Brezila: Diabe ho an'ny Fandriampahalemana Notanterahan'ny Tanora tao Fortaleza

An-jatony ireo olona nanao diabe nanerana ny araben'i Canindezinho ao Fortaleza [tanàna faharoa ao avaratr'i Brezila] nandritra ilay fidinana an-dalambe ho an'ny fandriampahalemana, entina indrindra hiampangana ireo famonoan'olona eo anivon'ny tanora, ka noraisina ny fepetra tsy hampisy izany intsony sy hanondroana ny fahalemen'ireo foto-drafitr'asa ao an-toerana fantatra amin'ny anarana hoe “Grande Bom Jardim” mandrakotra fokontany dimy. Nanomboka ny tolakandron'ny 18 Aprily 2013, teo amin'ny kianjan'ny Canindezinho no nivory ireo tanora, mpianatra, mpampianatra, ireo tompon'andraikitra avy amin'ny fikambanana isan-karazany, ireo mpanakanto ary ireo mpankasitraka. Ireo sasantsasany izay tonga aloha moa dia efa nikarakara ny sora-baventiny teo amin'ny dabilio tao an-toerana, ary ny sasany kosa efa nitondra sorabaventiny avy any : tian-dry zareo holazaina ny momba ny hatanorana, ny fitoniana ary ny fiainana. Mba ho solon'ny fanajana moa dia nisy ireo nitafy akanjo maneho ny sarin'ireo namana sy akaiky izay nisy namono.

Une banderole pose la question : "Combien de jeunes devront encore mourir avant que la société et l'État ne réagissent ?". Une autre porte le titre "Manifeste pour la paix". Photo de Icaro Martins, publiée sur Facebook.

Fanontaniana eo amin'ny sora-baventy iray : “Firy ny isan'ny tanora ho faty vao handray andraisika ny fanjakana ?”. Ny hafa kosa maneho hoe “Teny ierana ho amin'ny fandriampahalemana”. Saripika Icaro Martins, navoaka tao amin'ny pejy Facebook.

Ny fikambanan'ny tanora Miasa ho amin'ny Fandriampahalemana (Jovens Agentes de Paz – JAP) no nikarakara ity diabe ity, tetikasan'ny  Ivon-toeram-piarovana ny Aina – Herbert de Souza izay miorina amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo sekoly, ireo fikambanana isam-paritra, ireo fikambanana tsy miankina sy vondron'ny mpanakanto ary ara-pivavahana. Araka ny nolazain'ireo mpikarakara moa, dia nahatratra 1.500 ireo nandray anjara tamin'ity diabe ity.

Manao antso mba hiarovana ny aina

Marche pour la paix du Grande Bom Jardim. Image diffusée sur la page Face du projet Jovens Agentes de Paz.

Diabe  ho an'ny fandriampahaleman'i Grande Bom Jardim. Saripika nalefa tao amin'ny pejy facebook-n'ny tetikasa Jovens Agentes de Paz/ Tanora miasa ho amin'ny fitoniana

Araka ny taratasy misokatra izay mitondra ny lohateny hoe “Fanoherana ny herisetran'ny fanjakana sy ny fandringanana nolazaina mialoha : Andao atao avo ny feontsika mba hiarovana ny aina !” sy ny lahatsoratra ao amin'ny tranonkalan'ny Ivon-toeram-piarovana ny Aina – Herbert de Souza, dia 491 no maty misy ifandraisany amin'ny herisetra teo anelaelan'ny 2007 sy 2010 tao Grande Bom Jardim. Araka io lahatsoratra io ihany, dia nahatratra 186 ireo tanora teo anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 19 taona, maty teo anelanelan'ny taona 2007 sy 2009 ; ho an'ny taona 2012 manokana kosa, olona 166 no maty nisy namono tao an-toerana. Raha atao ny karazana fampitahana dia ahitana mponina 204 281 ireo fokontany dimy ireo, ka ny 120 957 amin'izany dia latsaky ny 30 taona, araka ny fanisam-bahoaka taona 2010 teo anivon'ny Ivontoerana Breziliana misahana ny toe-tany sy ny antontanisa (Instituto Brasileiro de Geografia e Estatística – IBGE). Ho an'ny mpikarakara ny diabe, dia maro ny tolona ho fanoherana ny “rojom-panitsakitsahana” [ny zon'ny ankizy], sy ny fanoherana ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra (lazain'ny lahatsoratra fa ankizy mihoatra ny 9 611, adolatsento sy tanora, eo amin'ny 5 ka hatramin'ny 24 taona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra), ny ady amin'ny aretina vokatry ny foto-drafitr'asa sy fitandroam-pahasalamana tsizarizary ary ny ady amin'ny fanerena ny zaza tsy ampy taona, lahy sy vavy hivaro-tena. Nametraka tsikera momba ny fampidinana ny taona mahaolondehibe eo anatrehan'ny fitsarana adi-heloka bevava ao Brezila ho 18 taona ihany koa ity taratasy nomena ireo nanatrika sy nozaraina teny an-dalambe ity:

Não bastasse esse cenário de horror, os jovens ainda têm que carregar a responsabilização da violência crescente no Brasil, em um processo de criminalização da juventude, que se articula com o consequente aumento do encarceramento de jovens e a batalha de setores reacionários pela redução da maioridade penal. Ou mesmo, têm que sofrer com a truculência de abordagens policiais diuturnamente, um tratamento igualmente prestado pelas emissoras que têm na sua programação os programas policiais, criminalizando pobres e estigmatizando bairros.

Ary tahaka ny tsy mbola ampy ny zava-misy mahatsiravina, dia samy nandray ny andraikiny ireo tanora noho ny herisetra mahery vaika ao Brezil, manoloana ny fomba haha-olomeloka ireo tanora, hita taratra amin'ny fitomboan'ny fampidirana an-tranomaizina ireo tanora ary ny adin'ireo avy amin'ny tontolo mpamaly bontana mitaky ny fampidinana ny fahatongavan-taona eo anatrehan'ny fitsarana ho [16 taona na 14 na hatramin'ny 12 taona aza]. Nisedra ihany koa izy ireo ny herisetran'ny polisy mandritra ny fisavana fanao tahaka ny fahita amin'ny fahitalavitra ahitana fandaharana tontosain'ny polisy mpanameloka ny mahantra sy mampanao anjorom-bala fokontany maro

Le groupe de percussion du projet Luthieria Cultural joue au beau milieu du défilé. Photo publiée sur Facebook via le profil du collectif Crítica Radical.

Vondron'ampongatapaka avy amin'ny tetikasa Luthieria Cultural ao anivon'ny Filaharambe. Saripika nalefa tao amin'ny pejy Facebook tamin'ny alalan'ny collectif Critica Radical.

Nanaraka akaiky ny zava-misy, niaraka tamin'ny fakantsariny ny tanora mpandray anjara iray, Icaro Martins izay nanangana rakitsary tao amin'ny Facebook mba hamoahana ireo sary nandritra ny filaharambe.

Des citoyens portent la banderole "La jeunesse osant lutter vient avec nous marcher - La jeunesse a le droit de vivre". Photo publiée par Icaro Martins sur Facebook.

Des citoyens portent la banderole “La jeunesse osant lutter vient avec nous marcher – La jeunesse a le droit de vivre”. Photo publiée par Icaro Martins sur Facebook.Ireo olom-pirenena mitondra faneva “Ry tanora sahy, avia miaraka aminay – manan-jo hiaina ny tanora”. Saripika nalefan'ny Icaro Martins tao amin'y Facebook.

Matso ho amin'ny fandriampahalemana

Tamin'ny 16 martsa ihany koa, dia nandray anjara tamin'ny filaharamben'ny fandriampahalemana ireo tanora eo anivon'ny tetikasa Luthieria Cultural tao amin'ny zaridaina Sao Vicente, ao amin'ny fokontanin'i Canindezinho. Ny tetikasa Lutheria dia “fisantarana andraikitra ara-javakanto, milalao sy manabe” entina “hampihenana ny herisetra misy ao amin'ny faritra” amin'ny alalan'ny mozika tendrena sy ny fanofanana [ireo tanora].

Peinture murale pendant le cortège : "Unissons nos mains pour la paix". Photo publiée sur le blog du projet Luthieria Cultural.

Fandokoana rindrina nandritra ny filaharambe : “Andao hiray hina ho amin'ny fandriampahalemana”. Saripika nalefa tao ami'ny bolongan'ny tetikasa Lutheria Cultural.

Des participants au projet jouent des percussions au parc São Vicente, dans le quartier de Canindezinho. Photo publiée sur le blog du projet Luthieria Cultural.

Ireo mpandray anjara avy amin'ny tetikasa mitendry zava-maneno teo amin'ny zaridainan'i Sao Vicente, fokontanin'i Canindezinho. Saripika tao amin'ny bolongann'ny tetikasa Lutheria Cultural.

Tetikasa maro no tanterahina amin'ireo toerana ireo entina hiadiana amin'ny herisetra eo anivon'ny tanoran'ny Grande Bom Jardim. Ho an'i Jari Soares, mpandrindra ny tetikasa Luthieria, dia manana vahaolana lehibe ny hetsika ara-kolontsaina :

Nosso foco maior foi dizer que as ações culturais do bairro constituem-se como potencialidades frente as situações de desigualdade e violência enfrentadas nas periferias de Fortaleza.

Ny tanjonay voalohany dia ny mba hampatsiahy fa fanoitram-bahaolana iray manolona ny tranga tsy-fitoviana sy ny herisetra mpitranga ao Fortaleza ny hetsika ara-kolontsaina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.