Trinidad & Tobago : Izay Mety No Ataovy

Na ahoana na ahoana no tianao hamaritana azy – ny foto-kevitra, ny fitsipika moraly, ny toetra – no mamehy ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovana izay mety. Miaraka amin'ny fitsingidingidinan'i Trinidad sy Tobago ho any amin'ny laharana faha-80 amin'ny Fandaharan'ny Transparency International tamin'ny taona 2012 mikasika ny Fomba fahitàny ny Kolikoly, bilaogera vitsivitsy avy ao an-toerana no nifanakalo hevitra momba ny resaka fahamendrehana.

Ny “Eternal Pantomime” no nanomboka ny raharaha tamin'ny fanomezana ny tontolo araka ny làlàna:

Hanodidina ny 13 amin'ny volana Novambra amin'ity taona ity Ny Fehin-dalàna mikasika Ny Fiainan'ny mponina. Ny ankamaroantsika no mahita ilay lalàna sy ny Kaomisionan'ny Fahamendrehana  ho tsy dia ilaina akory.

Ireo fehezanteny fanokafana amin'ilay lalàna dia milaza fa hoe ny tanjon'ny Kaomisiona dia  “haneho ampahibemaso izay tsy nety, hanitsiana ny fitondrantenan'ireo mpiasa manao ny asam-bahoaka; hitazonana sy hanatsaràna ny fahamendrehan'ireo mpiasam-panjakana sy ireo rafi-panjakana…” Ny zavatra tsy haintsika mantsy dia izao: Io Kaomisionan'ny Fahamendrehana io dia tena mpitsikilo mihitsy. Tsy mijanona eo amin'ny famoahana ny lisitry ny olona nanao ratsy sy mandefa tatitra fampahafantarana any amin'ny Antenimiera ihany ny asan'izy ireo isan-taona. Fa tonga hatrany amin'ny fitsikeràna mikasika ny teti-bola.

Afaka manadihady ny olona rehetra ny mpiasa ao amin’ io Kaomisiona io, na izay manao asam-panjakana. Ao anatin'izany ny Praiministra, ny “AG”, ny Kabinetran'ny Minisitra, ny Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, ny Solombavam-bahoaka, Ireo rehetra miasa amin'ny Asam-Panjakana, any amin'ny Fitsarana sy ny Mpiasa tsotra, ny Polisy, ny Mpampianatra, ny mpiandraikitra ny asa sy ny Mponina , ireo Diplaomaty sy ny Mpanolotsain'ny Governemanta.

Raha averinao vakianao milamina tsara io lisitra io ary azonao tsara ny maha zava-dehibe azy dia ho hitanao fa tena manara-maso ny ampahany betsaka amin'ny sehatra maro eto amin'ny firenentsika ny Kaomisionan'ny Fahamendrehana, koa raha tena nomena olona sahaza sy miasa tsara izy, ara-kevitra, dia tokony ho afaka hamongotra ireo karazàna kolikoly sy ireo tsy fetezana maro misy eto amin'ny fiarahamonintsika izy.

Avy eo izy niompana tamin'ilay lalàna navoakan'i Jack Warner, ilay Ministry ny Filaminana Anatiny sady Filoha Mpanampy tao amin'ny FIFA teo aloha, izay voahoso-potaka tamin'ny fanehoana tsy fahamendrehana ara-pitondran-tenany tamin'ny fiainam-bahoaka:

Efa hatramin'ny 05 Novambra 2007 no niasan'Ingahy Warner tamin'ny resaka fiainam-bahoaka. Fanta-bahoaka ny asa nataony tamin'ny na-mpikambana azy tao amin'ny “Caribbean Football Union”, Concacaf ary FIFA. Hatramin'izay naha mpikambana azy tao amin'ny Governamanta ny taona 2010 izay anefa, dia marobe ny fanendrikendrehana sy fiampangana nihatra tamin'Ingahy Warner. Manana Kaomisionan'ny Fahamendrehana isika eto Trinidad sy Tobago, izay efa ho am-polo taonany izao raha kely indrindra. Fa maninona no tatitra iray avy amin'ny Concacaf no namongàrana ny mikasika ny resa-pandraharahàn'Ingahy Warner sy ny famezivezem-bola nataony efa tany amin'ny taona 2006?

Raha iverenana ny fanambaràna nataonà Gazety iray teo an-toerana ny volana Novambra 2012 izay nanambara fa nataon'ny IC. fanadihadiana Ingahy Warner, rehefa nanontaniana mikasika ny loharanom-baovao anefa izy ireo  , indrindra Ingahy Martin Farrell, ilay mpiraki-draharahan'ny  IC, dia hoy izy namaly : ‘Tsy amin'ny toeran'ny afaka  hamaly izany fanontanianao izany ny Kaomisionan'ny Fahamendrehana. Azonao angamba ny antony, raha rasina ny antom-pisian'ny iraka sahaniny eo ambany fifehezan'ny Lalàna momba ny Fahamendrehan'ny Fiainam-bahoaka, dia natao hanao ny asany anaty tsiambaratelo tanteraka ny Kaomisona.’

Hiroso haingana amin'izao fotoana izao, volana Aprily 2013 isika, taorian'ny tatitra avy amin'ny Kaomitin'ny Fahamendrehana ao amin'ny Concacaf ary eto dia mbola misy hatrany ny fahanginana tanteraka asehon'ireo sampana maro sy ny manampahefana sasany. Ny vaovao farany henontsika avy amin'ny  DPP mahakasika iny raharahan'Ingahy Warner iny izao dia ny hoe napetraka eo am-pelatanan'ny polisy ny fanadihadiana raha toa Ingahy Warner ka nandika ny lalàna eo amin'ny Doany sy ireo lalànan'ny hetra tsy mivantana. Toa nikatso tanteraka ny hevitry ny “AG” mikasika an'Ingahy Warner. Ary mijanona ho ankamantatra tanteraka kosa ny an'ny Kaomisionan'ny Fahamendrehana. Tsy manao fanambarana betsaka, kanefa manao sarinteny amin'ny fanadihadiana misy amin'izao fotoana izay hatreto anefa tsy nahafa-po ny vahoaka akory.

Plain Talk, mivazivazy ratsy, dia nanampy toy izao :

Ny famaritana azo ekena indrindra ny atao hoe Etika  dia – ‘Rafi-pisainana izay mibaiko ny fitondran-tenan'ny tsirairay.’ Ilay Ivontoeran'ny Fangaharahàna ao Trinidad sy Tobago…dia nanao torohevitra fa tokony hametraka tondro-zotra ho an'ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra ny Governemanta izay ahitàna fanekena fa he izay mpikambana rehetra miatrika fiampangana henjana dia tsy mantsy mametra-pialàna, izay torohevitra hita mazava fa tsy nijerena ny natiora sy ny kolontsainan'ny politika ary ny politisiantsika eto an-toerana, izay tokony ho azon'izy ireo an-tsaina fa mety hanimba tanteraka ny governemanta sy hanafoana tanteraka amin'ny fotoana tsy ampoizina ny kabinetra ny fifehezana toy izany.

Kanefa ny ” Eternal Pantomime” nilà valinteny :

Taorian'iny tatitry ny Concacaf iny dia tsy maintsy manontany tena ihany isika hoe inona no tena olana misy eto amintsika eto no toa manana sampan-draharaha sy rafitra maro, ary toy ny tsy misy anefa izy ireny ho antsika. Fa nahoana no sarotra ny fanadihadiana an'i Warner sy ny mitaky azy hanome valintenyho an'ny vahoka  ? Nahoana ilay Komisionan'ny Fahamendrehana miarakainà fahefana betsaka ara-taratasy, no mazàna tahàka ny marefo ? Mba rahoviana marina ireny rantsana natao hanaramaso ny fiainam-bahoaka ireny vao mba hanomboka hanana ny hajàny e? Sa ve tsy Ingahy Warner irery ihany no hanaovantsika fanadihadiana, fa ny fahamendrehan'ilay kaomisionantsika mihitsy ?

Tsy nanana valiana tamin'izany i aka_lol, kanefa kosa raha nijery ilay firotsahan-kofidian'i Jack Warner indray ho amin'ilay toerana banga ao amin'ny Chaguanas Andrefana ( izay nametrahany fialàna an-tsitrapo ), dia tsy nisalasala ilay bilaogera tamin'ny faminavinàna mihoatra noho izany aza tamin'io zavatra io ihany:

Farany ny Praiministra, izay tsy afaka ny hanampi-maso amin'ireo porofo mivaingan'ny fiovàna, dia naneho hasosorana sy zava-doza izay nahatezitra na nanahiran-tsaina an'i Jack hametra-pialàna. Tsy misy mahalala. Angamba niasa ho amin'ny tombontsoany iny fanadihadiana iny satria hatramin'izao tsy misy olona mieritreritra an'Ingahy Jack Warner ho olon-dratsy mihitsy.

Avy amin'ny pejy iray manontolo feno dokambarotra sy fanambarana tonga tao amin'ity bilaogy ity, toy ireo mpitantana avy amin'ny UNC [United National Congress, ilay antoko politika izay ahitàna ny ampahany betsaka amin'ny Governemantan'ny Fiaraha-mitantan'ny Vahoaka] hitsahatra tsy hitolona Ingahy Warner. Manana ireo mahantra sy be fihetseham-po i Jack ho toy ny fitaovam-piadiany, ary ny UNC toa hoe manana ny fahafahana manohintohina izay olona tsinjo ho miray dia sy manohana an'i Jack. Samy milanja kibay goavana ny andaniny roa izay ny vokany dia manome tombony an'i Jack manoloana ilay tia sehoseho sady matanjaka. Fantatra tsara ny fitaovam-piadiana miafin'i Jack, izany moa dia ny hametraka ny filatsahan-kofidiany amin'ny anarany manokana, noho izany malalaka ny toerana ho an'ny mpanohitra. Avelao hanomboka ny lalao.

Ny hajiantsary nampiasaina tamin'ity lahatsortara ity, “Etika sy Moraly : Tsy voafetra ary maneran-tany ?” dia avy amin'i stephenccwu, nampiasaina eo ambanin'ny Attribution-NonCommercial-NoDerivs 2.0 Generic Creative Commons license. Tsidiho ny tahirn-tsarin'i stephenccwu ao amin'ny flickr photostream.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.