Lasa 3D Ny Taokanton'ny Kafe Any Japana

Any amin'ny tany izay ny dite maitso no mbola be mpifidy indrindra, maka ny fon'ny olona mandritra ny fotoana fiaraha-misotro kaopy iray ny kafe 3D.

Maromaro amin'ireo mpitia kafe any Japana, voasinton'ireo sary malaza amin'ny media sosialy izay maneho ny asa famoronana kafe fisotro misy hero-dronono, no mitaky mba ho kafe natao avy amin'izany kanto avo lenta sy tokana izany no aroso azy ireo.

Tsy vahiny amin'ny kafe intsony i Japana. Ny Fikambanana Mpanao Kafe Rehetra any Japana dia nitatitra fa fahatelo i Japana amin'ireo firenena mpanafatra kafe raha ny lafiny fitambaramben'ny fanjifàna no resahana.

Ny taona 2010,  Haruna Murayama any Japana no tompon-daka eran-tany tamin'ny Taokanton'ny Kafe misy Hero-dronono .

Efa malaza manerana ity firenena nosy ity raha ny taokanton'ny herotra manify. Ny fitadiavana ny “latte art” [ja] ao amin'ny Twitter dia ahitàna sarinà herotra maromaro miavaka, miendrika sarina fò, ravinkazo, ours be volony, mpisehatra amina sarimiaina malaza, ary na dia ny sary famantarana amin'ny Aterineto aza.

Ny milina fitsinjarana mandeha tsy baikoana ao amin'ny Seranan'i Haneda, seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Tokyo, aza dia manolotra cappuccino [ja] manana endrika vehivavy Japonezy, natao sary sy novokoarin'ilay orinasa mpanao kojakojan'endrika amam-bika Yojiya, fanta-daza any Kyoto.

Ny mpampiasa YouTube, Nowtoo Sugi, dia nampakatra ity lahatsary manaraka ity manazava ny fomba nanaovany sarinà mpisehatra taminà kafe misy hero-dronono miaraka amin'ny ranona sokolà:

Fahatratrarana haavo vaovao

Saingy natosiky ny baristas io famoronana mifototra amin'ny kafe io ho aminà taokanto sary sikotra 3D manana haavo vaovao ambonimbony kokoa.

3D latte art by twitter user @george_10g: a cat is looking at golden fish. Image captured on twitter

Taokanto 3D misy hero-dronono avy amin'ny mpampiasa Twitter @george_10g: “saka iray eo ampijerena trondro mena”.

 

Kazuki Yamamoto (@george_10g), mpanjakan'ny taokanton'ny hero-dronono izay mampakatra ny taokantony ao amin'ny Twitter, no nanoratra tamin'ny bilaoginy fa miasa amin'ny tranonà Belza mpanamboatra labiera iray any Osaka izy. Nantsoiny hoe “spare time cappuccino” [暇カプチーノ] (cappucino ho an'ny fotoana fialan-tsasatra), ny taokanton'ny kafe misy hero-dronono ataony, famoronana iray handresena ny sorisory na fandanian'andro, mazava loatra fa ilàna ezaka goavana sy asa amim-pitiavana. Nandefa fampahatsiahivana tao amin'ny Twitter mikasika ireo taokanton'ny kafe misy hero-dronono maro izay nataony:

@george_10g:最近気づいた怖いこと。去年から始めて1000杯くらい描いているけど作品も描いた時期も飲んだ人も覚えてる。

@george_10g:nanomboka nanao ny kisarin'ny kafe misy heron-dronono aho ny taona 2011 ary nanao sary sy nandroso kaopy eo ho eo amin'ny 1.000 ny taona 2012 saingy mbola tadidiko hoe oviana ary ahoana no nanaovako sary azy ary iza no nandrosoako azy. Somary mampiahotra ilay izy.

Ny mpampiasa Twitter, @petakopetako, namaly [ja] ny fandokafany sy nanindrahindra ny traikefany :

@petakopetako: じょーじさんこんにちは。私は人物写真を撮るのが好きですが人の顔を覚えるのは超苦手です。が、写真を撮らせてもらうと場所や会話がすぐに思い出せます。思い入れがあるからでしょうかね。

@petakopetako: Tia maka sary aho. Raha ny tena izy, tsy dia haiko ny mitadidy ny endrik'olona, saingy vao maka sary azy ireo indray mandeha aho, dia tadidiko hoe taiza izay ary inona no noresahany. Angamba  mahatadidy zavatra tsara kokoa ny olona rehefa eo ampanaovana ny zavatra mahasondriana azy

Ny fiantraikan'ny media sosialy

Any Japana ireo tomponà trano Fisotroana kafe sy baristas dia nampakatra sary mikasika ny tsiambaratelony, ivelan'ny lisitra 3D-n'ny taokanton'ny kafe amin-dronono ho ao amin'ny media sosialy. Ireo sary ireo dia nandehandeha be teny rehetra teny ary taty aoriana nahasarika ny sain'ireo mpampiely vaovao tao an-toerana sy ireo gazetiboky.

Nahasarika mpanjifa vaovao maro ho aminà trano fivarotana kafe ny dokam-barotra ka mahatonga ny tompony hitolona mafy mba haharaka ny onjany. Ny tompona Trano Fisotroana Kafe “Cafe Bar Jihan” any amin'ny faritr'i Shizuoka dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy [ja] momba ny fiantraikan'ny Facebook :

お客様のリクエストがきっかけで始めた3Dラテアート。 お遊びのつもりでfecebookにアップしたその日、物凄い数の『いいね!』とシェアにビックリしました。
その拡散がきっかけで取材の問い合わせが幾つかありました。 中でも東京のTVメディアからの出演依頼には戸惑いました。(*^_^*)

Nanomboka nandroso ny taokanto 3D-n'ny kafe misy hero-dronono aho taorian'ny nangatahan'ilay mpanjifa efa tranainy be ato amiko ny mba hanavako izany. Nandefa ny sary tao amin'ny pejin'ny Facebook aho mba ho fahafinaretana fotsiny, avy eo aho talanjona nahita ireo olona zavon-tany izay tia an'ilay sary. Avy tamin'io fiparitahana sary betsaka io, media marobe mpamoaka vaovao no nanontany ahy fa te hiresaka mikasika ny trano fisotroana kafe-nay ry zareo. Somary sahirankirana kely aho raha nangatahana hiseho tamin'ny fahitalavitra tao Tokyo!

facebook photo by caffe.bar.jihan. A cat is taking a bath in espresso coffee

Sary avy amin'ny Facebook-n'ny caffe.bar.jihan. Saka iray mandro ao anaty ranona kafe espresso.

Nanoratra [ja] koa izy:

このニャン子は、作るのにとっても時間が掛かりますので混雑時はお受け出来ないのが目下の悩みです。
平日の18時からでしたら比較的にお時間が取れると思いますので、どうしても3Dラテアートを…というお客様はこの時間帯のリクエストをお願いいたします。

Mandany fotoana be ity taokanton'ny kafe amin-dronono ity ka mahatonga ahy tsy ho afaka mandray famandrihana hafa intsony rehefa tototra be ny ao amin'ny trano fisotroana kafe-nay. Sahirana mihintsy aho mitady izay fomba hataoko mikasika io toe-javatra io. Soa ny trano fisotroana kafe fa mba miadana kokoa aorian'ny amin'ny 6ora hariva mandritra andro fiasàna, noho izany raha tonga ianao noho ny taokanton'ny kafe amin-dronono 3D fotsiny, azafady tongava manodidina ireo fotoana ireo.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Ayako Yokota. Namoaka ny lahatsorany i Keiko Tanaka ary L. Finch kosa nanao sous-titrage.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.