Lehilahy Yemenita Dimy Novonoin'I Arabia Saodita, Naseho Vahoaka Ny Fatin'Izy Ireo

Lehilahy Yemenita dimy voapanga ho nahavita namono nahafaty sy nanolana no voaheloka ho faty tao Arabia Saodita ary naseho vahoaka ny fatin'izy ireo, tao atsimo andrefan'i Jizan.

Ireo lehilahy tapa-doha ireo, izay voalaza fa mpikambana anatinà fikambanana mpandroba iray, no nameno ny isan'ny fanamelohana ho faty tao Arabia Saodita ho 47 tamin'ity taona ity. Famonoan'olona, fanafihana mitam-piadiana, fanondranana zava-mahadomelina, fanolanana, ary fialàna amin'ny fivavahana, ireo rehetra ireo dia tena heloka be vava eo ambanin'ny fanjakan'ny Lalàna Silamo Sharia.

I Yemen koa dia isan'ny mampihatra ny fanamelohana ho faty ary faha-enina maneran-tany ny laharana misy azy amin'izany, araka ny nambaran'ny Amnesty International. Arabia Saodita no faha-efatra, aorian'i Shina, Iran, ary Iraq. Etazonia no eo amin'ny laharana fahadimy.

Sarin'ny vata-mangatsiakan'izy dimy lahy miantona amin'ny tady tazonina vy anankiroa no niparitaka tany anaty Twitter sy Facebook ny 21 May 2013 niaraka tamin'ny hatezeran'ireo mpampiasa aterineto, ao anatin'izany koa ireo Yemenita marobe izay tena taitra sy romotra tamin'ny fahitàna ny sarin'ny famonoana ireo mpiray tanindrazana aminy.

5 Yemenin men executed and publically dispalyed in the streets of  KSA (Photo via  @sanasiino)

Lehilahy Yemenita dimy voaheloka ho faty ary naseho
vahoaka teo an-dalàmben'i Arabia Saodita. Sary avy amin'i @Bintbattuta87

Tao amin'ny Twitter, ilay profesora sady mpanoratra iray ao Arabia Saodita , Bayan (@BintBattuta87) nanoratra tamim-pahakiviana :

@BintBattuta87:
Sary maherisetra : Sarin'ireo lehilahy dimy voaheloka ho faty androany, miantona ao an-dalàmbe #Saudi  Saodiana ny
vata-mangatsikan'izy ireo ankehitriny . Mahatsiravina ahy ity firenena
ity, wallah. pic.twitter.com
/LwztwvfpAB

Nanampy toy izao izy :

@BintBattuta87:
Sary maherisetra: #KSA: Nipetraka
nihodidina teny ny olona nandinika ireo vata-mangatsiaka ireo. Tsy misy sahy mijoro manameloka izany zavatra izany ?! Izany no tena mankarary ahy : pic.twitter.com
/za72LMdNDQ

Haykal Bafana (@Bafana3), Yemenita iray mpisolovava monina ao Yemen, no nandefa bitsika ny sarin'ilay zava-nisy ary naneho ny heviny toy izao :

@Bafana3 :
Toy izao no anaovan'i Arabia Saodita ireo mpangalatra mitam-piadiana. Lehilahy 5 avy ao #Yemen no novonoina ho faty omaly. #KSA https://www.facebook.com/haykal.bafana/posts/469019226511426pic.twitter.com/0NcWDxYBHc

 

A close up of the 5 executed men in Saudi Arabia (Photo via @Bafana3)

Sary akaiky kokoa ahitàna ireo lehilahy dimy voaheloka ho faty tao Arabia Saodita. Sary avy amin'i  @Bafana3.

Sana2 Al-Yemen (@Sanasiino), Yemenita iray mpanao gazety monina ao Royaume-Uni , no nanamarika hoe :

@Sanasiino : Lehilahy 5 avy ao Yemen no nomelohan'i Arabia Saodita ho faty androany tao Jizan & navelany ho hitan'izao tontolo izao. Ireny no olona manampatra ny fahefany amin'ny tany masintsika pic.twitter.com/JP6QpnzXsE

Ilay mpanao gazety sady tnian-dahatsoratra fahinyta oamin'ny The Guardiana ao Afovoany Atsinanana, Brian Whitaker (@Brian_Whit) dia nampakatra rohy iray ahitàna ny lahatsorany farany :

‏@Brian_Whit: Mihahenjana ny fanamelohana ao Arabia Saodita. fatin'olona ts ymisy loha intsony no narantiranty http://bit.ly/YYULRz (http://al-bab.com)

Tao amin'ilay lahatsoratra, no nanamarihany ny andraikitry ny vohikala amin'ny fahitàn'izao tontolo izao an'i Arabia Saodita :

Ny tanjona amin'ireny fanamelohana ho faty ireny dia ny mba hampiatoana ireo hafa mikasa hanao ratsy, na dia tsy azo antoka aza fa hanao izany izy ireny . Kanefa ankehitriny, nohon'ny fisian'ny Aterineto, dia tsy ny mponina ao Arabia Saodita ihany no mahita izany ary manamafy ny fahitan'izao tontolo izao ny maha-barbariana an'ity fanjakana eto amintsika ity izany.

Tamin'ny fitanisàny ny Amnesty International, nanampy toy izao izy:

. Hoy ny Amnesty International :

“Tsy raharahan'i Arabia Saodita izay fenitra iraisam-pirenena momba ny fitsarana tsy miangatra sy ny fiarovana ny voampanga izany, izay matetika tsy avela haka mpisolovava ary tsy ampafantarina ny fivoaran'ny raharaha iampangana azy.

“Voampanga ho meloka tsotra izao izy ireo aorian'ny ‘fiaikeny’ azo avy tamin'ny alalan'ny fampijaliana sy fampihorohoroana maro isan-karazany.”

Blogera avy ao Yemenita iray, Afrah Nasser (@Afrahnasser), izay monina ao Suède, no nanao fanamby tamin’ i Yemen fa hidradradradra hanohitra ny fanamelohana ho faty ny mpiray tanindrazana aminy :

@Afrahnasser : Sahiko ny manao fanamby amin'Andriamatoa Hadi, na olon-kafa na iza na iza, avy ao #Yemen amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny hanao fanambarana hanohitra io fanamelohan'ny Saodiana #Saudi ho faty olona 5 avy ao Yemen io !

http://afrahnasser.blogspot.com/2013/05/saudi-excutes-five-yemeni-men.html?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.