Tsy Misy Fialantsiny Intsony – Mizara Propagandy ‘Hosoka’ Ny Mpisera Facebook Ao Japana

Nanasonia sy nizara sary namboamboarina, izay jerena toa trakitra ofisialy sy manasongadina ny voka-dratsin'ny (fifonan'i?) Japana teo amin'ny Tantara ho an'ny zanaky ny Firenena, tsy tamin'ny fahalalana ny mpisera facebook japoney an'arivony.

Nanondro ny fiavian'ilay, eny fa na dia misy ny tombokase ofisialin'ny governemantan'i Japana aza eo ambony ankavia, (na dia tsy mampiasa io tombokase io amin'ny trakitra ofisialy aza ny governemanta) ho avy amin'ny pejy facebook an'ny antoko ankavanana ny olo-tsotra tia manao gazety iray.

Fabricated image widely shared on the Internet.

Sary namboarina nifampizarana fatratra tao amin'ny aterineto. Soratra mitsangana: “Neny ô, Dada ô, nanao zavatra tsy nety ve ny razako? Mametraka ahy ho Japoney ratsy ve izany? – Ahoana ny hamalianao ny zanakao?”
Soratra mitsivalana: “Ampianaro ny ankizy ny tantara marina. famoahan'ny Governemanta”

Nanoratra [ja] toy izao ny mpisera Facebook Tsubasa izay nitia ilay sary ho fanohanana ilay fijery tia tanindrazana:

自虐的な教科書には、もううんざり(´・ω・`)ちゃんとした教科書を、今の子供達に読んで欲しい!!戦争を美化するつもりは、ありませんがその当時の先人が、何を想い何のため戦い散ったのかを、教えて欲しいです。

Mahasorena sy mankaleo ahy ilay tantara mandinika ny ao anaty hita amin'ny bokin-tantara. Tiako ny ankizy ankehitriny hianatra amin'ny boky tantara tsangana. Tsy ny hanandratra ny ady no tiako lazaina, fa mila eritreretin'ny olona izay niadiany sy nimatimatesany.

Toy ny nahazo aina ity sary namboamboarina ity tao amin'ny Facebook rehefa nozaraina niaraka tamin'ny teny notsongaina avy amin'ny mpahay lalàna Indiana Radha Binod Pal, politisiana Thailandey Kukrit Pramoj, mpampianatra oniversite Indoneziana Arifin Bey ary mpahay tantara Britanika Arnold J. Toynbee, izay nanamafy ny hevitra fa ny nijoroan'i Japana tamin'ny ady dia ny fanafahana an'i Azia hatrany.

Tamin'ny fanombohan'ity taona ity, Saiky nanohina an'i Shina sy i Korea ny Praiminisitra Shinzo Abe, rehefa nanamarika fa “hijery indray” ny fifonan'ny firenena vita taloha noho ny fanafihana nataony nandritra ny ady lehibe faharoa. Taty aoriana moa izy nihemotra ihany ka nilaza ny tsy (hanova) hijery indray ny tantaran'adin'i Japana fa hankatoa ny efa nijoroana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ity raharaha ity.

Nanamarika ny mpisera Facebook Rie fa sandoka io:

この画像は偽造です。確認しましたが、このような政府広報はありません。誰かが何らかの意図を以て「政府広報」を偽造し、フェイスブックで拡散するのは異常な事態だと思います。一体何の目的で偽造するのでしょうか。分からない。

Hosoka io sary io. nanamarina aho ary afa-miteny aminareo fa tsy nisy famoahan'ny governemanta tahaka  izao izany. Mba tsy mety kosa ho an'olona ny minia mamorona sary hosoka avy amin'ny governemanta sy mampivoitra izany ao amin'ny facebook. Tsy azoko hoe inona no mahatonga an-dry zareo manao izany.

Ny olo-tsotra tia manangom-baovao Norifumi Ohtani ao amin'ny Miyazaki Citizen Media nitsikera [ja] ny mpisera media sosialy izay nizara ny sary tsy nisy fanamarinana izay loharanom-baovaony ary nanoritra ny sary ho avy any amin'ny mpikatroky ny elatra (politika) havanana izay heverina ho nanamboamboatra ny sary, sy nametaka taminy  ny fitombokasen'ny governemanta.

Ilay sarin'ilay zazavavy kely nanao fanamoana aloha dia avy amin'ny fivarotana an-tserasera momba ny kitapon-jaza. Ohtani nanoratra andiam-panadihadiana [ja] tamin'ny fomba nanovana ny sary sy nanampiana ny lahatsoratry ny elatra havanana sy ny fitombokasen'ny governemanta, nialoha ny nampety azy tao amin'ny pejy Facebook sy ny nizarana azy tsy mifanaraka amin'ny zava-misy.

Hitako io tao amin'ny fahana Facebook-ko tamin'ny 15 Avrily 2013 io. […] Raha tarafina nahazo mpitia mihoatra ny 1300 io sary io ary maro koa ny hevitra nivoaka. Nanontany tena aho hoe mba oviana koa ny Biraom-panjakana misahana ny Fifandraisana no namoaka io sary io. Lasa aho nanamarina tao amin'ny habaky ny Birao [ja] fa tsy nahita iray nitovy tamin'io.

Nieritreritra aho avy eo fa noforonina angamba io sary io. Hany ka nitady fampahafantarana bebe kokoa aho.

Ny iray hitako tamin'ny Facebook dia izay navoakan'i “Japanism“[ja], pejy Facebook manana mpankasitraka 4.617.

Tsy voalaza tao amin'ny filazalazana ny sary izay loharano niaviany ka nitady tao amin'ny Google amin'ny teny tahaka ny hoe “Biraom-panjakana Misahana ny Fifandraisana ampianaro ny zanatsika ny tantara marina” ka tonga tamin’ity pejy ity.

Io no nitondra ahy nivantana tao amin'ny kaonty Twitter izay ninia nampisongadina ity sary ity.

Tamin'izany hevitra izany aho, tonga tao amin'ny Twitter ary nahita bilaogy nantsoina hoe “Mifohaza! Fanahy Japoney sy mason'ny tia tanindrazana” [ja] tao amin'ity lahatsoratra bilaogy ity [ja] izany nivoaka tamin'ny 14 Janoary 2013.

Nampiany:

Mety ny manatsonga lahatsoratry ny bilaogera, saingy rehefa manatsonga ianao, jereo tsara fa napetrakao ny loharanom-baovao.

Mieritreritra aho fa tokony tsy ho pendipendina hizara sary amin'ny facebook ny olona, [tsy misy ifandraisany] rehefa tsy hita taratra ny hevitra ankapoben'ny mpanoratra.

Angamba tsara raha somary miato kely sy manamarina izay niavian'ny loharanom-baovao [sary].

Ny heverina ho mpamorona ny sary dia ny mpankasitraka ny pejy Facebook antsoina hoe “反日対策協議会” [foano ny fihetsika mankahala Japoney]. Efa nanaiky [ja] ry zareo fa hosoka iny, midika fa natao ‘tahatahaka.’ Nanisy fanehoan-kevitra [ja] ny pejy Facebook-n'ny Japanisma, niala tsiny tamin'ny fizarana ny sary tsy nisy famotopotorana izay niaviany.

Ohtani nitsikera [ja] ny ‘tahatahaka’ izay mandiso hevitra ny olom-pirenena, nilaza fa lasa  lavitra loatra ny mpikatroka amin'ny elatra havanana tamin'ny niafenandr-ry zareo ambadiky ny hoe famoahan'ny governemanta.

Ny bilaogy voatsonga dia nosoratan'i Norifumi Ohtani tamin'ny teny Japoney eo ambany lisansa Creative Commons BY-NC-ND 2.1, avy amin'i Nippon:Median'olo-tsotra Miyazaki

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.