Sivanin'i Shina Ny Hetsi-Panoherana Fananganana Orinasa Shimika

Nidina an-dalambe ny mponina ao atsimo andrefan'i Shina ao Kunming tamin'ny 4 Mey 2013 ho fanoherana ny mety hamokarana vokatra shimika misy poizina ao amin'ny orinasa iray eo akaikiny.

Araka ny nolazain'ny fampitam-baovaom-panjakana, mana-pikasana ny hanangana orinasa shimika (mpanao fanafody) eo anilan'ny tanànan'i Anning ny Vondron'Asa Nasionalin'i Shina Mpitrandraka Solika hamokatra 500.000 taonina paraxylene (PX) hanaovana fananganana. Olona manakaiky ny 3000 no nivory teo afovoan-tanàna hanohitra ny mety ho fiparitahan'ny PX.

Nataon'ny mpampita vaovaom-panjakana ao Shina izay tsy nilazana ilay hetsi-panoherana, ary niasa mavitrika tamin'ny famafana ny sary vaovaon'ny fihetsiketsehana ao amin'ny famahanam-bolongana bitika Sina Weibo ny mpanao sivana an-tserasera hatramin'ny 4 mey 2013. maro moa ireo mpiseran'ny tranonkala no nanova ny sarintavany ho sarin'ny “Kunming PX” nasiana vokovoko ho endri-panohanana.

Malaza amin'ny voninkazo sy ny hazo ao i Kunming noho ny toetr'andro toy ny lohataona mandrakariva ao. Io no iray amin'ny tanan-dehibe Shinoa vitsy dia vitsy mba manga hatrany ny lanitra.

Efa nisy fihetsiketsehana tahaka izao ihany koa nipongadra tany amin'ny tanàndehibe hafa. Tamin'ny 2007, olona an'arivony tany amin'ny tanàna faritra atsinanan'i Shina ao Xiamen no nanohitra fananganana orinasa mpamokatra PX. Tao anatin'ny roa taona izao, fihetsiketseha-panoherana NIMBY roa goavana no nipoaka tao Dalian sy Ningbo.

Protesters wore symbolic masks and brandished posters warning against the dangers of a paraxylene (PX) spill.(From Sina Weibo)

Mpanao fihetsiketsehana manao sarontava saimbolika sy mampiakatra afisy mampitandrina ny lozan'ny fiparitaky ny paraxylene (PX). (Avy amin'ny Sina Weibo)

Mpisera Weibo iray “Boluocun Yihao” avy ao Kunming no niantso [zh] fanohanana an-tserasera bebe kokoa:

媒体被控制,手机信号被切断,保卫人民生命安全的警察却没有保卫,"XX石化炼油厂,滚出昆明!"我们不要牛奶河,我们不要PM2.5,我们不要PX。希望大家可以接力转载,转发。保护我们的母亲昆明。

Famehezana ny fampitam-baovao, fanapahana ny antso finday, ny polisy heverinaho miaro ny vahoaka tsy niaro ny vahoaka, “Ry orinasam-panadiovana solika-shimika XX, mialà an'i Kunming!” Tsy mila reniranon-dronono izahay [lasa nivadika lokon-dronono ny renirano ao Kunming noho ny loto], Tsy mila PM2.5 [fandotoan-drivotra] izahay, tsy mila  PX izahay. Miangavy aparitaho ity hafatra ity. Arovy i Kunming renintsika.

Mpisera Weibo iray hafa avy ao Kunming  nitsikera [zh] ny sivana mihatra amin'ny fampitam-baovao:

那么大一个中国,只有《北京晚报》一家如实报道了昆明昨天发生的事。而且还不是亲自采访的,是引用网易的。据说中新社的采访了昨天的事,但是最后没能发表。新华社,央视更是能躲则躲…..中国已经没有媒体能为百姓说话了,同意的速转.

Ity firenena goavana ity, fa ny “Vaovao Takarivan'i Beijing” ihany no nitatitra araka ny tokony ho izy izay nitranga tao Kunming omaly. Tsy tao no niaingan'ny tatitra, fa notsongaina avy amin'ny NetEase. Voalaza fa nanao tafatafa ny tao amin'ny sampandraharaham-panangonam-baovaon'i Shina omaly, saingy noraràna ny famoahana izany tamin'ny farany. Nanafina araka izay azony natao ny fanangonam-baovao Xinhua na ny CCTV ….Tsy manana fampitam-baovao hisolo vava ny vahoaka i Shina. Mingavy mba alefaso indray ity hafatra ity raha ekenao ny voasoratra.

Nanao  izay hampiàko [zh] ny fahatsapana ao anatiny ny mpitendry mozika iray avy ao Kunming “Yinyue Xiaosun”:

Sign reads: "Beatiful Kunming! We need to survive! We want to be healthy! PX—out of Kuming !"

Banner reads: “Beautiful Kunming! We need to survive! We want to be healthy! PX—out of Kunming !” (From Sina Weibo)

各位昆明的媒体朋友,我理解你们的工作,就像我们理解今天的警察哥哥,警察叔叔,警察姐姐一样。但是,你们都生活在昆明,都爱自己家乡,都希望自己的孩子呼吸新鲜的空气,不是吗??不是吗?不是吗?

Ry namana Media eto Kunming, azoko ny fizotry ny asanareo, tahaka ny ahazoantsika ny politika ankehitriny. Saingy monina eto Kunming ianareo. Tiantsika rehetra ny tanànantsika ary tiantsika ny zanatsika hifoka rivo-madio, sa tsy izany?? Sa tsy izany? Sa tsy izany?

Ny mpisera Weibo “Kong Batian” nampahatsiahy [zh] Fampirantiana Voly Voninkazo Mondialy notontosaina tao Kunming tamin'ny 1999:

14年前的今天,在“人与自然,和谐发展——共同迈向21世纪”的口号下,昆明人满怀激动与自豪迎来了中国第一个世博会!而14年后的今天,云南人竟然要为了自己的生存环境走上街头进行抗争!这真是对昆明人民莫大的讽刺!

14 taona lasa izay, tamin'ny alalan'ny lohahevitra manao hoe “olona sy natiora, mizotra mankany amin'ny taonjato faha-21”, nirehareha tamim-pireharehana sy fientanentanana ny Fampirantina Mondialy voalohany tao Shina ny mponin'i Kunming ! 14 taona taty aoriana, midina an-dalambe ny mponin'i Yunnan hiady hiaro ny tontolo iainana! Izany no fanarabiana lehibe mahazo ny vahoakan'i Kunming!

Nanatsonga [zh] ny tononkalo nosoratan'ny mpanao gazety malaza Bai Yansong ny mpisera Weibo maro:

Sign reads " Uncle and aunt, we need clean air!"

Marika mivaky hoe “Dadatoa sy nenitoa, mila rivotra madio izahay!” (Avy amin'ny Sina Weibo)

用不了多久,这座城市将慢慢退出人们的视线,沦为历史的鸡肋,美丽的传说将永远成为传说,没有人会对此负责,应该对此负责的人早已离开了这个城市,甚至这个国家,他们的子女早已远居海外,留下的只是一个破烂污染的废城,一方癌症的区域,一群朴实、愚昧的人民, 这个城市叫作昆明。

Tsy ho ela fa nitsontsorika tsy ho hita sy hoadinoin'ny tantara ilay tantara. Hitoetra ho angano hatrany ilay angano mahafinaritra. Tsy misy olona azo tazonina ho tompon'andraikitra satria izay tokony ho izany efa nandao ny tanàna, ary efa nifindra monina ny zanany, namela tanàna rotidrotika sy maloto miaraka amin'ny olona tsy manantsiny, faritry ny homamiadana ….. io tanàna io dia nantsoina hoe Kunming.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.