Efraín Ríos Montt Voaheloka Ho Namono Olona Sy Nanao Heloka Bevava Tamin'ny Olombelona

Voaheloka ho namono olona sy nanao heloka bevava tamin'ny olombelona i Efraín Ríos Montt ilay mpanao didy jadona taloha tany Goatemalà. Nahazo ny rariny ihany ny teratany Ixil Maya any Goatemalà rehefa niady teny amin'ny fitsarana nandritra ny taona maro. 

Nobitsihina mivantana sy naparitaka malaky ny didim-pitsaràna[es].

Raha toa ka voaheloka sy voagadra 80 taona an-tranomaizina i Ríos Montt, dia afaka madiodio kosa i José Mauricio Rodriguez Sanchez, Talen'ny Sampam-pitsikilovana taloha.

Nifehy an'i Goatemalà ny Martsa 1982 ka hatramin'ny Aogositra 1983 nandritra ny ady an-trano naharitra 36 taona i Rios Montt. Toy izao ny fanazavan'i Xeni Jardin ao amin'ny BoingBoing: ” Voaheloka ho namono olona nandritra ny fanentanana momba ny fanoherana ny fitroaram-bahoaka tamin'ny 1982-1983 izay nahafatesana Maya Ixil 1.771 ilay Jeneraly taloha sady Filoham-pirenena 86 taona.”

Rios Montt Genocide Trial Day 26

Rios Montt tamin'ny andro faha 26-n'ny fitsaràna azy noho ny vonoan'olona. Sary avy amin'i James Rodriguez ao amin'ny MiMundo.org, nahazoana alàlana.

Ireo indizena (vazimba teratany) tany Goatemalà no tna niharan'ilay ady; very ny tanin'izy ireo, ny trano ,ny biby fiompy, ny vokatra, ary voatery niaina niafina tany an-tendrombohitra izy ireo. Onitra kely fotsiny no nomen'ny fanjakana azy ireo taorian'ny ady .

Amin'izao fotoana izao, isan'ireo vondrom-piaraha-monina mahantra indrindra ny Ixil, mahatratra 77% eo ho eo no miaina anatin'ny fahantrana [es]. Vazimba teratany ny 40%-n'ny mponina any Goatemalà, ary mahantra ny valo amin'ny folo amin'ireo mponina ireo. Ambonin'izay, misy fiantraikany amin'ny fampianarana sy ny asa ho azy ireo ny fanavakavaham-bolon-koditra.

Na dia eo aza ny fahantran'izy ireo, tsy mitaky onitra ireo sisa velona fa mitaky ny rariny, araka ny fanazavana nentin'Atoa Benjamín Jerónimo, iray amin'ireo mpitory ny vonoan'olona, tao amin'ny tribonaly tamin'ny fehinteniny tamin’ilay fitsaràna sarotra izay fintinin'ny Amnesty International amin'ny teboka folo :

Nisy vonoan'olona, heloka bevava natao tamin'ny olombelona ary amin'izao fotoana izao, vavolombelona 100 no tonga mitantara ny marina, ary mitaky ny rariny noho ireo mafy nentinay, ampahibemaso …Tsy mitady valifaty izahay fa mitady fandriampahalemana marina miaraka amin'ny fahamarinana, fanajàna, fitoviana, fahamendrehana, izany no antony mahatonga anay ho eto.

Làlana adin'ny folo mahery no manelanelana an'i  Goatemalà City, toerana anaovana ny fitsaràna, sy Ixil raha mandeha fiara fitateram-bahoaka. Na dia eo aza ny karama kely sy ny halavirana, dia tonga tao amin'ny fitsaràna isan'andro ireo olona ao amin'ny vondrom-piaraha-monina Ixil, araka ny sary asehon'i James Rodriguez ao amin'ny MiMundo.org sy ny tatitra ataon'i Xeni Jardin ao amin'ny Boing Boing. Nobitsihan‘i Xeni mivantana avy ao amin'ny fitsaràna ny didim-pitsaràna farany.

Picture by James Rodríguez, Mimundo.org used with permission.

Sary avy amin'i James Rodríguez, Mimundo.org, nahazoana alàlana.

Nisy lahatsary nanazava ny porofo rehetra mikasika ilay fitoriana nalefan'ny PBS tany Etazonia tamin'ity herinandro ity, izay niteraka adihevitra momba ny fandraisan'anjaran'ny Filoha Reagan. Nampian'ny  lahatsoratry ny Firaketana ny Fiarovam-pirenena  ” Ny ady farany : Fanentanan'i Rios Montt nanoherana ny fitroaram-bahoaka : antontan-taratasy Amerikana sy Goatemalteka mitantara ny Paikadin'ny Fandoroana Tanàna” :

Voaporofon'ny antontan-taratasy voarakitry ny tafika Goatemalteka ny volana Jolay sy Aogositra 1982, mifandray amin'ny Opération Sofia, ny Paikadin'ny Fandoroana Tanànan'i  Ríos Montt — andianà fanoherana ireo fitroaram-bahoaka nanerana ny faritr'i Ixil mba hamonoana ireo mpiady EGP sy hamotehana ny “toby famatsiana/fanohanan-dry zareo” (ny vahoaka Maya Ixil). Nomena ny Firaketana ny Fiarovam-pirenena tamin'ny 2009 ilay antontan-taratasin'ny Opération Sofia ary natolotr'ito farany ny mpampanoa làlana mba ho porofon'ny vonoan'olona.

Ohatra ho an'ny fangaraharan'ny fitsarana io fotoam-pitsaràna azon'ny rehetra natrehana io, miaraka amin'ny fandikàna azo natao ho an'ireo vahoaka Ixil nandritra ny fotoam-pitsaràna rehetra, tsy voafetra ny mpanao gazety ary nisy fiaraha-miasa matanjaka teo amin'ny haino aman-jery sosialy.

Nifanindran-dàlana tamin'ilay fitsaràna, dia nisy resaka, fifandonan-kevitra sy zava-misy tao anaty aterineto.

Nampiasain'ny mpiserasera tamin'ny aterineto ny tenifototra hoe : #riosmontt, #genocidegt ary #sihubogenocidio (“eny, nisy famonoan'olona”), ary nisy fanaparitahana mivantana eto  (feo), eto (feo) ary eto.

Nisy ihany koa ireo mpiserasera amin'ny aterineto izay nandà fa tsy nisy famonoan'olona, nampiasa ny tenifototra #nohubogenocidio (tsy nisy famonoan'olona) izy ireo hizaràny ny fomba fijeriny.

Nandray andraikitra sy nizara ny sary naneho ny fanohanany ny rariny ny mponina eto amin'izao tontolo izao nandritra ny fitsaràna.

Nisy ireo mpilatska an-tsitrapo avy amin'ny NISGUA, Peace Brigades International, Collectif Guatemala ary ireo ONG hafa nanampy sy nanohana ny fianakavian'ireo sisa velona nandritra ny fitsaràna. Nadikan'izy ireo ho amin'ny fiteny Anglisy sy Frantsay ny votoatiny mba haparitaka amin'izao tontolo izao.

Telopolo taona aty aoriana, io didim-pitsaràna manan-tantara nampivoitra ny Fifanarahana mahakasika ny famonoan'olona  sy ny fampiharana ny heloka atao amin'ny olona io dia antoka ho an'ny olona tsirairay, satria io no mpisava làlana ho an'ireo fifandirana mbola misy amin'izao fotoana manerana ny tany. Tsirim-panantenana ho an'ireo  tanàna rehetra izay voamarika ho ‘fahavalo’ any Syria, ho an'ny fahorian'ny Rohingya any Myanmar, ary ho an'ireo ady mbola ho avy izany.

Ankoatra izay, manamarika ny fanombohana vaovao ho an'ny Goatemalà iray miara-mirona io, ny fandraisana an-tànana sy fianarana avy amin'ny fototra maha izy azy sy ny fahasamihafan'ny foko 24 izany, izay manomboka amin'ny fahavononana, faharetana ary ady tsy misy herisetra ho an'ny rariny nampianarin'i Ixil. Efa nahazo fandresena sahady  [es] ny vahoakan'i Ixil araka ny filazan'ny El Faro, gazety Salvadoriana iray amin'ny aterineto.

Photo via @xeni: "Juana Sanchez Toma, Ixil rape victim whom we interviewed for @newshour. 'I dreamed of justice. And now here it is.'"

Sary avy amin'i @xeni: “Juana Sanchez Toma, niharan'ny fanolanana tany Ixil izay nitafatafànay ho an'ny @newshour. ‘Nanonofy ny rariny aho. Tonga izy izao.'”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.