Nibitsika Mikasika Ny Adihevitry Ny Parlemanta Mikasika Ny Fanambadiana Ny Praiminisitr'i Kroasia Teo Aloha

Nanapa-kevitra ny hibitsika ao amin'ny kaontiny Twitter ny Talata hariva teo i Jadranka Kosor, Praiminisitra Kroaty teo aloha sady solombavambahoaka ao amin'ny parlemantan'i Kroasia ankehitriny mba haneho ny tsy fahafaliany mikasika ny adihevitra ataon'ny Parlemanta amin'izao fotoana. Ny Parlemanta Kroaty, ankoatra irao olana hafa, dia niady hevitra mikasika ny famaritana ny fanambadiana tokony ho ampidirina ao anaty lalàm-panorenan'ny firenena. Tahaka ireo firenena Eoropeana maro hafa, ny fanambadian'ireo mitovy fananahana dia lohahevitra mivaivay eo amin'ny fiaraha-monina katolika Kroaty koa tato ho ato. Mpampiasa Twitter sy Facebook maro no nampifandrohy ny bitsik'i Ramatoa Jadranka Kosor ny harivan'iny tamin'ny maha-ratsy ny fiarahan'ny mitovy fananahana, saingy hita fa ohatran'ny manana eritreritra hafa i Ramatoa Kosor ao an-tsainy ao.

Ny 28 May nanodidina ny tamin'ny 6 ora hariva, nibitsika i Jadranka Kosor [hr]:

Kako bi bilo da u Ustav ugradimo zabranu političarima (osobito demokršćanima) da imaju ljubavnice? Onima koji su u braku, jasno.

Ahoana ny hevitrareo raha atsangantsika ny fandraràna ireo mpanao politika ao anaty Lalàm-panorenana (indrindra indrindra mikasika ireo demokraty kristiana) tsy ho afaka haka vadikely? Ho an'ireo izay efa manambady mazava ho azy.

Jadranka Kosor. Photo by Roberta F., Wikimedia Commons, CC BY-SA 3.0

Jadranka Kosor. Sarin'i Roberta F., Wikimedia Commons, CC BY-SA 3.0

Ramatoa Kosor taty aoriana kely dia nanao fanambaràna [hr] tao amin'ny tranonkala Kroaty mpilaza vaovao Dnevnik, nanamafy fa azy mihintsy ilay bitsika sady nanazava fa naneho fotsiny ny “eritreriny izy tamin'ny fotoana izay niadian-kevitra mikasika ireo fanovàna hatao amin'ny lalàm-panorenana, nefa manana olana goavana sy tena manan-danja ny Fitondrana.”

Niteraka kely fanohanana sy sahotaka ihany tetsy andaniny ny bitsika nalefany tao  Twitter .

Twitter user @Nena_Nic said [hr]:….. Nilaza [hr] ny mpanao Twitter @Nena_Nic fa:

@_jadranka_kosor opa jadranka,pravo u centar

@_jadranka_kosor Ao tsara izany ry jadranka, tonga dia anaty masony

Miaraka aminà famerenana nibitsika in-50 tao anatin'ny enina ora, maro tao amin'ny Twitter no niombon-kevitra tamin'ny fanambaran'i Kosor, eny fa na dia ireo tsy mifampizara ny firehana politikany tamin'ny lasa aza, toa an'i @hajdarovicm [hr]:

@_Jadranka_Kosor Ne vjerujem sam sebi da cu ovo napisati, ali bravo zastupnice Kosor!

@_Jadranka_Kosor Na izaho tenako aza tsy mino izay nosoratako, saingy deraina ny solombavambahoaka Kosor !

Niteny [hr] i @Implantologia_ mpampiasa Twitter:

@_Jadranka_Kosor pa kad već predlažu blesave izmjene ustava idemo do kraja, stvarno svaka čast na izjavi…………:)

@_Jadranka_Kosor tsara, satria efa namolavola sahady ireo fanovàna henjana hatao ny lalàm-panorenana ry zareo andao isika hiroso hatrany, tena marina, tolorana ny fanajàna rehetra ho an'ity fanambaràna ity 🙂

Tsy tena nanaraka ary nanontany izay antony manosika an”i Ramatoa Kosor sy ireo faniriany ny sasany. Nanisy feo mikasika ny fihetseham-pòn'ireo mpampiasa sasany [hr] i @anikahahn [hr]:

@_Jadranka_Kosor Vaša ogorcenost sto nemozete biti vise nikome ljubavnica nije dovoljan razlog da mijenjate zakon ili ? Zar se ne sijecate

@_Jadranka_Kosor Ny alahelonao satria tsy afaka ho sipan'olonkafa intsony ianao dia tsy ampy hanovàna lalàna sa? Tsy tadidinao ve

Nametra-panontaniana [hr] ny mpampiasa Twitter @Jela911 hoe [hr]:

@_Jadranka_Kosor Gospođo Kosor, zašto Vama smeta to što će u Ustavu brak biti određen kao zajednica jednog muškarca i jedne žene?

@_Jadranka_Kosor Ramatoa Kosor, Nahoana no tsy manahirana anareo ny famaritana ny fanambadiana ao anaty lalàmpanorenana ho fikambanan'ny lahy iray  sy vavy iray e?

Farany, misy koa ireo izay tahaka ny mahatakatra tsara izay tian'i Ramatoa Kosor ambara mikasika ny eritreriny raha nanoratra ity bitsika ity izy, ary nanontany tena ry zareo raha vao nitranga ny lohahevitra hafa, toy ny fiainana ara-toekarena ankehitriny izay iadian-kevitra ao amin'ny Parlemanta. @CountessBezuhov manontany hoe [hr]:

@_Jadranka_Kosor Kako bi bilo da se gradjani i političari u Hrvatskoj počnu baviti ekonmskim pitanjima, umjesto što se bave brakovima?

@_Jadranka_Kosor Ahoana ny mikasika ireo olon-tsotra sy ireo mpanao politika any Kroasia manomboka miasa mikasika ny olana ara-toekarena, fa tsy tokony hiasa saina mikasika ny fanambadiana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.