Mitokona Tsy Mihinan-kanina Ny Renin'ireo Meksikàna Tsy Hita

Andiany iray ahitàna renim-pianakavina no nitokona tsy nety nihinan-kanina ho fankalazàna ny Andron'ireo Reny teo ivelan'ny biraon'ny lehiben'ny fampanoavàna ao Mexico nitaky [es] ny governemanta Meksikana mba hanatanteraka ny fampanantenany [es] nataony mikasika ny hitadiavana ny zanak'izy ireo lahy sy vavy tsy hita.

Araka ireo tatitra ofisialy, mihoatra ny olona 26.000 no tsy hita tany Mexico teo anelanelan'ny 1 Desambra 2006 sy 30 Novambra 2012, nandritra ny fitantanan'ny filoha teo aloha  Felipe Calderón.

Nitàna ny fitokonany ireo vehivavy hatramin'ny 9 May 2013.

Erwin C. ao amin'ny bilaogy The Latin Americanist nitanisa ny iray amin'ireo reny nandray anjara tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina[en]:

Tsy hihemotra izahay raha tsy voavaha ny olanay, mivory miaraka aminay ny filoha ary manangana vaomiera hilaza aminay hoe rahoviana ary ahoana no hanombohan'izy ireo ny fikarohana ireo malalanay tsy hita”, hoy ny filazan'i Margarita López, mpitokona tsy mihinan-kanina. Nilaza i López fa ny zananivavy “nanjavona”, antsoina hoe Yahaira Guadalupe Bahena, dia nalain'ny “ireo lehilahy mitam-piadiana” an-keriny roa taona lasa izay sy nampijaliany mandrapaha-fatiny. Nangataka mafy tamin'ireo manam-pahefana i López mba hanokatra fasana faobe iray voalaza ho nadevenana an-janany vavy saingy hatramin'izao tsy misy firaharahàna ny fitakiany.

López no iray amin'ireo mpandray anjara tamin'ny fito andro fifadian-kanina izay natao ny volana Novambra lasa teo ary nifarana taorian'ny fihaonan'ny tompon'andraikitry ny tanànan'i Mexico tamin'ireo mpanohitra.

Paris Martínez avy amin'ny famoahana dizitaly Animal Político dia nanaraka ilay fitokonana tsy hihinan-kanina nanomboka hatramin'ny niandohàny [es]. Ao anaty lahatsoratra [es] iray, nasehony ny mpamaky ny sasantsasany tamin'ireo reny nandray anjara tamin'ilay fitokonana, toa an'i Nancy Rosete, izay tsy hita nanomboka ny 29 Desambra 2010 ny zanany lahy antsoina hoe Elvis Axell Torres Rosete:

Yo decidí participar en la huelga de hambre porque, como víctimas, no contamos con certeza sobre las acciones que realizan las autoridades. Han pasado ya más de dos años y, aun cuando hay supuestos avances en las investigaciones, nosotros no podemos verificarlos.

Nanapa-kevitra ny handray anjara amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina aho satria, amin'ny maha-niharany ahy, tsy manana fanantenana izahay mikasika izay hetsiky ny manampahefana. Efa ho roa taona mahery izao, na dia efa lazaina ho nisy aza fandrosoana tamin'ny fanadihadiana natao, tsy afaka manamarina izany [firosoana] izany izahay.

Ny 13 May, Martínez nitatitra [es] ho an'ny Animal Político fa, “ankoatry ny fifanakalozana fohy niarahana tamin'ny mpanampy ny lehiben'ny fampanoavana, Ricardo Cervantes – ny andro nanombohan'ny hetsi-panoherana – tsy nisy tompon'andraikitra tonga nanontany mikasika izay fitakian'[ireo mpanohitra] na nanomboka fifanakalozan-kevitra tamin'ny fomba ofisialy.

Nanao fanehoan-kery tamin'ny May 10 Andron'ny Reny tany Mexico, ireo Reny sy fianakavian'ny tsy hita. Nizara lahatsary [es] iray i Martínez izay nampiseho ireo reny mitokona tsy mihinan-kanina mankalaza ny Andron'ny Reny eo am-pihiràna ny “Nalain'izy ireo velona izy ireo, tianay ho tafaverina velona izy ireo!” ary “Aiza izy ireo? Aiza izy ireo? Ireo zanakay, aiza izy ireo? :

Anaty lahatsary [es] iray hafa, nanadihady ireo reny sy ireo mpikambana hafa avy amin'ny fianakavian'ireo nisy naka ankeriny i Martínez tamin'ny andro faha efatry ny tsy fihinanan-kanina . Erica, iray amin'ireo reny mitokona tsy mihinan-kanina, manangana soratra iray mivaky hoe : “Efatra andro tsy nihinanan-kanina ary tsy nahitàm-baliny. Ilainay mba ho hita ny zanakay lahy sy vavy. Fahamarinana!”

Milaza izy fa mahatsapa ny vokatry ny tsy fahampian-tsakafo, ny maripàna midina amin'ny alina, ary mahatsiaro ho tsy manana fiarovana izy ireo. Manampy i Erica fa nanampy azy ireo ny vahoaka.

Mpitokona hafa iray no manamafy fa tsy handeha na aiza na aiza izy ireo: “Tsy nohon'ny olona iray no maha-eto anay, eto izahay noho ny tanjona iraisana, izay fikarohana ny tsy hita.” :

Ny Alarobia 15 May, Martínez nitatitra [es] fa vondron'olona iray mpisolo tena ireo mpanao hetsi-panoherana no hitsidika an'i Los Pinos — ny toeram-ponenana ofisialy sady biraon'ny Filohan'i Mexico — mba hampiseho ny fangatahana an-tsoratra avy amin'izy ho an'ny Filoha Enrique Peña Nieto, “Ka mba hahafahany manazava ny antony marina mikasika ny tsy fisian'ny dingana mivaingana amin'ny fitadiavana ny zanak'izy ireo lahy sy vavy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.