Fampanantenana Rariny Ara-Piarahamonina ho an'ireo Tsy Manan-tany ao India

Nankatoavina nandritra ny fivoriana niarahana tamin'i Jairam Ramesh, minisitry ny fampandrosoana ny faritra ambanivohitra tamin'ny 15 aprily 2013, ny asa maharitra notontosain'ny Ekta Parishad, ( “diniky ny Firaisan-kina” [hi]) teny amin'ny faritra ambanivohitra mahantra indrindra ao India, ka nanekena ny fifanarahana anatiny miaraka amin'ny governemanta, hanomezana anjara masoandro ho an'ireo tsy manan-tany sy ireo tena mahantra amin'ny ankapobeny. Nampihatra ny fomba fiasan'i Gandhi amin'ny alalan'ny tsy fanaovan-kerisetra ny fikambanana hanampiana ireo mponina mba hifehezan'izy ireo ny loharanon-karena ahafahany miavo-tena izay tsy inona fa ny tany, rano ary ny ala.

Any India, dia tsy vitan'ny adinoina fotsiny fa sady lasibatry ny fitomboana mihoa-pampana ireo mponina mahantra ,dalits sy adivasis, ary indrindra indrindra ny vehivavy, tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, noho ny fanomezana vahana ny indostria. Voatanisa tao amin'ny lahatsoratra ao amin'ny  bilaogin'i Sujatha Surepally moa ny kongresy nasionalin'ireo vehivavy dalits sy advasis, tamin'ny febroary 2013, ka niampangany ihany koa izany zava-misy mampalahelo izany:

Niraondraona tao an'efitra ny feo masiakan'i Dayamani Barla, mpitolona adivasi nandritra ny taona maro avy any Jharkhand. Niezaka ny hampiray ny vahoaka hanohitra ny orinasam-pitrandrahana akora ao Jharkhand izy, izay nahitana orinasa mpitrandraka manodidina ny 108 eo an-dalam-panimbana ny fiainanan'ny adivasi noho ny fitrandrahana. Nitrandraha saribao aloha, avy eo miditra amin'ny herinaratra, ary mitohy izany, ka voatosika lavitra hatrany izanay? Ahoana no fomba fiainana raha tsy eo amin'ny taninay izahay? Kabary nampitolagaga nandritra ny ora iray, ary fahanginana tanteraka no nanaraka izany, malahelo noho ny olany sy ny fijalian'izy ireo ny rehetra. Farany, inona no tiany hampitaina? Humko Jeene Do! Avelao izahay mba hiaina amin'ny fiainanay manokana ! Raha izany no heverinareo ho fampandrosoana, tsy te handre akory ny mikasika izany izahay!

Diabe ho amin'ny rariny

Raha nifototra tamin'ny fanolorana ny loharanon-karena voajanahary goavana ho an'ny mpampiasa vola, Karana sy vahiny, ny fitomboan-karena dia nandrovirovitra ny fanajana ny tontolo iainana efa nekena. Afindrafindra toerana matetika noho ny fangoronan-tany tsy misy fanonerana ny mponina any an-toerana izay amin'ny faritra ambanivohitra ny 70 isan-jatony dia mbola miankin-doha tanteraka amin'ny loharanon-karena voajanahary hiavotan'izy ireo tena.

Raha jerana ireo ireo vahoaka 60 tapitrisa nafindra toerana tsy nomena onitra teo anelanelan'ny taona 1947 sy 2004, sy ny tany manana velarana 25 tapitrisa hekitara noraofina dia nanomana ny Janadesh – ‘fitsaram-bahoaka’, diaben'ireo olona miisa 25 000 niainga tao Gwalior ka nizotra hatrany Delhi, nandritra ny iray volana, ny mpikatroky ny Ekta Parishad tamin'ny taona 2007  mba hitakiana ny zon'ireo tsy manan-tany. Mitantara ny Janadesh sy ny fanohanan'ny indiana sy iraisampirenena azony ireto lahatsary [fr] manaraka ireto :

Re izany fangatahana izany, ka nahatonga ny lalàna toy ny “Forest Rights Act” (Zo hiaina an'ala araka ny fomban-drazana). Naneho ny heviny momba ilay lalàna i Subrat Kumar ao amin'ny lahatsoratra [en] iray nivoaka an-tserasera tamin'ny avrily 2010:

Hoy ny lalàna: “Sambany teo amin'ny tantaran'ny ala indiana no nanaiky ny fanjakana fa, hatry ny ela, no tsy noraharahiana ny zon'ny mponina, ka ny lalàna vaovao mikasika ny ala kosa dia tsy natao ny hanonerana ihany izany “tsy rariny ara-tantara” izany fa mba hanomezana anjara toerana lehibe ihany koa ireo fokonolona monina an'ala amin'ny fitantanana ny ala hoavy. […] na dia somary namaly [bontana] avy hatrany fikasana ara-panjakana izany aaza ireo mpikatroky ny zo an'ala. Maro tamin'izy ireo no nilaza io lalàna io ho ‘tigra taratasy’ (an-taratasy fotsiny ihany fa tsy ampiharina), toy ny lalàna indiana hafa.

Na dia teo aza ny fisian'ireo lalàna tena liam-pivoarana ireo, dia vitsy ihany no nihatra. Izany no nanosika ny Ekta Parishad sy fikambanana hafa efa mihoatra ny 2000 nanao ny Jan Satyagraha, diabe ho an'ny rariny  indray ny oktobra 2012, izay nahavory vahoaka olona mihoatra ny 50 000 dieny andro voalohany.

Ity horonantsary eto ambany ity, izay mitondra ny lohateny hoe “Agir ou mourir” (Na mihetsika na maty) no Manazava ny safidy ho an'ny vahoaka :

Araka ny le blog Rexistance Inde dia:

Sarotra ny manisa ireo mpanao diabe, fa mila manisa ho adin'ny dimy raha mijery ny fitandahatr'ireo mpilahatra. (…) Mamakivaky (…) tanàna maro izahay izay ahitana ireo olona manao ny diabe miaraka amin'ny rado sy toraka vonimboninkazo mavo sy volom-boasary.

Satyagraha

Ilay diabe nanivatsiva ny tetezan'ny renirano Chambal, 6 Oktobra 2012, sarikpika Goran Basic / Ekta Parishad

Fifanarahana nosoniavina tamin'ny 2012, fampanantenana mila tazonina

Nosokafana bebe kokoa tamin'ity fotoana ity ilay fangatahana tamin'ny taona 2007, izay nifantoka kokoa tamin'ireo tsy manan-tany, tafiditra amin'izany koa ireo tsy manan-kialofana, ny fampiharana ireo lalàna miady amin'ny fahantrana, ny fitaovana ara-teknika hanatontosana azy, ary ny tetiandro mazava hanatanterahana ireo fampanantenana ireo. Ny fitambaran'ireo fangatahana izay nosoniavina tamin'ny teboka folo nifanarahan'ny mpanao diabe sy ny fitondrana indiana ny andron'ny 11 oktobra 2012, ary nohamafisin'ny fihaonana vaovao teo amin'ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao diabe tamin'ny avrily 2013.

Nanatri-maso ny bilaogy Rexistance Inde, tao anatin'ny lahatsorany tamin'ny 31 desambra 2012 :

Manolotena hiandraikitra ny politikan'ny fanavaozana ny fizakan-tany sy hanery ny governemanta isam-paritra ny fitondrana federaly – satria andraikitry ny fitondrana isam-paritra ny fizarana ny tany – mba hamelàna ireo mponina anjorom-bala hijanona eo amin'ny taniny, na mba hahazoana vaovao hiasàna. Sy hiaina eo ! Satria ny iray amin'ny nandraisana andraikitra, vaovao, ny hanaovana izay hampidirana ny zo hanam-ponenana isam-pianakaviana mahantra sy tsy manan-tany. […] Tsy bado anefa ny Ekta Parishad. Mifanohitra amin'izay ary, tamin'ny nahazoany hery fony nanatontosa ny Janadesh 2007 izay tsy nahatanterahan'ny ankabeazan'ireo fifanekena, dia mailo ny hetsika, ka niantso ny fanohanana iraisampirenena nandritra ny fifanaovana soniam-pifanaharana, mba hanehoana amin'ny governemanta fa tsy handefitra na dia irainjehy aza ny “tsy hita maso”, ary manara-maso koa ny olom-pirenena, na aiza na aiza manerana izao tontolo izao.

Nitombo isa hatrany tato ho ato ny fandraisana an-tanana ho fanohanana teo amin'ny Indiana, Eoropena ary iraisam-pirenena mba hiantohana ny fanajana ilay fifanarahana nosoniavin'ny governemanta indiana, tahaka ity taratasy manokana ho an'ny  Minisitra Jairam Ramesh [en] ity, hiarahabana azy noho ny asa vitany hatramin'ny fiandohan'ny taona ho fanasoavana teo amin'ireo tena sahirana, sy fankaherezana ihany mba tsy hijanona amin'izay lalana tena tsara izany.

Fanantenana sy fahamalinana

Ny fifanarahana teo amin'ny Ekta Parishad sy ny governemanta indiana dia mety hipetraka eo amin'ny fomba fisainana vaovaon'ny fampandrosoana sy ny fitsinjarana ny harena voajanahary, ao India na koa mety hipaka any ivelany. Saingy mialoha ny fifidianana ankapobeny tao India, ny fotoana dia eo amin'ny fampihetsiketsehana sy ny fanantenana ary koa amin'ny fahamalinana.

Nanamafy i V. Rajagopal, filohan'i Ekta Parishad fa mihevitra ny hanandratra ny feony mandritra ny fampielezan-kevitra ny tena tanjon'ny hetsika, izay efa manomboka amin'izao fotoana izao ao India, izany no hita ao amin'ny lahatsoratr'i  Firstpost India tamin'ny 12 aprily 2013:

Ho taonan'ny fifidianana ny taona 2014 ka eo ampikirakirana ny fandaharan'asany (fampanantenany) ireo antoko politika. Ny ezahinay dia ny hanomezana vahana ny fanavaozana ny fizakantany ao amin'ny fandaharan'asan'izy ireo. Tamin'ny fieritreretana izany fifidianana izany no nametrahanay izao teny filamatra izao:Aage zameen peeche vote, nahi zameen toh nahi vote (ny tany aloha, avy eo ny fifidianana, tsy misy fifidianana (raha) tsy misy tany)

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.