Myanmar: Nandresy An'i Lady Gaga i Suu Kyi Tamin'ny Fitsapan-kevitry Ny Gazetiboky ‘Time Magazine’

Aung San Suu Kyi, photo by Htoo Tay Zar, taken from Wikipedia

Aung San Suu Kyi, sary an'i Htoo Tay Zar, nalaina tao amin'ny Wikipedia

Voafidy ho olona tòteny indrindra tanatin'ny roapolo taona ho an'ny Time Magazine i Aung San Suu Kyi ny 17 Aprily 2013. Naharesy an'i Lady Gaga tamin'ny salan'isa 61 isanjato amin'ireo latsabato rehetra izy. Fotoam-pireharehana ho an'ny vahoakan'i Myanmar izany, izay tsy nitandro hasasarana nifidy azy ho fanehoan'izy ireo ny fanohanany ilay ‘Andriambavilanitra’. Noraisiny ho fanomezana Taom-Baovao natolotry ny vahoakany ho an'i Aung San Suu Kyi izany satria ny 16 Aprily no voalohan'ny taona amin'ny tetiandron'i Myanmar.

Taorian'ny fandreseny rehefa nifarana ny latsa-bato, vahoaka maro no nizara ny hafaliany sy ny fankafizany tao amin'ny Facebook. Ireto misy ampahany vitsivitsy amin'ireo lahatsoratra:

Nanoratra i Helen Ayekyaw fa voa nateraky ny firaisan'ny firenena io ‘fanomezana’ io:

Nanolotra fanomezana ho an'ny Reniny ny zanakao, izay voa avy amin'ny firaisankinantsika. Manantena izahay fa ho faly ianao.

Nandoka ireo mpifidy i Taw Win Daund:

Lazao hoe iza ilay mpandresy ary teneno mafy….!!!.. 🙂
Mitehafa ho an'ny tenanareo satria mendrika izany ianareo..

Niarahaba azy ihany koa i Hmuu Zaw ary nanoratra mikasika ny lanjan'ilay fandreseny tamin'ny fitsapan-kevitra:

Olona malaza ao Myanmar i Daw Suu. Endriky ny famerenana ny fananganana an'i Myanmar ihany koa ny filohantsika. Na izany na tsy izany, nifidy ny hanolotra ny firenentsika isika; azo tarafina amin'izany ny reharehan'ny vahoakatsika. Nanentana ny vahoaka hifidy azy ihany koa ireo mpankafia an'i Lady Gaga tanatin'ireo pejin'ny mpankafia samihafa. Misy fahasamihafana tanteraka eo amin'ny isan'ny mpanaraka, ireo mpampiasa aterineto sy ny hafainganam-pandehan'ny Aterineto. Tsy te-hiteny na inona na inona mikasika ny fampifanandrinan'ny TIME olona roa avy amin'ny sehatra samihafa aho (dia ny Olo-malaza sy Kintan'ny Pop; tsaratsara kokoa raha nampitahaina tamin'i Obama na Hilary Clinton izy). Mety hisy fanehoan-kevitra samihafa eo amin'ny endriky ny fifidianana. Nefa afaka hitantsika ny eritreritry ny TIME namelàna antsika ho afaka hifidy imbetsaka. Misy olona sasany mety hieritreritra fa tsy misy dikany izany nefa tena manan-danja izany ho antsika izay vao haingana no afaka nijery tany ivelan'ny fiaraha-monina mihidy. Ho zendana ireo mpankafy Lady Gaga sy ny olona avy amin'ny gazetiboky TIME (raha mijery ny IP izy ireo dia hahita izay mifidy). Ho an'ireo vahoakan'i Myanmar izay miaina eto na any ivelany, tonga aminà sampanan-dàlana isika. Ilay teny hoe Myanmar izay natao tsinontsinona hatrizay, dia lasa nankasitrahana. Nanomboka taona iray vaovao tamin'ny vaovao tsara isika.

Nitanisa vitsivitsy amin'ireo sedra hafa atrehan'i Myanmar ihany koa izy:

Manantena feno aho fa amin'ny hoavy dia mbola hiray isika ho an'ny firenena, ny fandriampahalemana, ny fivoarana ary ny fametrahana an'i Myanmar amin'ny toerana tokony hisy azy. Vita ny fifidianan'ny TIME fa kosa mbola manana firenena hatsangana isika, ary vao 2 taona izao no nanomboka ny fananganana io firenena io. Tahaka ny voalazan'ny Filoha dia tsy maintsy miroso isika ary mandray lesona sy sedra avy amin'ireo taona lasa.

Ireto ihany koa misy fihetseham-po vitsivitsy avy amin'ireo mpifidy ny andro sy alina talohan'ny fiafaran'ny fifanandrinana

537320_476882652380182_1934527121_n

Sarinà fianakaviana mifidy ho an'i Aung San Suu Kyi, nozarain'i Taw Win Daund

Nanavao tsy tapaka ireo vokatry ny fifidianana ny Freedom News Group:

Lady Gaga 46% ary Aung San Suu Kyi 54%. Roa ora sisa no ahafahana mifidy an'i Aung San Suu Kyi

Nanoratra ho an'ireo Birmaniana tsy afaka miditra aterineto i Demo Fatty:

Isika, vahoaka 2 tapitrisa dia mifidy ihany koa ho solotenan'ireo vahoaka 40 tapitrisa izay te-hifidy an'i Daw Suu nefa tsy manana aterineto. Dia ahoana? Ndeha hifidy isika rehetra!

Naneho ny ahiahiny ihany koa i Michael Z Chu:

Mifanandrina amin'i Lady Gaga ilay Malalantsika Mpitana ny Marim-pankasitrahana Nobel an'ny Fandriampahalemana Aung San Suu Kyi, efa kely sisa ka miangavy anareo vahoaka mifidiana mifidiana mifidiana ary lazao ny namanareo rehetra sy ny fianakavianareo hifidy ihany koa

11783_123855634476608_651745523_n

Sarinà zazalahy mifidy ho an'i Aung San Suu Kyi, nozarain'i Zaw Min Tun

Nanoratra ny iray amin'ireo mpifidy, Tin Ko Ko Oo:

Aza mamotsotra/kivy! Hajao ireo izay nifidy nandritra ny alina manontolo.

Manamafy i Kaung Thant fa hijanona ho olo-malaza be mpitia foana i Suu Kyi na dia ho resy aza izy amin'ilay fitsapan-kevitra:

Na inona na inona no mety ho vokatra, ho ao am-pon'ny vahoakany lalandava i Mama Suu.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.