Vehivavy Noraràn'ny Fitsarana Saodiana Tsy Hanatrika Ny Fotoam-pitsarana Ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona

Folo andro taorian'ny fanomezan-dalana ilay vehivavy Saodiana voalohany hanana mpisolo vava, noraràn'ny fitsarana tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ilay mpikatroka Dr. Abdualkareem al-Khudar izay misokatra ho an'ny daholobe ny vehivavy, mpikambana mpanorina ny Fikambanan'ny zon'olombelona voalohany manohitra ny Fanjaka-panjaka, Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana (ACPRA) i Dr. Abdualkareem.

Sarotra ho an'ny fikambanana tahaka ny ACPRA ny hiasa am-pilaminana noho ny lalàna Saodiana. Tsy mankasitraka ny zo fototry ny olombelona tahaka ny fahalalaham-pitenena ny fitondra-panjaka, ary mandràra ireo karazana fikambanana sy mametra ny fivoriam-bahoaka.

Mpanohana lehilahy sy vehivavy maherin'ny 40 no tonga tao amin'ny fitsarana ao an-tanànan'i Buraidah mba hanatri-maso ny fotoam-pitsarana an'i Dr. al-Khudar tamin'ny 24 Aprily 2013, izay farany amin'ireo andiam-potoam-pitsarana hanenjehana ireo mpikatroka zon'olombelona ao amin'ny Fikambanana ACPRA. Tamin'ny taona 2012, mpikatroka zon'olombelona malaza am-polony no efa nampidirina am-ponja tao Arabia Saodita.

Nolavin'i al-Khudar ny fandraràna ireo vehivavy tsy hanatrika ny fotoam-pitsarany ka nandà tsy hiditra tao amin'ny efi-pitsarana izy. Nosamborin'ny polisy izy raha nitsangana tao ivelan'ny fitsarana. Nanatona ny filohan'ny Fitsarana Heloka Bevava ny mpisolo vava azy Abdulaziz Shubaily (@a_abdulaziz300) [ar] mba hanontany ny antony nisamborana ny olona arovany, ka hoy izy nisioka:

ذهبت للمحكمة وقابلت رئيس المحكمة على العمر قال أن القاضي إبراهيم الحسني أصدر أمربالإيقاف٤أشهر والجلسة القادمة لم تحددبعد.

@a_abdulaziz300 Nankao amin'ny fitsarana aho ary nihaona tamin'ny filohan'ny fitsarana Ali al-Omar. Nilaza izy fa namoaka didy fanagadrana efa-bolana ho azy ny mpitsara Ibrahnim al-Hussni.

Tamin'ny volana lasa, nisy ny didim-pitsarana navoaka tamin'ny raharaham-pitsarana ireo mpikambana mpanorina hafa ny ACPRA, Dr. Mohammad al-Qahtani sy Dr. Abdullah al-Hamid izay naharitra sivy volana. Nahazo sazy folo sy iraikam-binifolo taona an-tranomaizina tsirairay avy izy ireo noho ny “fanakorontanana ny fanohanana ny fanjakana masi-mandidy sy ny mpandimby azy” ary ny “fikasana hanakorontana ny fandrosoan'ny firenena”.

Nanambara ny ACPRA fa araka ny filazan'i al-Qahtani sy al-Hamed, tsy hametraka fitoriana azy ireo ny governemanta raha manaiky hampitsahatra ny fikatrohana ataony izy ireo, hoy izy roalahy nilaza: aleon'izy ireo “migadra toy izay hangina.”

Navela hanatrika ny fotoa-pitsaran'izy roalahy ireo ny vehivavy tamin'izany, saingy androany, nilaza andinin-dahatsoratra koranika ny mpitsara ho fandraràna ny vehivavy tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana. Mpikambana ao amin'ny ACPRA, Abdullah al-Sied (@abdulllah1406) nisioka hoe [ar]:

Dr. al-Khudar (in the middle) before the beginning of the session.

Dr. al-Khudar (eo afovoany) alohan'ny hanombohan'ny fotoam-pitsarana. Sary nampakarin'i @acprahr

القاضي ابراهيم الحسني يستدل بآية ( وقرن في بيوتكن ) على منعه لدخول النساء #محاكمة_حسم_القصيم

@abdulllah1406: Nanonona andininy Koranika ny mpitsara Ibrahim al-Hussni: “Ary mijanona ao an-tranonareo” ho fandraràna ny vehivavy tsy hanatrika ny fotoam-pitsarana ny ACPRA.

Nametraka tamim-pomba ofisialy ny lalàna Sharia i Arabia Saodita. Tsy miankina amin'ny lalàna soratana ny fehezan-dalàna famaizana ao amin'ny firenena fa miankina amin'ny fanehoan-kevitra sy ny fanatsoahan-kevitra amin'ny Korana sy loharano hafa amin'ny Sharia, izay matetika  fanahy iniana ataon'ireo mpitsara, mpitondra fivavahana notendren'ny governemanta.

Nankany Buraidah mihitsy i Bandar Shammari (@xalshammari) mpikatroka ny zon'olombelona mba hanatrika ny fotoa-pitsarana saingy tsy navela niditra noho ny “fomba fijeriny”. Hoy izy nisioka [ar]:

حرس المحكمة الجزائية ببريدة منعوني من الدخول بحجة “ان شكلي ليس كالسعودي” 🙁

@xalshammari: Tsy navelan'ny mpiambina ny Fitsarana Heloka Bavava ao Buraidah hiditra aho satria “tsy mitovy amin'ny Saodiana ny fomba fijeriko.” 🙁

Mpikatroka Waleed Abualkair (@abualkhair) [ar] nilaza hoe:

السياسي يقول للخارج بأنه يسعى لضمان حقوق المرأة لكن المشكلة في مجتمعنا .. بينما هو يعزز من مكانة القاضي الذي يحتقر المرأة ويسجن الإصلاحيين

@abualkhair: Milaza amin'ireo vahiny ny mpanao politika [fitondrana] fa miaro ny zon'ny vehivavy izany, saingy mitoetra ao amin'ity fiarahamonina ity ny fototry ny olana. Ankehitriny, manohana mpitsara manevateva vehivavy ny [fitondrana] ary managadra ireo reformista.

Nandritra ny fotoam-pitsarana teo aloha, nangataka i al-Khudar mba ho mpitsara hafa no hisahana ny raharahany noho ny fifandirana teo aminy sy ny mpitsara talohan'ny fotoam-pitsarana. Saingy nolavin'ilay mpitsara ny fangatahany izay nilaza fa tsy hisy fiantraikany amin'ny fitsarana azy izany.

Iray amin'ireo fanjakatokana tsy refesi-mandidy manerantany sy tompon-dakan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona i Arabia Saodita izay olona maherin'ny 30.000 no efa nampidirina am-ponja tsy amin'ny antony. 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.