Venezoela: Voabahana Nandritra Ny “Telo Minitra” Ny Aterineto Tamin'ny Androm-Pifidianana

Ny hariva be tamin'iny Alahady 14 Aprily androm-pifidianana tao Venezoela iny, tapaka ny fahafahana miditra aterineto tamin'ny alàlan'ny CANTV, ilay voalohany mpanome tolotra ao amin'ny firenena, araka ny fanambaràna nataon'ny filoha lefitra sady minisitry ny siansa sy ny teknolojia, Jorge Arreaza. Ny Orinasa misahana ny fifandraisana an-telefaona ao Venezoela (CANTV) dia teo ambany vahohon'ny fanjakana hatramin'ny May 2007.

Taorian'ny andianà fijirihana nanjo ny kaonty Twitter an'ilay mpirotsaka ho fidiana ho filoha sady filoha mpisolo toerana ankehitriny, Nicolás Maduro (@NicolasMaduro) [es] ary ny antokony, ny United Socialist Party of Venezuela (@PartidoPSUV) Antoko Sosialista Mitambatra [es], tapaka efa ho roapolo minitra ny fahafahana miditra aterineto nanerana ny firenena hoy ny filazan'ireo mpampiasa azy io ary “tsy nihoatra ny telo minitra” hoy ny manampahefana.

Notaterin'ireo mpampiasa aterineto fa tsy afaka niditra tamin'ny alàlan'ny tolotry ny CANTV ry zareo ary taty aoriana kely dia nolazainy fa ny fidirana amin'ny ankamaroan'ireo pejy no niverina afa-tsy ny an'ireo tranonkalam-baovao sy tambajotra sosialy. Ny sasany amin'ireo mpampiasa dia nitatitra fisiana fahasarotana tamin'ny fidirana aterineto mandalo mpanome tolotra hafa (ISP), isan'ireny i Miguel Laversa (@MigueLaversa) [es] :

Cuenta de Nicolas Maduro hackeada

Nicolas Maduro's Twitter account, April 2013

@MigueLaversa: La pagina votacion2013.com esta bloqueada para los que navegamos por Inter o Cantv. Se puede acceder sin problemas usando una proxy.

@MigueLaversa: Voabahana ny tranonkala votación2013.com ho an'ireo mitety mampiasa ny Inter na Cantv. Azonao idirana tsara izy io raha mampiasa fitaovana fandingànana.

Nanambara ny Filoha lefitra Jorge Arreaza (@jaarreaza) [es] tao amin'ny kaontiny Twitter hoe :

@jaarreaza: Compatriotas no hay problemas con internet. Calma!! Fue una maniobra breve para impedir más hackeos conspiradores del exterior.

@jaarreaza: Ry Mpiray tanindrazana, tsy misy olana ny aterineto. Aoka ho tony!! Fihetsika fohy natao hisorohana ny firaisana tsikombakomba hanao fijirihana avy any ivelany fotsiny ihany iny.

Taoriana kely, nanambara tamin'ny mpanao gazety i Arreaza fa nobahanany nandritra ny minitra vitsy ny fahafahana miditra aterineto [es] hanakànana ny ezaka fijirihana tadiavina natao tamin'ny tranonkalan'ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana. Natao tsy ho azon'ireo mpampiasa aterineto avy any ivelan'ny firenena hidirana ilay tranonkala mba hisorohana ny fanafihana DDoS taorian'ny famelivelesana azy io hatramin'ny Alahady, hoy i Arreaza.

Ireo pejy toy ny NoticiasVenezuela.org [es], DollarToday.com sy Votacion2013.com [es] dia samy mbola tapaka ao amin'ny  CANTV, hatramin'ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana [es] tamin'ny 3:21 maraina, ora iraisam-pirenena, ny 15 Aprily, fotoana nanoratana ny famoahana voalohany ity lahatsoratra ity (tamin'ny teny Espaniola)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.