Manao Fihetsiketsehana Hahazoana Fisotroan-dRonono Tsara Kokoa ny Mpiasa Boliviana

Mihahenjana ny toe-draharaha any Bolivia raha mitokona mitaky fisondrota-Pisotroan-dRonono ny mpitrandraka, mpampianatra, mpiasan'ny fahasalamana ary ny mpiasan'ny oniversitem-panjakana -izay mpikambana avokoa ao amin'ny Foiben'ny Sendikàn'ny Mpiasa (COB) avokoa.

Maro ny lalana stratejika ao La Paz sy ny manodidina an'i El Alto no tratran'ny barazy ary voafetra ny isan'ny fiara fitaterana mivezivezy amin'ny lalana mahazatra azy. Misy fiantraikany amin'ny fifampitohizana amin'ny faritra hafa ihany koa izany barazy eny an-dalana izany.

Koa satria moa nihanahery vaika ny hetsi-panoherana dia nanapoaka dynamita nandritra ny fihetsiketsehana tao La Paz ny mpampianatra sy ny mpitrandraka tamin'ny 14 Mey.

Teachers blockading Hernando Siles Ave., the main road between the south and the Town Centre in La Paz

Sary avy amin'i @tIrA_pIEDRAs amin'ny alalan'ny Twitter

Nangataka hampakarana ny fisotroan-drononony izay 70%n'ny karamany amin'izao fotoana ho 100%n'ny karamany ny delegen'ny COB. Nangatahin-dry zareo ny fampakarana 30 ka hatramin'ny 50 isanjaton'ny tamby avy amin'ny tahirimbolam-panjakana voatahiry ao amin'ny Tahirim-Piraisankina (Fondo Solidario amin'ny teny espaniola). Nitsipahan'ny Governemanta izany fangatahana izany satria heveriny fa mety hanohintohina ny fahatezàn'ny “Fondo Solidario”.

Mitsitaitaika ny fifampiraharahana satria takian'ny Governemanta ny delegen'ny COB hampiato ny fihetsiketsehana sy ny barazy. Ankoatra izay dia mandrahoana ny hiditra ao amin'ny fitokonana ankapobeny ny sendikàn'ny Polisy ambany grady sy ireo vadiny, mitaky ny hahazo fisotroan-dronono tsaratsara kokoa, mba te-hisitraka ihany koa ny an'ny manamboninahitry ny miaramila : 100%n'ny fandraisana anjara nataony.

Ny fifandonana nifanaovan'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana dia notaterina tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny teny fifankafantarana #ConflictosBo. Na dia eo aza ny toe-draharaha henjana ary na mitohy aza ny barazy sy ny fihetsiketsehana dia antenaina hiverina indray ny fifampiresahana eo amin'ny delegen'ny sendikà sy ny solontenan'ny governemanta.

Polisy taorian'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso teo anelanelan'ny lalana Ingavi sy Yanacocha (La Paz).
Sarin'i @jesus_alanoca amin'ny alalan'ny Twitter

Ny Blaogera sy mpandalina Raúl Prada nilaza ny heviny tao amin'ny bilaoginy Horizontes Nómadas [es] (Faravodilanitry ny Fivezivezena):

La COB se encuentra movilizada por reivindicaciones salariales, en defensa de una jubilación digna, que no es otra cosa que salario diferido, en contra los métodos monetaristas de transferir la solidaridad a los trabajadores, desentendiéndose el Estado de apoyar con un fondo adecuado en la perspectiva de una jubilación digna para todos.

Mihetsika noho ny resaka karama hanana retirety mendrika ny COB, izay tsy inona fa karama omena aty aoriana, manohitra ny fomba monetarista amin'ny fampiandraiketana ny Tahirim-Piraisankina amin'ny mpiasa ry zareo, dia manao izay ialàna amin'ny fanohanana ny tahiry amin'ny alalan'ny fanomezana vola mifanaraka amin'ny fahazoan'ny rehetra retirety mendrika ny ao amin'ny fanjakana.

Etsy ankilan'izany, nanambara [es] ny Minisitry ny Toekarena Luis Arce fa tsy maintsy mandray anjara amin'ny Tahirim-Piraisankina ny governemanta ary “miantoka ny fandoavana ny 70 isan-jato arakaraky ny karaman'ny tsirairay.” Nampiany moa fa ny tolo-kevitry ny governemanta no miantoka ny fahatezan'ny Tahirim-Piraisankina ao anatin'ny 30 taona sy mizaka ny fandoavana ireo efa sy ho retirety”.

Araka ny filazan'ny fantsom-baovaon'ny radiom-panjakana Patria Nueva [es], “nanazava ny manampahefana fa manitsaka ny ‘fanapaha-kevitra politika’ ny delegen'ny COB fa tsy mandeha amin'ny resaka teknika mba hampakarana ny retirety, izay tsy azo tanterahina satria mety hampididoza ny fidiram-bolan'ny retirety rehetra”.

Ao amin'ny bilaoginy [es] i Boris Bernal no mizara ny famakafakan'ny Foibem-Pianaran'ny Mpiasa sy ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (“Centro de Estudios para el Desarrollo Laboral y Agrario” amin'ny teny espaniola, na CEDLA [es]):

El actual sistema integral de pensiones no garantiza el pago de rentas de jubilación dignas que
alcance a los trabajadores para cubrir sus necesidades básicas cuando pasen a ser trabajadores pasivos y las fuerzas físicas y el mercado de trabajo no les permita continuar trabajando

Tsy ahafahan'ny mpiasa mahazo ny filàna fototra ny rafi-pitantanana ny fisotroan-dronono amin'izao fotoana izao rahatrizay tsy miasa intsony ry zareo, sy rehefa tsy mamela azy ireo hanohy ny asany intsony ny tanjaka ara-batana sy ny tsenan'ny asa.

Fanampin'izany eo ambanimbany eo ny mpamakafaka dia mitsinjo mialoha ny fahasarotana bebe kokoa hihatra amin'ny tanora mpiasa amin'ny hoavy:

El panorama para los jóvenes trabajadores y para todos aquellos que vienen aportando al actual sistema así como al que estuvo vigente hasta el 2010 (sistema administrado por las AFP) es más crítico, porque a diferencia de los aportantes antiguos […] dispondrán de una sola fuente, sus aportes, que hará aun más insuficiente el monto requerido para jubilarse.

Ho sarotra kokoa ny toe-draharaha ho an'ny tanora mpiasa sy ireo nandray anjara fandoavana ny rafitra misy ankehitriny, ary ireo nanana ny heriny hatramin'ny 2010 (nofehezin'ny rafitra AFP) fa tsy hitovy amin'ireo nandray anjara fandoavana talohaloha […] tokana ihany ny ho loharanom-bolan'izy ireo, ny fandraisana anjarany ihany, mbola ho saritra sy ho mafy kokoa ny hanatratra ny vola ampy ho entina misotroronono.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.