Lasa Nifanandrina ny Football sy ny Labiera ao Panama

Football sy labiera, zava-droa tian'ny Panameana indrindra, no lasa nifandona rehefa nalain'ny orinasa mpamokatra labiera Baru-Panamá [es] ny kaonty bankin'ny Federasiona Panameana Football (FEPAFUT), itakiany onitra $7 tapitrisa dolara amerikana noho ny fanapahana fifanarahana.

Nitatitra toy izao i Cocoas [es] tamin'ny 25 Avrily 2013:

No malas, son terribles noticias para la Federación Panameña de Fútbol que hoy tiró la bomba de que Cervecería del Barú ha secuestrado a la FEPAFUT por un monto superior a los seis millones de balboas. ¡Oye! Ese no es relajo de plata…

Tsy vitan'ny vaovao ratsy ihany fa mampihoron-koditra ho an'ny Federasiona Panameana Football, izay nandatsaka ny baomba androany fa nalain'ny Barú Brewery ny volan'ny FEPAFUT mihoatra ny enina tapitrisa dolara. Mihainoa! Tsy fanao ny mikivazivazy amin'ny vola…

Ao Panama, ahazoam-bola 390 tapitrisa dolara isan-taona ny fanjifàna labiera, mametraka azy ho iray amin'ireo tampony amin'ny famokarana sy fisotroana ao Amerika Latinina. Araka ny Central América Data [es]:

El mercado vale más de $390 millones al año y es controlado por dos grandes empresas: la Cervecería Nacional, subsidiaria de SabMiller, y Cervecería Barú- Panamá, bajo el control de Heineken N.V. El año pasado se produjeron 247,2 millones de litros de cerveza, 5,1% más que en 2010, una cifra muy superior a la del seco (6 millones de litros) y el ron (7,2 millones de litros), según cifras de la Contraloría General.

Misanda mihoatra ny 390 tapitrisa dolara isan-taona ny tsena ary fehezin'orinasa roa goavana: Ny Mpamokatra Nasionaly, sampan'ny SabMiller, sy ny mpamokatra labiera Barú-Panamá, eo ambany fifehezan'ny Heineken N.V. 247,2 tapitrisa litatra ny labiera vokatra tamin'ny herintaona, mihoatra 5.1% noho ny tamin'ny 2010, tarehimarika mihoatra noho ny seco (6 tapitrisa litatra) sy sy ny raoma (7,2 tapitrisa litatra), araka nisy isa avy amin'ny Biraon'ny Kaonty Ankapobeny.

Etsy andaniny, nahitana fivelarana faingana ny football tao Panama, nahasarika mpankasitraka an'arivony maro hijery ny lalaon'ny ekipam-pirenena Panameana izay sambany hita tena manakaiky ny ho tafita amin'ny dingana fifantenana  amin'ny mondialy. Ny FIFA [es] mihevitra an'i Panama ho firenena nahitana fandrosoana indrindra eo amin'ny faritr'i  CONCACAF (Konfederasionan'ny Fikambanan'ny Football ao Amerika Avaratra, Afovoany ary Karaiba), araka ny filazan-dry zareo azy ao amin'ny habaka:

Partido de fútbol, Panamá. Foto de Eirene Moreno, usada con permiso.

Lalao Football, Panama. Saripikan'i Eirene Moreno, nahazoana alalana.

En cuanto a Panamá, a pesar de caer en la final, volvió a poner de manifiesto que es la nación que más rápido está progresando en el ámbito de la CONCACAF, y obtuvo el pase a su segunda competición mundial sub-17 consecutiva tras realizar varios partidos sensacionales.

Araka ny fandrosoan'i Panama [es], na dia eo aza ny fahareseny tamin'ny famaranana, niverina izany hampisehoany fa izy no ekipam-pirenena hainga-pandroso indrindra ao amin'ny faritra CONCACAF, ary nandroso hankany amin'ny fandraisana anjara faharoa eo amin'ny sehatra manerantany ho an'ny latsaky ny 17 taona izany rehefa nahavita lalao mahavalalanina vitsivitsy izy.

Hatramin'ny desambra 2014 ny fifanarahana teo amin'ny mpamokatra labiera sy ny andry lehiben'ny football ao Panama, saingy naato izany tamin'ny Desambra 2012 raha nanasonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin'ny mpamokatra labiera nasionaly ny federasionan'ny football Panameana izay mitentina 10 tapitrisa dolara hatramin'ny 2018, (ny fifanarahana tamin'ny Barú dia $120.000 isan-taona).

Nalaza ny fisian'ilay fandraofana rehetra niezaka ny hanangona ny loka azon-dry zareo tamin'ny fifaninanana ny mpikamban'ny ekipa Panameana latsaky ny 17 taona, izay tafakatra hanao ny mondialy avy ao amin'ny sokajy nisy azy. Notsongain'ny La Prensa [es] ny tenin'ny filohan'ny Federasiona Panameana Football, Pedro Chaluja:

“Desconocemos la descomposición de estos siete millones de balboas, porque no han recibido formalmente la demanda y no hemos sido notificados. Solo sabemos que hay un secuestro, el cual nos pudimos percatar cuando los jugadores de la Sub 17 no pudieron cobrar sus cheques de premio”

“Tsy fantatray ny fandehan'io fito tapitrisa dolara io satria tsy nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny fitakiana ry zareo ary tsy nomena filazàna izahay. Ny hany fantatsika dia nisy ny fandraofana, izay voamarikay rehefa tsy nahazo ny shekim-pandreseny ny mpilalao latsaky ny 17 taona.”

Tsy niandry ela ny fihetsehampo avy amin'ny tambajotra sosialy ary maro no mahatsapa ho tratran'ny fivadihana tamin'ny fihetsika nataon'ny orinasa mpanao labiera Baru.

Mihevitra i George Haywood (@25haywood) [es] fa tsy amin'ny federasiona ihany no misy ny fiantraikan'ny fandraofana fa any amin'ny hoavin'ny Panameana mihitsy:

@25haywood: Al secuestrar a la fepafut secuestran el fútbol de Panamá y el futuro de muchos jóvenes.

@25haywood: tamin'ny fandraofana nataon-dry zareo tamin'ny fepafut, noraofin-dry zareo ny football an'i Panama sy ny hoavin'ny tanora maro.

Nantso ny hanaovana fahirano hampitsahatra ny fividianana ny vokatry ny Baru ny kaonty Vía Noticias (@traficologo) [es] :

@Traficologo : Fanático panameño: no compres productos de Cervecería Barú y @cerveza_panama. Sus acciones contra @fepafut afectan a la selección de #Panama

@Traficologo: Mpankasitrak'i Panama : aza mividy ny vokatra avy amin'ny mpamokatra labiera Barú sy @cerveza_panama. Misy fiantraikany amin'ny ekipam-pirenen'i #Panama ny zavatra ataon-dry zareo hamelezana ny @fepafut.

Mihevitra i Rodrigo Tomás (@rodtomas18) [es] fa mety hisy risika ny firosoan'i Panama mankany amin'ny mondialy noho io fepetra noraisina io:

Cerveza Panamá. Foto de usuario de Flickr Daniel Huggar, bajo licencia Creative Commons (CC BY-ND 2.0)

Cerveza Panamá. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Daniel Huggard, ambany lisansa Creative Commons (CC BY-ND 2.0)

@rodtomas18: Estos extranjeros de @cerveza_panama tendran IDEA de lo q significa La Roja para nosotros? Estan arriesgando nuestros planes de Mundial!

@rodtomas18: Mba azon'ireo vahiny avy ao amin'ny @cerveza_panama veroka ve ny lanjan'ny La Roja [Ekipam-pirenena Panamaneana] ho antsika? Nataon-dry zareo idiran-doza ny drafitsika ho amin'ny mondialy!

Saingy, mihevitra kosa i Nino Mangravita (@ninomangravita) [es], fa tsy misy ifandraisany loatra amin'ny fiatrehana ny mondialy ny zava-mitranga eo amin'ny Fepafut sy ny mpamokatra labiera fa resaka fandraharahana izany:

@ningomangravita: todos queremos que nuestra selección gane, es un sentimiento.. pero lo que está pasando entre Fepafut y CB son negocios, deben solucionarlo.

@ningomangravita: tiantsika rehetra handresy ny ekipantsika, fahatsapana izany…fa bizina kosa no misy eo amin'ny Fepafut sy ny CB amin'izao fotoana, tokony hovahan-dry zareo izany.

Mitovy hevitra amin'izany i Jacinto Gonzalez (@JacintoElias) ary mihevitra izy fa tokony hajaina amin'ny fotoana rehetra ny fifanarahana natao:

@JacintoElias: @lilyvargastv Contrato es Contrato, Fepafut pensó q como era epoca de eliminatorias cerveceria Panama no iba a actuar. Panameño juega vivo

@JacintoElias@lilyvargastv Rehefa fifanarahana dia fifanarahana, nihevitra ny Fepafut fa hatramin'ny nahatafakatra azy dia tsy hihetsika ny mpamokatra labiera Panama. Tian'ny Panameana izay mahatsanga-tanana ambony kokoa

Tsy maintsy namoaka taratasim-piarovantena ny Cevecería Baru tamin'ny famoahana taratasy tao amin'ny bilaoginy nanazavazavany fa tsy fikasan-dry zareo ny hanimba ny football fa ny hifampiraharaha [es] sy ny hitady tarehim-bola hahafapo ny roa tonta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.