Pelaka Efatra Nosamborin'ny Polisy Tany An-Trano Fandihizana

Noho ny baiko avy amin'ny ben'ny tanàna, Antoine Chakhtoura, polisy 12 no nanao fisavana tao amin'ireo trano fandihizan'ny pelaka “Ghost” ao Dekwaneh, Matn, Libanona. Voalaza fa niharan'ny fandrahonana ireo mpanjifa tao amin'ity trano fandihizana ity ary olona efatra no nosamborina nandritra izany, tamin'ny volana lasa teo no nisehoan'ity tranga ity.

Noterena hiboridana ireo olona efatra ireo ary nalainy sary. Anisan'izany vehivavy iray nanova ny fananahany izay tsy nampafantarina ny anarany, toy izao ny fitantaran'i Nadine Elali ao amin'ny NOW Lebanon ny zava-nitranga:

Nokapohin'izy ireo aho ary natosiny sy notevatevainy tamin'ny ompa vary raraka toy ny hoe “pelaka” sy “sarimbavy”,’ avy eo nametraka fanontaniana mahamenatra izy ireo hoe ohatrinona no hanaovako firaisana isan'ora sy ny hoe mankafy “mitsetsitra” ve aho,’ avy eo nasain'izy ireo niboridana aho ary nalainy sary.

Iray tamin'ireo lasibatra, lehilahy pelaka Syriana, izay nohadihadian'ny Lebanese Broadcasting Corporation (LBC) tao amin'ireto sary manaraka navoakan'i Raynbow Libanona ireto tao amin'ny YouTube.

Mbola nanohy nanevateva izy ireo ary nanompa. Ary hoy izy ireo nilaza, ‘tsy misy olana raha manao izao zavatra izao ao Syria ianareo’. Jereo izay entin'i Syria ho antsika’. Avy eo nalain'izy ireo sarimihetsika izahay ary nokapohiny izaho sy ilay namako. Dimy izy ireo no nikapoka anay.

Tsy niandry ela ireo mpiserasera Libaney sy Arabo namaly sy niampanga ny fihetsiky Chakhtoura izay tsy manara-dalàna.

Bilaogera ‘Aristophanes Jr’ namoaka lahatsoratra manaraby mitondra ny lohateny hoe “Ny Manda Fiarovana” ary navoakany tao amin'ny bilaoginy izany:

Tsy menatra ny Ben'ny tanàna tao amin'ny fahitalavi-panjakana manamari-tena noho ny heloka vitany. Fanitsakitsahana mibaribary ny lalàmpanorenana tahaka ny fanaon'ireo matihanina amin'izany sehatry ny lalàna izany. Hijanona tsy hisazy ve ity heloka ity?

Bilaogera sy mpiaro ny fahasalamam-behivavy, Dr. Hasan Abdessamad niangavy tamim-pivazivaziana an'i Frantsa mba “hanjanaka indray” an'i Libanona, ary nilaza momba ny fifandirana teo amin'ny lalàna Frantsay manameloka ny firasaina ara-nofo izay “mifanohitra amin'ny lalànan'ny natiora” (Andininy faha-534 amin'ny Fehezan-dalàna famaizana Libaney) sy ny lalàna vao haingana mankatò ny fanambadian'ny pelaka ao Frantsa:

Manome zo ho an'ny olom-pireneny hifanambady ankehitriny ny firenena nanolotra ny lalàna famaizana Libaney andininy faha- 534.

Namoaka lahatsary manameloka ny fihetsiky ny ben'ny tanàna ihany koa izy, niantso izany ho “heloka” ary nitaky fitsarana azy araka ny lalàna. Fanampin'izany, namoaka fanambarana manameloka an'Andriamatoa Skakhtoura ny Fikambanana Libaney ho an'ny Fahasalamana Ara-pananahana (LebMASH), izay anisan'ny maha-mpikambana azy.

Manameloka tanteraka ny fepetra noraisaina tamin'ny alalan'ny fanomezam-baiko nataon'Andriamatoa Shakhtoura, Ben'ny tanànan’ i Dekwaneh tamin'ny 21 Aprily 2013 ny Fikambanana Libaney Ho An'ny Fahasalamana Ara-pananahana (LebMASH).

Bilaogera Beirot, Elie Wafi nampitandrina fa mety mbola hiverina izany tranga izany:

Tsy afa-po tamin'izay zavatra hitany i Shakhtoura sy ireo polisiny. Pelaka manodidina. Mifanoroka sy mifampitantana. OMG! Saingy ny zava-dehibe dia ny antony nahatonga azy ireo ho romotra nahita ireo sarindahy sy sarimbavy, pelaka sy Syriana mivezivezy eo akaikin'izy ireo aorian'ny 7 ora hariva. Aorian'ny 7 ora hariva, ahoana no ataon'izy ireo?? Zava-maharikoriko!
Mila ho torana mihitsy Andriamatoa Shakhtoura, nanome baiko ireo polisiny izy mba hisambotra ireo olona ireo. Saingy tsy nijanona hatreo, fa mila fantarina ny taovam-pananahan'ireo olona pelaka ireo. Enno chou hawde? Rjel aw chou? [Midika hoe: Inona no ao? Lehilahy sa inona?] Tsy afaka hiandry ny raharaha tahaka izao, mety hidiran-doza ny lazan'i Libanona, indrindra ny mandany: Dikwene.

Tsy vao voalohany no niseho izao toe-javatra izao ary manahy aho fa mety mbola hitranga izao.

Satria nahoana? Tsotra ny valiny, vitsy an'isa natao an-jorombala isika. Na dia tsy manome lanja ny firehana ara-pananahana ahafantarana antsika aza isika, saingy raha henjehina noho izany ianao, dia tahaka ny lasa firehana ilay izy.

Mpisera Twitter naneho ny fahatezerany ihany koa:

@Egayptian: “Fitsipi-pitondratena” inona ary “Fivavahana” inona no manome zo anao hanery ny olona hiboridana sy halaina sary tsy misy fankatoavana.

 

@fafpink: Toa mahatonga ireo fikambanan'ny pelaka tsy hipoitra ny fanakatonana toeram-pandihizan'ny pelaka  http://shouldiexist.blogspot.com/2013/04/lets-just-talk-human-rights.html?spref=tw 

 

@eli_beik: &  Pelaka aho ary reharehako izany! hanao fihetsiketsehana manohitra ny fanararaotana atao amin'ireo LGBT

 

@DannySeesIt: Miatrika olana ara-tsosialy sy lalàna ny olona LGBT monina ao Libanona. Mendrika omena zo mitovy izy ireo ankehitriny! http://www.avaaz.org/en/petition/Gay_rights_in_Lebanon/?wWvCEeb 

 

@JoSamuelAoun: Ankafiziko rehefa mampiasa ny teny fankahalany pelaka hoe ” manaja ireo olona ireo sy ny zon'olombelona” ireo mpankahala pelaka”

Fikambanana tsy miankina Mpiaro ny zon'olombelona Libaney ‘Alef’ namoaka fanambarana izay nalefan'i Daemion El Hajj tamin'ny Twitter indray avy eo:

 

جمعيّة ألف تدعو القوى المختصّة للتحقيق بما فعله شختورة والشرطة البلديّة في الدكوانة pic.twitter.com/W1wv6wFUbs


@DaemionElHajj: Alef (Fikambanana tsy miankina) miantso ireo manampahefana voakasika mba hanadihady izay nataon'i Shakhtoura sy ireo polisy monisipaly tao Dekwaneh

Farany, tao amin'ny Facebook, namoaka lahatsoratra tao amin'ny pejin'ny Boriborintanin'i Parramatta, tanàna rahavavin'i Dekwaneh ireo mpikatroka:

Ramatoa sy Andriamatoa hajaina,

Te hanaitra ny sainareo izahay manoloana ny fanitsakitsahana ny Zo fototry ny olombelona ataon'ny tanàna rahavavinao, Dekwane, Libanona. Nanome baiko tsy ara-dalàna hanakatona ny toera-pandihizan'ireo mpandray LGBT antsoina hoe “Ghost” ny ben'ny tanàna, Antoine Chakhtoura. Olona efatra no nosamborina nandritra ny fanakatonana natao, anisan'izany tovovavy iray nanova ny fananahany, nampidirina tao anatin'ny kamiaon'ny polisy izy ireo ary nentina teny amin'ny tobin'ny polisy, niharan'ny fanevatevana sy fanalambaraka izy ireo toy ny fanerena azy ireo hiboridana, fakana sary tsy nahazoana alalana, teo koa ny ompa vary raraka, herisetra ara-batana sy ara-nofo.
Fantatra fa iray amin'ireo tanàna reharehan'i Aostralia ny tanànanareo, firenena fantatra amin'ny fandeferana sy ny fanajana ny Zon'Olombelona; miantso anao izahay mba handray fepetra sy hanohana ny fikambanana LGBT ao Libanona.
Tsy vao voalohany izao, ary angamba tsy farany ihany koa, miseho ao Libanona foana ny fanavakavahana tahaka izao, mbola lavitra antsika ny lalana mankany amin'ny fitovian-jo ho an'ny fikambanana LGBT. Eny, amin'ny maha-fikambanana anay, sitrakay raha mba tohananareo izahay, ary hankasitrahanay tanteraka ny fanohanana sy fanampiana avy aminareo.
Tohano izahay amin'ny tolona rariny ataonay, miaraha aminay, satria tsy mba misy olona manohana anay ankehitriny.

Misaotra tompoko,

Nisy ny sit-in nokarakarain'ny Helem tamin'ny 30 Aprily lasa teo, Fikambanana Tsy Miankina Miaro ny Zon'ireo Pelaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.