Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata

Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry  hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.

Nanomboka efa tany amin'ny taona 2004 ny fifanoherana mikasika ny fitrandrahana bauxite, ary napetraka ny fanentanana iraisam-pirenena iray ho fanoherana ny drafitry ny Vedanta.  Nolavin'ny Fitsarana Ambony ny fangatahana napetrak'ilay orinasa hanesorana ny fandraràna mikasika ny fitrandrahana, ary nandidy fa filan-kevitra roa, na gram sabhas, no tsy maintsy mamaly ao anatin'ny telo volana raha tiany na tsia ny hanatanterahana azy.

Monina amin'ny faritra avo amin'ny tendrombohitr'i Niyamgiri ny Dongria Kondh ary manindrahindra ny tendrombohitra sy ny ala ho zava-masina toa Andriamanitra. Ny tendro avo indrindra, izay anisany ao anaty faritra tadiavina hotrandrahana, no fitoeran'ny andriamanitra tompoin'izy ireo ho masina indrindra, Niyam Raja.

Dongria Kondh woman and child in Chatikona, Rayagada district. Photo by Flickr user Rita Willaert (CC BY-NC 2.0).

Vehivavy sy ankizy Dongria Kondh any Chatikona, ditrikan'i Rayagada. Sarin'i mpampiasa Flickr Rita Willaert (CC BY-NC 2.0)

Ao amin'ilay tranonkalam-baovaon'ny tontolo iainana Down To Earth, Richard Mahapatra dia nanoratra lahatsoratra am-bilaogy iray antsoina hoe My god v. your resource - ny Andriamanitro mifanandrina amin'ny atrikarenanareo:

Moa ve ny filankevitry ny tanàna manana fahefàna hisahana ireo finoana ara-pivavahana? Ao anatin'ny valintenin'ny Fitsarana Avo navoakany vao haingana mikasika ny trangan'i Vedanta no misy ny valiny. Gram Sabhas (filankevitra ahitàna ireo mpifidy rehetra ao an-tanàna) any Rayagada-n'i Odisha sy ny distrikan'i Kalahandi no hanapa-kevitra raha toa ka mandika ny zo feran'ny lalàm-panorenana mikasika ny fahafaha-midera sy mankalaza ananan'ireo foko ny orinasa Vedanta na tsia. Rehefa avadika ho asa mivaingana, ny didy dia midika fa ireo mpifidy avy amin'ny toerana vitsivitsy no hanapa-kevitra amin'ny hoavin'ilay tetikasa fampiasam-bola aminà miliara ropia, miainga amin'ny finoany ara-pivavahana arahan-dry zareo. Amin'ny famerenana fitasìnisàna fa ny finoana dia fiainan'ny tena manokana, ilay didy  navoakan'ny tribonaly dia tranga manokana mametraka ny fanapahan-kevitra ara-pinoana ho raharaham-pokonolona.

Nanohy izy hoe:

Misy antony vitsivitsy mahatonga io tranga io ho mahaliana. Voalohany, tranga iray maneho tsara io fa mifandona mivantana amin'ny zo ara-pinoana ananan'ireo vondrom-piarahamonina eny an-toerana hatrany ny fahefam-panjakana haka tany hampiasaina ho amin'ny tombontsoam-bahoaka na ny fahefany hanan-jo amin'ireo harena mineraly isankarazany.

Faharoa, ny finoana ara-pivavahana izay foto-dresaka eto dia ny an'ireo vondrom-poko. Tsy toy ny an'ireo finoana maro, ireo finoana ara-pivavahan'ny foko dia miseho amina endrika fiainana mifampiankina amin'ny hita maso toy ny ala, ny tany sy ny rano.

Amin'io tranga io, ny fifanoherana mivantana eo amin'ny finoana ara-pivavahana sy ny tombontsoam-bahoaka dia lasa henjana satria ireo zavatra alaina ho an'ny tombontsan'ny maro dia Andriamanitra ho an'ny mpikambana ao anatin'ny foko.

Ho an'ny Dongria Kondhs any Odisha, ny tendrombohitr'i Niyamgiri no Niyam Raja na andriamanitra. Fahatelo, ireo foko dia tsy mpitarika ambony ara-pivavahana na vondrona hiaro sy handika ny finoany. Ny finoan'ny foko dia fitsipika madiorano tsy misy fangarony mba hitazonana ny tontolo iainana-toekarena marefo izay mamatsy azy ireo.

Eo no mahatonga ny didin'ny fitsarana handidy ireo filankevitry ny tanàna, izay manana fahefana araka ny lalam-panorenana, hitenenany mikasika ireo zo ara-pivavahana, hanaiky fa tsy hitondra vokatra ny fisian'ny lalàna iraisana sy ny fomba fanatonana ara-pinoana an'ireo faritra fehezim-poko.

Naneho hevitra momba ilay didim-pitsarana ila mpandinika ny tontolo iainana Sunita Narain (@sunitanar) :

@sunitanar: Fiarovana tontolo iainan'ny mahantra ny fitsarana ny Vendata. Fandalinana ny làlan'ny demaokrasia hizorana mankany amin'ny firoboroboana maitso. Tsy maintsy arahabaina.

Saingy ny mpanao gazety iray, Prayaag Akbar (@unessentialist), tsy rototra mikasika ny fomba nitaterana ilay didim-pitsarana:

@unessentialist: Tsy hanapa-kevitra ny olo-masin'ny foko, Times of India, ny gram sabha no hanao. Noho izany ajanony ny esoesonareo. Tatitra mampivarahontsana

Inaccurate reporting of Vedanta ruling in Times of India. Image tweeted by @unessentialist.

Tatitra diso momba ny didim-pitsarana ny Vedanta tao amin'ny Times of India. sary nobitsihan'i @unessentialist

Tao amin'ny tranonkala “The Hoot ” fanaraha-maso ireo media, nanoratra i Aritra Bhattacharya hoe:

Ny ankamaroan'ireo tatitra dia tsy nahavita nanipika akory fa ny fitsarana dia, amin'ny lafiny iray, nifidy ny hamilivily ireo fanontaniana izay tena feno fandrika mikasika ireo fandikan-dalàna momba ny tontolo iainana ao anatin'ilay raharaha.

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo, rehefa nanaiky hanome ny “zo” hanapa-kevitra momba ny hoavin'ny fitrandrahana bauxite ho amin'ny gram sabhas, dia nifidy ny hametraka anjorony ireo ahiahy rehetra mikasika ny tontolo iainana ary nanao zo ara-pivavahan'ny foko Niyamgiri ho andry nijoroan'ny fitsarana.

[…]  Ato anatin'ny volana vitsy ho avy, ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eo an-toerana dia tsy maintsy hiatrika izao fanontaniana manaraka izao: ho voatohintohina ve izany ny fahamasinan'ny faritra raha toa ka omena alalàna ny fitrandrahana o anatin'ny 10 km manodidina ny trano fonenany? Habenà faritra toy inona, ary karazana fahazoan-dalàna toy ny inona no ilaina mba hiarovana ireo fanao sy ireo fombam-pivavahako? Ny hita mivandravandra, tsy afaka mahazo valiny mifanaraka amin'ny zava-misy amin'ireo fanontaniana tahaka izany; fa kosa, hifototra amin'ny  fomba fahatsapàna ny ho valiny.

Mandeha ny feo fa ny governemantan'i Odisha sy Vedanta ankehitriny dia eo ampanosehana ny fanapahan-kevitry ny sabha gram mba hankany amin'ny fahafahana mitrandraka bauxite.  Ny 22 May, famoriana sy fivoriana ny fokonolon'i Dongria Kondh no natao tao Munikhol distrikan'i Rayagada, taorian'ny diabe iray naharitra dimy andro. Nitatitra tao amin'ny CGNet Swara ny mpanao gazety Litu Minj fa tapa-kevitra ny tsy manome alalàna orinasa na iza na iza hitrandraka ny havoanan'i Niyamgiri ireo mponina any.

Ny lahatsary fohy nakarin'i KBKNEWS tao amin'ny YouTube dia mampiseho ireo Dongria Kondh any Niyamgiri mankalaza ny didim-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Avo.:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.