Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy.

Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy ny sazy henjana azon'ilay mpanao gazety an-tserasera nahazo loka Eskinder Nega, izay hiatrika sazy 18 taona an-tranomaizina ankehitriny. Nosamborina tamin'ny volana Septambra 2011 i Nega izay voampanga tamin'ny resaka “fampihorohoroana” araka ny lalàna somary manjavozavo ao Etiopia, lalàna izay natao hanenjehana sy hikendrena ireo mpanao gazety an-tserasera sy mpanohitra mpanao politika. Nahitana fanemorana hatrany ny fitsarana azy sy ny fampiakarana fitsarana nataony, tsy nitsahatra nanakiana ny sazy sy ny fanagadrana azy ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalam-pitenenana. Nikarakara fanentanana ho amin'ny famotsorana azy ny EFF, PEN Amerikàna, ny Komity mpiaro ny Mpanao gazety, sy ny sisa hafa, ary nilaza kosa ny Firenena Mikambana fa manitsakitsaka ny lalàna iraisam-pirenena ny fiampangana azy.

Ho setrin'ny didy navoakan'ny Fitsarana Tampony, nilaza i Mohamed Keita avy ao amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao gazety fa, “mariky ny fahatahoran'ny fitondrana ny fanehoan-kevitry ny olon-tsotra ny fanenjehana an'i Eskinder sy ireo mpanao gazety hafa.”

Free Eskinder campaign image.

Sary Fanentanana ho amin'ny Famotsorana an'i  Eskinder.

Tao Etazonia no nandrato fianarana ambaratonga faharoa i eskinder Nega, nianatra tao amin'ny Oniversite Amerikana izy talohan'ny niverenany tao Etiopia mba hanao ny asa fanaovan-gazety. Nanangana gazety efatra izy—izay nakaton'ny governemanta Etiopiana avokoa—ary nogadraina imbetsaka izy noho ireo lahatsoratra mahery vaika novokariny. Noesorina taminy ny fahazoan-dalana amin'ny asa fanaovan-gazety, nivadika tao amin'ny tontolon'ny nomerika i Nega avy eo, nanjary bilaogera izy ary mampiasa am-pivitrihana ny aterineto hiresahany momba ny toe-draharaha politika ao Etiopia. Raha maro ireo mpanao gazety Etipiona no nangina sy nitsoaka tao amin'ny ny firenena mba hiaro ny ainy sy ny fianakaviany, tsy mba nanao tahaka izany kosa i Eskinder Nega. Nahatonga azy ho modely iraisam-pirenena amin'n'ny fahalalahan-gazety sy ny herin'ny aterineto ny herim-po nananany sy ny fikirizany amin'ny ny asa fanaovan-gazety mba hiarovana ny fahalalaham-pitenana manoloana ireo fepetra manafay.

Manoratra am-pitiavana ireo zavatra azo trandrahana ho an'i Etiopia i Eskinder Nega mba hiarovana ny zon'olombelona sy ny fahalalaham-pitenenana. Taminà lahatsoratra bilaogy iray, hoy izy nanoratra:

Tyranny is in retreat everywhere. It has lost one of its two last great bastions, the Arab world. The momentum is now on the side freedom. Freedom is partial to no race. Freedom has no religion. Freedom favors no ethnicity. Freedom discriminates not between rich and poor countries. Inevitably, freedom will overwhelm Ethiopia.

Hatraiza hatraiza dia mihemotra ny didy jadona. Very ny iray tamin'ireo mandatehezany lehibe, ny tontolo Arabo. Ny fahalalahan'ny ankilany ankehitriny no ezaka misy. Tsy mitanila amin'ny firazanana ny fahalalahana. Tsy manana fivavahana ny fahalalahana. Tsy manome tombony ho an'ny firazanana ny fahalalahana. Tsy manavakavaka ireo firenena mahantra sy ny manankarena ny fahalalahana. Tsy azo ihodivirana fa tsy maintsy hanjaka ao Etiopia ny fahalalahana.

Mampahafantatra ny zava-misy eo amin'ny fiainana andavanandron'i Etiopia ireo lahatsoratra novokarin'i Eskinder Nega ary nanjary loharanon'ny aingam-panahy  ho an'ny vahoakan'i Etiopia sy izao tontolo izao. Fitsipahana ny asa fanaovan-gazety miavaka manokana sy matanjaka ao amin'ny firenena mangetaheta vaovao mari-pototra, marina, sy ahitana fijery isan-karazany ny fanagadrana azy hatrany hatrany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.