Iran: Mihetseha toy ny Lehilahy, Mitafia Toy ny Vehivavy!

Lehilahy iray nampitafiana akanjo mena miampy voaly teny an-dohany no nentin'ny mpitandro filaminana nitety ny araben'i  Marivan ao amin'ny faritany Kiordistana ao Iran tamin'ny Alatsinainy 15 Aprily 2013. Nanapa-kevitra ny fitsarana iray tao an-toerana fa izany no sazy homena ireo lehilahy telo, voalaza fa meloka tamin'ny fifandirana tao an-tokantranony. Tsy mazava tsara ny tena zava-nitranga, saingy raha ilay hevitra fotsiny amin'ity famaizana ity no jerena dia nahatezitra olona maro.

Nanao hetsi-panoherana nanoherana ilay sazy ireo vehivavy tao Marivan tamin'ny Talata, tamin'ny filazàna fa zava-mahamenatra kokoa ho an'ny vehivavy izao fa tsy ho an'ireo lehilahy voaheloka. Araka ny nambaran'ny olona iray mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana zon'olombelona, nanao herisetra ara-batana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana [fa]. Lahatsary iray no mampiseho vehivavy iray mandeha eny an'arabe.

Men in Dress source: https://www.facebook.com/KurdMenForEquality

Nozaraina tao amin'ny pejy Facebook ‘Lehilahy Kiorda Mitaky Fitoviana

Ety anaty aterineto, marobe ireo lehilahy Iraniana no naka sary ny tenany nitafy akanjom-behivavy hatao amin'ny sary mombamomba azy ao amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Facebook hilazàna hoe, “Tsy natao ho fitaovana hanalàna baraka na hanasaziana na iza na iza ny maha-vehivavy ny olona.” Mivoaka ao amin'ny pejy Facebook antsoina hoe Kurd Men for Equality (Lehilahy Kiorda mitaky Fitoviana) ireo sary.

Namo Kurdistani manoratra hoe:

Ho fanehoana ny firaisankinako sy ny fanohanako ny “maha-vehivavy” sy ny hirifiriny ary ny adin-tsainy mandritra ny tantaram-piainany izay ny betsaka dia avy amin'ny ataon'ny “lehilahy” [sento]. satria isika vao haingana no niatrika didy iray adaladala navoakanà mpitsara hanasaziana olona iray amin'ny fampitafiana azy akanjom-behivavy, fotoana iray izao tokony hivondronantsika sy hanamelohana io hadalàna, herisetra sy tsy fanajàna ny mahaolona manjo ny vehivavy io; ny antsasaky ny fiarahamonina ary hatramin'ny antsasaky ny lehilahy mihitsy eto ambonin'ny tany raha kely indrindra. manohana ny maha-vehivavy ny vehivavy aho, farafaharatsiny amin'izay kely mba azoko atao ho azy ireo.

Ny pejy Facebook an'ny Fikambanam-Behivavy ao Marivan koa dia nanameloka ilay fihetsika ary nanoratra hoe [fa]:

Nitaritarika lehilahy iray voheloka avy ao Marivan hitety tanàna ireo mpitandro filaminana. Nampitafian-dry zareo akanjom-behivavy izy ary nantenainy fa izany no hahafaka ny baràkany. Ny Fikambanam-Behivavy eto Marivan dia manameloka izao fihetsika izao no sady mandray azy io ho toy ny faniratsirana ny vehivavy. [iray andro taorian'io] nanao hetsi-panoherana nanoherana io fihetsika io ireo vehivavy Kiorda.

Mohmmad Mostafai, Iraniana iray mpisolovava sady mpiaro zon'olombelona dia niteny [fa] hoe :

Tsy manan-jo hamoaka didy tahaka izany ny mpitsara ao Iran, izay mandeha mifanohitra amin'ny maha-olona. Ny fampitafiana ny voaheloka ho toy ny vehivavy dia zavatra tsy ho hitanao ao anatin'ny lalànan'ny Repoblika Islamika.

Miverina ho azy ny tantara

Telo taona mahery izao, nanandrana nampiasa fomba tahaka izao ireo manampahefana Iraniana mba hanalàna baraka mpianatra iray mpikatroka mafàna fo, saingy tsy nahomby.

Tamin'izany, ireo manampahefana Iraniana nilaza fa nitafy fitafiam-behivavy i Majid Tavakoli mba hahafahany mandositra taorian'ny nanaovany kabary tao Teheran nandritra ny Andron'ny Mpianatra. Kanefa, ireo mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka zon'olombelona ao Iran dia namoaka tatitra iray avy amin'ireo vavolombelona nanatri-maso, nilaza hoe : “Sandoka daholo ireo sary rehetra navoakan'ny mediam-panjakana ary porofo mazava amin'ny fomba fiasa tsy ara-maoraly amelezana mpianatra sy sivily mpikatroka mafàna fo ao Iran.” Tamin'izany fotoana, an-jatony ireo lehilahy Iraniana no naka sary ny tenany nitafy hijab akanjom-behivavy ho fanohanany an'i Tavakoli.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.