Fahatezerana Tamin'ny Nanendrena ny Monsanto Ho ao amin'ny Tempolin'ny Laza

Tafiditra ao amin'ny Tempolin'ny Laza sehatry ny Fambolena ny Monsanto? Raha vao nanambara ny fikambanana tsy mitady tombom-barotra Acción y Reforma Agrícola (ARA) (Katroka sy Fihavaozana Ara-Pambolena) [es] fa nanendry ny orinasa ara-pambolena Monsanto ao amin'ny Tempolin'ny Laza Ara-Pambolenan'i Puerto Rico [es] dia maro ireo fikambanana any amin'ny vondro-paritra no naneho ny fanoherany marindrano izany.

Tamin'ny alalan'ny fanambarana an-gazety ny fikambanana Portorikana Ara-pambolena mitandro ny tontolo iainana, ny Mandam-Pamonjena ny Fambolena, ny Fikambanana ara-tsiantifikan'i Amerika Latina amin'ny fambolena mitandro ny tontolo iainana, ny komity Yabucoeño ho amin'ny Kalitaon'ny Fiainana ary ny Fikambanan'ny Mpianatra Fambolena no nanambara:
58805_511781572190535_515525633_n

Exigimos que se revierta la decisión y en su lugar se seleccione a un agricultor local utilizando criterios de sustentabilidad y justicia social. Este reconocimiento a Monsanto, una compañía dedicada a la producción de plaguicidas y cultivos transgénicos, resulta oneroso en demasía para una corporación con credenciales tan nefastas a nivel internacional.

Mitaky izahay ny hanovana ny fanapaha-kevitra ary mba toeram-pambolena eto an-toerana no asolo hofidiana, amin'ny fampiasana ny fepetran'ny faharetana sy ny rariny ara-tsosialy. Ity fanekena ny Monsanto, orinasa mamokatra famonoam-boalavo sy ambioka miova zenetika, ity dia mba tafahoatra ho an'ny orinasa manana laza mampatahotra ity eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Misy fanangona-tsonia an-tserasera ihany koa eo ambany fanevan'ny teny tarigetra ¡Nada Santo sobre Monsanto! (Tsy Misy Zava-mahamasina an'i Monsanto!) [es], izay efa eo an-dalan'ny hahatratra ny tanjony hahazo sonia 2000 nalefa any amin'ny ARA, izay manana ny foibeny any amin'ny Sekolin'ny Agronomista. Manazava ny fiantraikan'ny fahatongavan'ny Monsato sasantsasany eo amin'ny Nosy ny Taratasy nanangoan-tsonia:

Puerto Rico es un país que depende alrededor de un 90% en productos extranjeros para alimentarse. Nuestras tierras fértiles están siendo arrendadas a Monsanto para crear sus semillas que hacen daño a la salud y al ambiente en vez de utilizarse para tener una agricultura sostenible que nos brinde más seguridad alimentaria.

Firenena miankina 90% amin'ny vokatra avy any ivelany i Puerto Rico mba hivelomany. Nahofa tamin'ny Monsanto ny tany mahavokatra eto amintsika mba ahafahan'izy ireo mamorona ambioka izay manimba ny fahasalamantsika sy ny tontolo iainana, fa tsy nampiasa fambolena mateza izay mety ho nahatonga antsika ho mahaleotena ara-tsakafo kokoa.

Ao amin'ny bilaoginy Proyecto Bioseguridad de Puerto Rico (Tetikasa Fiarovan'aina (biosecurité) eto Puerto Rico) [es], ny mpanabe ara-tontolo iainana Carmelo Ruiz Marrero no manasongadina fa:

…en el candente debate global en torno a los organismos y alimentos genéticamente modificados, o transgénicos, el rol poco conocido de la isla caribeña de Puerto Rico ha pasado mayormente inadvertido y hasta ahora ha evadido escrutinio crítico.”

…eo amin'ny adihevitra mafotaka manerantany momba ny zavamiaina sy sakafo miova zenetika, toa lasa tsy voamarika loatra ny anjara toerana kely tazonin'ny nosy karaiban'i Puerto Rico hatramin'izao satria midify famotorana.

imagesNohazavain'ny manampahaizana ihany koa fa ny fifandraisana ara-panjanahantany eo amin'i Puerto Rico sy Etazonia dia sakana tsy azo lavina.  Hita izany, ohatra, teo amin'ny  fanaovan-tsonia ny fifanarahana iraisampirenena momba ny “fivezivezen'ny sakafo novaina zenetika miampita sisintany.

Na izany aza, many politisiana, mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny fambolena, toerana akademika sy siantifika manohana ny fampandrosoana ny bioteknolojian'ny fambolena ao amin'ny firenena. Nisy andia-panadihadiana manokana “El experimento caribeño de Monsanto” (“Fanandraman'ny Monsanto ao Karaiba”) [es], nosoratan'ny mpanao gazety Eliván Martínez tamin'ny 2011 ho an'ny Foiben'ny Fanaovan-gazety fanadihadiana ao Puerto Rico nanavoitra ny fandraisana anjara mavitriky ny governemanta PortoRikana:

Acá se cocina una realidad que el Gobierno oculta y auspicia: la Isla es un importante centro para ocho empresas, siete de ellas multinacionales, que desarrollan las primeras generaciones de semillas modificadas genéticamente para distribuirlas a Estados Unidos y alrededor del mundo. Los dominios de estas corporaciones se expanden en fincas públicas y privadas, sobre todo en las mejores tierras cultivables del sur de la Isla, donde en el siglo pasado mandaba el imperio de su majestad la caña, aupada por grandes terratenientes que buscaban acaparar la tierra.

La mayoría de estas semilleras ocupa más del límite de 500 acres que permite la Constitución de Puerto Rico, mientras reciben jugosos beneficios del Gobierno y gozan de la Ley de Promoción y Desarrollo de Empresas de Biotecnología Agrícola de 2009, hecha a la medida para favorecerlas.

Misy ny toe-draharaha eny an-kianja eto izay afein'ny governemanta sy tohanany: ivotoerana manandanja ho an'ny orinasa valo ny nosy, orinasa marorantsana ny fito amin'izy ireo, izay mampivelatra ny taranaka voalohan'ny ambioka novaina zenetika izay haely any Etazonia sy manerantany. Ny fananan'ireo orinasa ireo dia ahitana toeram-pambolena an'olo-tsotra sy an'ny fanjakana, izay any amin'ny faritra tsara ambolena indrindra any atsimon'ny nosy ny masy azy, faritra niandraiketan'ny mpanjakan'ny fary tamin'ny taonjato lasa, nokarakarain'ny tompon'ny tany izay niezaka ny hitazona ny tany ho fananany.

Ny ankamaroan'ireo tany ireo dia mihoatra ny fetran'ny 200 hekitara, izay fetra farany ambony avelan'ny Lalampanorenan'ny Puerto Rico, raha mahazo ny tombontsoa avy amin'ny governemanta sy mankasitraka ny Ley de Promoción y Desarrollo de Empresas de Biotecnología Agrícola de 2009 (Lalàna fampiroboroboana sy fampandrosoana ny orinasam-pambolena bioteknolojika, 2009) [es], lalàna natao hanome vahana azy ireo.

march_against_monsantoMifanatrika amin'izany sehatra matroka izany, dia nanamafy ny fandraisany anjara amin'ny filaharambe hanoherana ny Monsanto kasaina hotontosaina amin'ny 25 Mey amin'ny roa folakandro ora EST (atsinanan'i Etazonia) ho avy izao ny fikambanana isan-karazany efa ela niadiana amin'ny hananan'ny nosy fiandrianana ara-tsakafo.  Anisan'izany ny Fikambanana PortoRikana eo amin'ny Fambolena mitandro ny tontolo iainana [es], izay vao hiray dia amin'ny Vía Campesina/Coordinadora Latinoamericana de Organizaciones de Campo (Fikambanana Amerikana Latina Mpandrindra ny Tany) [es], izay hiezaka ny hanao izay handraisan'ny PortoRikana eo amin'ny adihevitra iraisampirenena.

Antso ho an'ny tany manontolo izao. Hotontosaina ao amin'ny Departemantan'ny Sakafo [es], toerana maroendrika natokana ho an'ny fambolena mandala ny tontolo iaianana ny fihetsiketsehana ao Puerto Rico.  Antenaina hisy any amin'ny firenena roapolo sy tanàna zato any Etazonia ny fihetsiketseha-panoherana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.