Mpikatroka Mafàna Fo Mpiaro Zon'olombelona, Nampanantsoin'i Arabia Saodita Mba Halaina Am-bavany

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny : Mpandàla Fanovàna Miatrika Fitsarana ao Arabia Saodita.

 

Omar Al-Saeed, mpikambana ao amin'ny Fikambanana Saodiana Mpiaro ny Zo Sivily sy Ara-politika (ACPRA), dia voaantso halaina am-bavany tamin'ny 22 aprily ary mbola nangatahana hiverina amin'ny herinandro ho avy.

Nandeha tany amin'ny Biraon'ny mpanao fanadihadiana sy Fampanoavana tao Qassim i Al-Saeed, niaraka tamin'ny rahalahiny, Abdullah Al-Saeed,  izay mpikambana ihany koa ao amin'ny ACPRA. Tany, Omar sy Abdullah dia nifanena tamin'ny mpaka am-bavany Ahmad Al-Thekri.

Tsy nisy indray ilay fakàna am-bavany tokony nandrasana. Ho solon'izany, Nangatahana hiverina indray i Al-Saeed amin'ny herinandro manaraka.  Nangataka izy mba homena fotoana misimisy kokoa hitadiavana mpisolovava hanatrika izany  miaraka aminy, saingy nanantitrantitra ilay mpaka am-bavany fa tsy maintsy tonga izy amin'ny herinandro ho avy.

Fotoana fohy taorian'ny nandefasana ny bitsika ny zavanitranga tao amin'ny birao, Koetiana iray mpisolovava , Bader Al-Harbi, no niteny an'i Omar Al-Saeed tao amin'ny Twitter fa hanampy azy:

@bhd1973: @181Umar
مستعد استاذ وبالخدمة

@bhd1973: @181Umar vonona ary hanampy anao

Raha mbola tao amin'ny biraon'ny mpanao Fanadihadiana sy ny Fampanoavana i Al-Saeed, nanomboka ny tenifototra #عمر_السعيد ireo Saodiana, izay nadikan'i Omar Al-Saeed, ho firaisankina hiaraka aminy.

Abdullah Al-Mogbel nibitsika hoe :

@asmogbelt: تجريم نشطاء الحقوق ومن يمتهنون العمل السلمي ينذر بكارثة خطيرة عندما يصادق القضاة على كليشة المدعي العام الفتنة والتأليب.الخ #حسم #عمر_السعيد

@asmogbelt: ny fanamelohana ireo mpikatroka mafàna fo sy mpiaro am-pilaminana ny zo dia fampitandremana fisianà lozabe satria ireo mpitsara dia manohana ireo clichés (fanazavàna: ny cliché eto dia teny izay efa very ny hevitra fototra niaingàny) avy amin'ny Lehiben'ny Fampanoavana toy ny hoe: fanaingàna hikorontana, sy ny sisa

Turki nibitsika hoe :

@SAUDI_LIBERAL: أخبروا محمد بن نايف بأن سجونه ستمتلئ ولن يجد مكاناً للكم الهائل من المطالبين بالحرية والعدالة والحقوق لأن الشعب مل ببساطة
#عمر_السعيد #حسم

@SAUDI_LIBERAL  Lazao an'i Mohammad bin Naif [Minisitry ny Atitany] fa ho feno ny fonjany ary tsy hahita intsony izy toerana ho an'ireo olona maro mitaky fahafahana, ny fahamarinana sy ny zo satria efa leo ny vahoaka.

Ny fiantsoana an'i Omar Al-Saeed dia tonga toy ny fitohizan'asan'ny Minisiteran'ny Atitany hamelezana ny ACPRA, ilay fikambanana mpiaro zo malaza indrindra ao Arabia Saodita.

Talohan'i Al-Saeed, mpikambana dimy tao amin'ny ACPRA no voafonja: Abdullah Al-Hamed, Mohammad Al-Qahtani, Sulaiman Al-Rushoodi, Saleh Al-Ashwan ary Mohammad Al-Bjadi. Mpikambana iray hafa, Abdulkarim Al-Khader  no vao avy nosamborina fa nanohitra ny fanapahan-kevitry ny mpitsara nandrara ireo vehivavy tsy hanatrika ny fitsarana azy.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny : Mpandàla Fanovàna Miatrika Fitsarana ao Arabia Saodita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.