Amazona Breziliana : Mitolona Haharaka Ny Onjan'ny Fitombon'ny Mponina Ao Amin'ny Toby Famokarana Herinaratra

Vidas em Trânsito (Fiainana an-tselika) [pt] no lohateny niandohan'ity tantara nosoratan'i Ana Aranha ity ary isan'ny fanadihadiana manokan'ny antokon-draharaha fanaovan-gazety mpanao fanadihadiana Breziliana Pública #AmazôniaPública (Public Amazon),izay mitatitra ny fiantraikan'ilay tetikasa fanorenana lehibe manamorona ny reniranon'i Madeira ao amin'ny fanjakan'i Rondônia any Brezila. Hatao in-dimy mamoaka ato amin'ny Global Voices Online ity tantara ity.

Ny Lahatsoratra voalohany: Brezila :Fampanantenana Poakaty Nahatezitra ny Amazoniana Manamorona ny Rio Madeira
Ny lahatsoratra manaraka: Bresila : Nesorin'ny Toby Famokarana Herinaratra Fa Niverina Eny Amoron-Drano Ny Mponina

Tamin'ny lahatsoratra voalohany tamin'ity andiany ity dia hitantsika ny fiantraikan'ny fanorenana toby famokarana herinaratra Jirau tany Madeira, Rondônia, tanànan'ny mpanjono Breziliana any Jaci Paraná. Mifamatotra avy hatrany ny fitroaram-bahoaka sy ny korontana ara-tsosialy amin'iny faritra iny.

Mba hahafahana manao tetikasa goavam-be toy ny toby famokarana herinaratra ahodin-drano ao Jirau- izay tombanana ho 15 lavitrisa  reais Breziliana ( 7.5 lavitrisa dolara Amerikana eo ho eo)- dia tsy maintsy  mampiasa vola amin'ireo asa sosialy ny orinasa. Ho famaliana ireo hataka izay tsy mitsaha-mitombo dia mihevitra ny hananganana fotodrafitr'asa ilain'ny vahoaka toy ny sekoly, sampan-draharaha misahana ny fahasalamana, ary tobin'ny mpitandro filaminana izy ireo. Antsoina hoe : “asa fanampiana ara-tsosialy” ireo.

Mitovy ihany ny andraikitry ny tohodranon'i Jirau sy ny toby famokarana herinaratra ao amin'ny ranon'i Santo Antonio [en], tohodrano naorina eo amin'ny reniranon'i Madeira ihany koa. Ny maha-samy hafa azy fotsiny dia manintona olona bebe kokoa ho any Porto Velho, renivohitry ny fanjakana federaly, sy ireo faritra ao aminy ny tohodranon'i Santo Antônio. Nanery ny mponina amoron-drano izay zatra niaina tamin'ny faritra mando hifindra toerana ny tohodranon'i Santo Antônio ao amin'ny tanànan'i Jaci Paraná. Amin'io lafiny iray io dia, na manangana trano any amin'ny faritra hafa, na manome onitra ny mponina ny tobim-pamokarana herinaratra.

Mba hiatrehana ny fitombon'ny mponina any amin'ny faritry ny tohodranon'i Jirau, ny tanànan'i Jaci Paraná dia tokony handray 20 tapitrisa reais (manodidina ny 10 tapitrisa dolara Amerikana) fara-faha keliny avy amin'ny Energia Sustentável do Brasil [en]- orinasa miandraikitra ny tohodranon'i Jirau, izay manana ny orinasa marorantsana Frantsay GDP Suez ho isan'ny mpiray antoka lehibe ao aminy. Nampanantenaina fa hananganana sekoly, sampan-draharaha misahana ny fahasalamana, sampan-draharahan'ny mpitandro filaminanan'ny tontolo iainana, rafitra fanangonana, fanadiovana ary fizarana rano fisotro ary fanamboaran-dàlana rarivato io vola io.

Famílias de pescadores de Jaci vivem sem infraestrutura entre os trilhos da antiga estrada de ferro Madeira-Mamoré Foto: Marcelo Min

Fianakaviana mpanjono any Jaci Paraná miaina tsy misy fotodrafitr'asa eo anelanelan'ny lalam-by  Madeira-Mamoré taloha. Sary: Marcelo Min

Tokony ho vita mialoha ny fahatongavan'ireo mpiasa an'arivony ireo fotodrafitr'asa ireo. Saingy, raha manao ambony ampanga  ireo mpiasa ireo mba hanafainganana ny asa fanorenana tohodrano izay tokony efa hiasa ny fiandohan'ny taona 2013, dia zara raha tontosa manontolo ny “asa fanampiana ara-tsosialy”. Làlana rarivato efatra kilaometatra, lakan-drano, ary fanamboarana sekoly roa, ireo no natolotry ny orin'asa ny vahoakan'i Jaci Paraná.  Namatsy ara-bola ny fanentanana vonjimaika momba ny ady amin'ny tazomoka sy ady amin'ny fanolanan-jaza tsy ampy taona ihany koa izy ireo.

Mbola lavitry ny zavatra angatahana ireo asa ireo hoy i Angela Fortes, mpanolotsaina mpiahy ny tanànan'i Porto Velho, kaominina miandraikitra ny fitantànana ny tànanan'i Jaci Paraná :

Quando as usinas foram anunciadas, prometeram novas escolas e hospitais. Criaram aquela expectativa no povo. Depois que as usinas chegaram, temos escolas com salas lotadas e centenas de crianças sem matrícula.

Rehefa nolazaina ny fananganana ny tohodrano, dia nampanantena  sekoly sy toeram-pitsaboana vaovao ry zareo. Navangongon-dry zareo izay zavatra nantenain'ny vahoaka. Amin'izao fotoana izao efa eto ny asa fanorenana,  mihoatra amin'ny tokony ho izy ny isan'ny mpianatra ao amin'ny efitrano fianarana ary an-jatony ireo mpianatra tsy mbola voasoratra.

Niakatra ho 4.000 avy any amin'ny 1.500 ny isany fangatahana fisoratana anarana vaovao hidirana an-tsekoly ao amin'ny tanànan'i Porto Velho teo anelanelan'ny taona 2007 sy 2008. Vinavinain'i Angela fa manodidina ny 100 no tsy voasoratra anarana any Jaci sy ireo tanàna hafa sasany.

Ny governemantan'ny fanjakana federalin'i Rondônia sy ny Lapan'ny tanànan'i Porto Velho no tompon'andraikitra amin'ny ampahany amin'ireo fahataran'ny fandrotsahana ny vola. Araka ny fifanarahana natao sonia niaraka tamin'ny orinasa dia ry zareo no tompon'andraikitra manondro izay fomba handaminana ny fampiasam-bola momba izay ilain'ny vahoaka. Ny Lapan'ny tanànan'i Porto Velho no nitantana ny 65 tapitrisa reais ( 32 tapitrisa dolara Amerikana) ho an'ny tanànan'i Santo Antônio ary ny 91 tapitrisa reais (45 tapitrisa dolara Amerikana) ho an'i Jirau. Teo an-tànan'ny Governoran'ny fanjakana kosa ny 75 tapitrisa reais (37 tapitrisa dolara Amerikana) ho an'i Santo Antônio sy 67 tapitrisa reais (33 tapitrisa dolara Amerikana) ho an'i Jirau.

Na izany aza, tsy ataon'ny Lapan'ny tanànan'i Porto Velho ankehitriny ho loha-laharana ny hamaly ireo zavatra nateraky ny fanorenana ny tohodrano. Nolazain'i Pedro Beber, mpitantsoratry ny Lapan'ny tanàna, filohan'ny Fitànana An-tsoratra Amin'ny Fandaharan'asa manokana, izay tompon'andraikitry ny fitantànana ireo vola ireo, hoe: “Tsy nankasitraka mihitsy ny fanaganana sekoly vaovao any Jaci aho. Nangataka foana ry zareo ary tsy nanaiky mihitsy aho.”

Os trabalhadores estão indo embora, e ficaríamos com um elefante branco.

Nandao (ny tanàna ) ireo mpiasa ary hitoetra miaraka aminà elefanta fotsy isika.

Hamafisin'i Beber fa tsaratsara kokoa ho an'ny tanànan'i Jaci ny miandry ny hisindàn'ny safotofoto aloha ary mifantoka amin'ny fananganana ho an'ireo olona izay hijanona eo amin'io tanàna io rehefa vita ny tohodrano. Ataony ambanin-javatra ireo mpianatra tsy mbola voasoratra anarana tamin'ny 2011 :

Em um ou dois anos, tudo vai se acomodar

Hiverina amin'ny ara-dalàna ny zava-drehetra ao anatin'ny iray na roa taona

Ny ivon-toerana Breziliana ho an'ny Tontolo Iainana sy ny Harena Voajanahary azo Havaozina  (IBAMA) no fikambanana misahana ny fanaraha-maso ny drafitra manontolo. Azon'io fikambanana io atao ny mampiantona ny fahazahoan-dàlana ho an'ny dingana vaovao manaraka amin'ny asa raha toa ka tsy voahaja ilay fifanarahana vatsian'ny orinasa vola. Nefa ny zava-misy dia ekena foana ireny fahazahoan-dàlana ireny na dia mahatsinjo olana goavana aza ny teknisiana, olana momba ny tombontsoan'ireo mponina eo an-toerana no betsaka.

Toy izany no nitranga tamin'ny fanorenana ilay tobim-pahasalamana fototra ( atao hoe : ‘Unidade de Pronto Atendimento’ ao amin'ny firenena) izay tokony ho natsangana ho fiatrehana ny fangatahana vonjy taitra/aina ao Jaci. Nantenain'ireo mponina ireo fa tsaratsara kokoa ity atrikasa ity, hatramin'ny tsy nananan'ireto mponina 15.000 ireto afa-tsy toeram-pitsaboana iray monja. Rehefa eken'ny mpitantana ny tanàna dia tokony atsangana miaraka amin'ny famatsiam-bolan'i Jirau ity trano ity. Nandritra ny fitsidihana nataon'ny ” asa fanampiana ara-tsosialy” amin'ny Novambra 2011 dia tsikaritry ny teknisiana avy amin'ny tetikasa Santo Antônio IBAMA fa tsy mitohy intsony ilay asa. Nanaovana tatitra  tany Brasilia io tranga io ary nangatahana ny didy fanamelohana ny orinasa Energia Sustentável.

Tokony ho herintaona taty aoriana, ny Oktobra 2012, nahazo alàlana hanombohana manodina ny vondrom-pihariny ilay orinasa. Na dia nanomboka indray aza ny fanorenana ilay tobim-pahasalamana, tsy mbola nisy fetr'andro naroso mikasika izay hahavitàny.

Nahitàna ekipa mpanao gazety telo avy amin'ny Agência Pública de Reportagem e Jornalismo Investigativo ny tetikasa Amazônia Pública  izay nitety ny faritra Amazoniana telo tamin'ny Jolay ka hatramin'ny Oktobra 2012- isan'izany ny toby famokarana herinaratra ao amin'ny reniranon'i Madeira, ao amin'ny fanjakan'i Rondônia. Ny fitantarana rehetra dia mikendry ny itrandrahana ny hasarotry ny fampiasam-bola ao an-toerana, atao any Amazona ankehitriny -isan'izany ny fifampiraharahana sy ny marimaritra iraisana amin'ny lafiny politika ary ny fihainoana ireo mpandray anjara rehetra- (governemanta, orinasa, fiarahamonim-pirenena ) mba handinihina ny vanim-potoana misy ny fampiharana ireny tetikasa ireny. Ny tombontsoan'ny besinimaro no zavatra kinendrin'ny tantara tahaka izany sy ny asa vokarin'ny Pública : ahoana ny fiantraikan'ny fifampiraharahana ara-politika sy ara-toekarena amin'ny fiainam-bahoaka.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.