#SafeCityPledge: Nijoro Hiaro Ny Vehivavy Aty Anaty Aterineto Ny Indiana

Nisy fanentanana tao amin'ny Twitter nanondraka ireo tambajotra sosialy Indiana niaraka tamin'ny fanomezan-toky avy amin'ny tsirairay fa hiady amin'ny fanolanana sy ny fanabantiana vehivavy.

Vokatr'ilay fanolanan-jazavavy an-kerisetra sy tambabe tanaty fiara fitateram-bahoaka tany Dheli, dia nanasa  ny mpampiasa aterineto ny Tetikasa Blank Noise tarihan'ny vondrom-piarahamonina mpanao taokanto nandritra ny tweetathon 24 ora tamin'ny 19 Janoary 2013 mba hampiseho ho hitam-bahoaka ny fanoloran-tena miaraka amin'ny hevi-baovao hanaovana tanàna azo antoka ho an'ny vehivavy.

Anton-dresaka tany India ny fanentanana #SafeCityPledge tamin'io andro io, ary efa nitosaka hatry ny ela ireo bitsika, ny sasany mampiseho ireo sarinà mpampiasa aterineto mitondra ny soratra milaza ny fanoloran-tenany.

” Mijoro hiaro ireo zoko aho, na dia ao anatin'ny tranga mampatahotra aza,” izany no vakin'ny soratra tazoninà vehivavy iray tany Calcutta.

” Hitondra tena ho lehilahy aho fa tsy ho tahaka ny biby,” izay kosa no vakin'ny soratra sasany, izay tazoninà lehilahy iray hodidinin'ny lehilahy namany.

Sady nampifangaroina no nofintinin'i P Bharat ao amin'ny Shakhti, bilaogy iray ho an'ny zon'ny vehivavy, ny sasany amin'ireo hevitra sy ireo fahavononana nozaraina no tsy mankasitraka ny kolontsaina manandratra ny rafi-pitondran-dehilahy sy ny fanamelohana ny niharam-boina, ankoatry ny zavatra hafa :

* “Tsy ho mpitazam-potsiny aho fa hihetsika ka hanova ny sehatra.”
* ” Tsy azo ekena ny tia jerijery. Mitsikia dia any an-kafa mijery. Mbà ataovy izay tsy hanahirana ny hafa.”
* ” Tohanako ny namako raha ohatra ka mahatsiaro fa henjehan'ny lehilahy, tsy avelako hampitahotra vehivavy ny lehilahy na aiza na aiza misy ahy.”
* “Aza mifidy ireo antoko misy mpanolana sy manamarina azy ireny ao anatiny”
* “Hijoro hampitsahatra ny fanabantiana vehivavy aho ary hanokatra ny fifanakalozan-kevitra momba ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ao an-trano.”

Submission from Miranda House, Delhi. Image courtesy Bank Noise Blog. CC BY-NC-SA 2.5

Fahavononana avy any an-tranon'i Miranda, Delhi. Sary nampindramin'ny Bilaogy  Blank Noise. CC BY-NC-SA 2.5

Araha-maso akaiky ny fanolanana vehivavy sy ireo ankizivavy any India hatramin'ny nisian'ilay fanolanana tambabe tamin'ny Desambra 2012 ka nahafaty ilay ankizivavy noho ny ratra nahazo azy, sy ireo tranga mitovy amin'izany tamin'ity taona ity. Namoaka lalàna vaovao  misy sazy henjana ny governemanta manoloana ny hatezeran'ny olona, ao anatin'izany ny fanamelohana ho faty ho an'ireo mpanolana .

Niha-nahazo vahana ilay hetsika miady amin'ny fanolanana sy ny fanabantiana vehivavy ao amin'ny aterineto na any ivelan'ny aterineto noho ny fihanak'ilay zava-niseho teny anivon'ny vahoaka. Misy hetsika iray antsoina hoe Safecity any India, manara-maso ny herisetra atao eny an-dàlana amin'ny alàlan'ny tatitra omen'ny olona. Manazava io tatitra io fa mbola olana mamay any India ny herisetra atao eny an-dalàna.

Nisy hetsi-panoherana an-dalàm-be maro sy famoriam-bahaka maro hafa nokarakaraina tany GoaBangaloreDelhiPune, ary Kolkata ary nampiasàna ny haino aman-jery sosialy nanasongadina ny hanomezana tanàna  azo antoka ho an'ny vehivavy .

Nanoratra mikasika ny fanehoan-kery iray tahaka izany tany Mumbai tao amin'ny Facebook i Anu Elizabeth Roche, mpiasa an-tsitrapo ao amin'ny Fondation tsy mitady vola Akanksha:

Lehilahy sy vehivavy maro – antitra sy tanora- no nilanja ny sorabaventiny sy teny fanevany izay milaza fa hijoro hampiroborobo ny ady amin'ny fanolanana, ny fihetsika manambany vehivavy ary niresaka amin'ny ankapobeny ny fitakian'izy ireo indray ny toerany eny amin'ireo faritra natao ho an'ny daholobe.

 

#safecitypledge Delhi. Image courtesy Blank Noise blog. CC BY-NC-SA 2.5

#safecitypledge Delhi. Sary nampindramin'ny Bilaogy Blank Noise. CC BY-NC-SA 2.5

Nikarakara fifanakalozan-kevitra tao amin'ny Cambridge School ao Delhi, ny #SafeCityPledge, vao haingana, izay nandraisan'ny mpianatra 600 anjara,  14 ka hatramin'ny 17 taona.

Tsaroan'ny mpitoraka bilaogy Sahar Zainab ny traikefany teo am-pamakiana ireo bitsika tao amin'ny #SafeCityPledge miaraka amin'ny fifangaroan'ny fanantenana sy ny zava-misy henjana :

Tiako manokana ilay sarim-behivavy avy amin'i Lucknow, voahodidina dupatta ( fehiloha fitondran'ny vehivavy Indiana) ny lohany ary milaza hoe : ‘humein baahar aane jaane par kisi ki rokk-tokk manzur nahi’ (tsy ekenay ny fanaraha-maso ataon'ny hafa amin'ny fivezivezenay ivelan'ny trano)!

Fa ny marina dia mbola misy fizarazaràna (lehibe) amin'ireo vehivavy, ny zazavavy, hatramin'ireo ankizivavy any ambanivohitra, any amin'ireo tanàna kely sy tanàna lehibe, eny fa hatramin'ny tanàn-dehibe aza, izay tsy mbola manana izany fahasahiana izany.

Jereo any amin'ny bilaoginyTwitter, ary Facebook- ndry zareo ny fanentanana #SafeCityPledge.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.