa Twitter, Ezgi Medran, izay niezaka nanangona sonia ny 10 Aprily ho an'ilay hetsi-panoherana voalohany izay noeritreretina hatao ny 13 Aprily [tr]:

@egedenizz Taksim Gezi Parkı'nı kurtarmak için, imzalarınızı bekliyoruz! http://taksimicinayagakalk.com/ #ayagakalk@ayagakalktaksim aracılığıyla

Mila ny sonianareo izahay hiarovana ny kianja Gezi ao Taksim!

Toy ny fety no nanombohan'ny fanoherana, izay natao ny 13 Aprily. Nanoratra ilay mahery fò mpiaro Tontolo Iainana Barış Gençer Baykan:

@yesilgundem Taksim Gezi Parkı'na binlerce kişi sahip çıkıyor #ayagakalk@ayagakalktaksimpic.twitter.com/X6dek5HvnG

An'arivony ireo olona miaro ny Kianja Gezi ao Taksim.

Thousands gather at Taksim's Gezi Park. Photograph shared on Twitter by @yesilgundem

An'arivony no nivondrona tao amin'ny Kianja Gezi tao Taksim. Sary nozarain'i @yesilgundem tao amin'ny Twitter

Tsy nisy tahirin-tsary mikasika ireo fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanohitra tamin'io fotoana io. Ny 27 May, fihetsiketsehana iray hafa koa no nitsangana, mitovy tanjona tamin'ny teo. Tamin'ity indray mitoraka ity, mahery fò vitsivitsy no nibodo ny kianja Gezi hijoro hanohitra ireo mpiasa amin'ilay fanorenana. Ny Media sosialy 140journs no nizara sary iray ahitàna ireo mahery fò miaraka amin'ireto teny ireto:

@140journs Taksim Gezi Parkında dün gece başlatılan yıkım çalışmalarına karşın geceden itibaren nöbet tutuluyor. #ayagakalkpic.twitter.com/1ZVUpkgxkX

Nisy ireo niari-tory nandritra ny alina teo amin'ny Kianja Gezi tao Taksim na teo aza ny asa fandravana

Protesters camping in Gezi Park. Photo credit: @140journos

Ireo mpanohitra milasy eo amin'ny Kianja Gezi any Taksim. Sary : @140journos

Nanomboka tsy voafehy ny raharaha  taorian'ireo tranga roa izay niparitaka be tao amin'ny media sosialy. Ny voalohany dia ny sarin'ilay vehivavy mpanohitra tsy mitàm-piadiana notafihan'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny fampiasana entona mandatsa-dranomaso, nalain'i Osman Orsal, mpaka sary avy amin'ny Reuters. Taty aoriana, tanaty fanafihana vao maraim-be, nodoran'ny mpitandro ny filaminana ny tranolain'ireo mahery fò. Voarakitra ao amin'ny YouTube io tranga io.

Ny tenifototra malaza navadika ho #direngeziparki (Manohera ao @ Kianja Gezi), izay narahan'ny tohana goavana nataon'ireo mpanohitra. Memet Ali Alabora, mpisehatra Tiorka iray, dia tao an-kianja sady iray tamin'ireo olo-malaza voalohany nanatevina laharana tamim-pahavitrihana ilay hetsi-panoherana. Hoy izy ao amin'ny kaontiny Twitter :

@memetalialabora Mesele sadece Gezi Parkı değil arkadaş, sen hâlâ anlamadın mı? Hadi gel. #direngeziparkı

Tsy mikasika ny Kianja Gezi fotsiny ity, ry namako, mbola tsy azonao foana ve? Ndao, tongava aty.

Nanomboka nanao ny fanafihany an'ireo mpanohitra tamin'ny entona mandatsa-dranomaso sy ny tifitra rano ny mpitandro ny filaminana.  Tafahoatra loatra raha ny entona mandatsa-dranomaso nampiasaina. Nilaza ireo mpitazana fa ny vatan'ireo mpanohitra mihtsy no kendren'ny mpitandro ny filaminana rehefa mitifitra an'ilay kapoaka misy entona mandatsa-dranomaso izy ireo.  Alper Orakci,  mpampiasa Twitter,  no nizara ireo kapoakan'entona mandatsa-dranomaso marobe tao Istiklal Caddesi, ilay arabe migodana indrindra ao amin'ny Kianja Taksim:

@alperorakci Gaz bombasi kapsulleri!!! pic.twitter.com/pEmVk9ZBcY

Kapoakan'entona mandatsa-dranomaso!

Excessive amounts of tear gas was used to disperse the protesters. Photograph shared on Twitter by @alperorakci

Tafahoatra loatra ireo entona mandatsa-drnomaso nampiasaina hanaparitahana ireo mpano hetsi-panoherana. Sary nozarain'i  @alperorakci tao amin'ny Twitter.

Osman Orsal, mpaka sarin'ny Reuters izay naka sary ilay vehivavy mpanohitra iray niankanjo mena namantarana ny hetsika, dia naratran'ny kapoakan'entona mandatsa-dranomaso iray. Benjamin Harvey, lehiben'ny birao Bloomberg Turkey, nanoratra hoe:

@BenjaminHarvey Osman Orsal, mpaka sary. Sary nalaiko tany Istanbul omaly io: http://bit.ly/11GaGa1  Inty izy ankehitriny: pic.twitter.com/8aU1vRZGjX

Osman Orsal naratran'ny fonona entona mandatsa-dranomaso. Loharano: pic.twitter.com/8aU1vRZGiX

Tao amin'ny Facebook sy Twitter ny mpanao hetsi-panoherana no nifandamina, satria tsy nampihetsi-bolomaso ireo media mahazatra mihitsy ireo fihetsiketsehana. Nisy ireo fanehoankevitra tao amin'ny media sosialy manohitra ny ataon'ireo fantsom-pifandraisan'ny media mahazatra. Faruk erman, mpampiasa Twitter,no nizara sary iray maneho ny fahanginan'ny media Tiorka:

@farukerman şu anda tv kanalları pic.twitter.com/DsfhVnz0CZ

Amin'izao fotoana izao indrindra ao amin'ny ny fantsona TV

Ireo fantsona TV nandritra ny fotoana nisian'ny fifandonana. Loharano: pic.twitter.com/DsfhVnz0CZ

Niakatr'afo i Benjamin Harvey tamin'ny fandefasan'ny CNN-Turk tahirin-kevitra iray mikasika ireo pingouins nandritra ny fotoana nisian'ny fifandonana:

@BenjaminHarvey Mba marina mafy kosa e, resaka pingouins izao no alefan'ny CNN-Turk

Ireo mpomba ny AKP (Antokon'ny Fampandrosoana sy ny Fahamarinana ), antoko eo amin'ny fitondrana ao Tiorkia, dia nanakiana mafy an'ireo mpanao fihetsiketsehna noho ilay fifandonana. Naneho hevitra teo ambanin'ny tenifototra n'ny#oyunagelmeturkiyem (“aza kivy, Tiorka”) izy ireo tao amin'ny Twitter.  Canan Kumas, mpampiasa Twitter, dia nanoratra hoe:

@Canan_Hasret Tayyip tsy nanao n'inona n'inona afa-tsy izay hanampiana ny tanindrazana hisondrotra nandritra ny taona maro lasa ary ankehitriny ry zareo ireto te-hanongana azy amin'izay resaka kianja iray #oyunagelmetuerkiyem

Nanbohitra ireo fampitahana an'i Tiorkia amin'ny Lohataona Arabo, mpampiasa iray hafa, Bunyamin Hakimoglu no niteny hoe :

@Benj_Kobsch Aza mieritreritra lohataona aty Tiorkia izany. Voafidy tamin'ny fifidianana demokratika ny governemanta. Mba tongava saina amin'ny faha-samihafana! #OyunaGelmeTürkiyem

Etsy andaniny, nisy koa ireo tsikera teo amin'ny samy mpanohana ihany koa. Ohatra, i Ertugrul Gunay loholona avy amin'ny AKP  sady minisitry ny kolotsaina sy fizahan-tany teo aloha dia tezitra noho ny haromontana ara-politikan'ny antokony natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana:

@ErtugrulGunayFethin yıldönümünde Istanbul'da AVM yapmak için 75yıllık ağaçları kesmeye kalkanlar, ne Fatih Sultan'ı anlamışlar, ne de Yaradan'ın emrini!

Ireo olona izay mikasa ny hikapa ireo hazo antitra 75 taona mandritra ny tsingerintaonan'ny nahazoana an'i Istanbul mba hananganana toeram-panorenana ara-barotra iray dia tsy afahahatakatra ny baikon'ny Sultan Fatih na ny didin'Andriamanitra!

Na dia mbola mitohy hatrany aza ny fanoherana sy ny fifandonana manerana ny firenena, ny Praiminisitra Erdogan toa tsy mihevitra ny hihemotra akory. Niteny izy tao amin'ny kaontiny Twitter hoe:

@RT_ErdoganMuhalefetin 100 bin kişi topladığı yerde biz 1 milyon kişi toplarız ama bizim böyle bir derdimiz yok.

Afaka mitondra vahoaka iray tapitrisa izahay, raha toa ny mpanohitra mitondra vahoaka an'aliny eny, saingy tsy ao anatin'izany karazan-draharaha izany izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.