Tanora Haisiana-Dominikana Mitaky Hanan-Jò Ara-Dalàna

Tanora Dominikana lahy sy vavy manana fiaviana Haisiana manodidina ny 50 eo ho eo no nanomana tao amin'ny Movimiento Reconoci.do [es], diabe niainga avy tao amin'ny Katedralin'i San Pedro de Macorís Cathedral mankany amin'ny Lapa Nasionaly tao Santo Domingo mitaky ny hamerenana ny antonta-taratasiny, sy ny zom-pirenena maha-Dominikana, izay nesorina tsotra izao tamin'ny alalan'ny lalàm-panjakana -R12- navoakan'ny Foiben'ny Vaomieram-Pifidianana (JCE) tamin'ny 2007.

Ampangain'ny mpanao diabe ny fihoara-pahefana sy ny tsy firaharahian'ny JCE, izay mitady ny handefa lisitra eo anelanelan'ny 19.000 ka hatramin'ny 22.000 any amin'ny Departemantan'ny Fifindra-monina (DGM), manaisotra azy ireo tsy misy fierana ao amin'ny rejisitra sivily ka mamindra azy ireo ao amin'ny bokin'ny mpifindra monina tsy misy famotopotorana.

Ao amin'ny lahatsoratra, “Firenena Manimba Tena” [es], navoakany ao amin'ny bilaoginy, ny mpikatroka sosialy Gloria Amézquita no miteny:

La indocumentación de la población dominicana de ascendencia haitiana, cristaliza varias de las fallas del Estado Dominicano en materia de derecho a un nombre y a una nacionalidad.

Ny tsy fanomezana antonta-taratasy ny mponina Dominikana manana fiaviana Haisiana no manamafy ny kileman'ny fanjakana Dominikana eo amin'ny sehatry ny zo hanana anarana sy zom-pirenena.

Mpanohana maro no niara-nampiasa ny paingoteny #LevantaTuVoz [es] (#AsandratoNyFeonao) ao amin'ny Twitter sy niezaka tsy nitsaha-nitatitra ny hetsika tamin'ny alalan'ny kaonty ofisialy @Reconoci_do.

Niainga tamin'ny valo ora maraina avy eo San Pedro de Macorís ny diabe rehefa avy nanaovan'i mompera Luis Antonio rano, mpitondra fivavahan'ny Katedralin'i  

Dominican youth of Haitian ancestry protesting for their rights. Used with permission.

manao hetsi-panoherana hiarovana ny zony ireo tanora Dominikana manana razambe Haisiana. nahazoana alalana.

San Pablo Apóstol, fitsofan-drano ka nanavatsava an'i Santo Domingo tamin'ny zoma 12 Avrily ka nizorany hankany ami lapam-panjakana, izay nitakian'ireo tanora tratran'ny fanesorana ny anarany ao amin'ny rejisitra fanambarana avy amin'ny filoha Danilo Medina, izay filoha voalohany ao amin'io firenena io nilaza nandritra ny fampielezan-kevitra nialoha ny nifidianana azy fa hataony lahara-pahamehana ao amin'ny programan'asany ny olan'ireo Dominikana manana fiaviana Haisiana.

Nanao antso tamin'ny hetsika sosialy, fiangonana, sendikà, artista, politisiana, atleta ary ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny ny tanora mba hiara-dia amin'izy ireo amin'ny diabe: “Ny fanajana ny zonay no antoka fa hajaina ny zon'ny rehetra. Tokony averin'ny JCE ny “antonta-taratasinay noraofina,” hoy ny mpikarakara.

Nambenan'ny polisy sy narahin'ny ambilansy, izay toy ny miendrika fanohanana, ry zareo nandritra ny diabe.

Viceminister of the Presidency Henry Molina receives the documents. Used with permission.

Minisitra lefitry ny Presidansa Henry Molina nandray ny antonta-taratasy. nahazoana alalana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.