Nifidy ny Kandidà Mpanohitra Capriles Ny Ankamaroan'Ireo Venezoeliana Ao Panama

Nanaraka akaiky ny fifidianana natao tao Venezoelà tamin'ny Alahady 14 Aprily 2013 lasa teo i Panama, izay ahitana mponina Venezoeliana marobe. Nahitana ny fihetseham-pon'ireo Venezoeliàna monina ao Panama ny tambajotra sosialy, tahaka izany ihany koa ireo Panameana te-hanaraka ny zava-nitranga tao Venezoela, mpifanolo-bodirindrina akaiky azy.

Panamaniana daily Día a Día (@DiaaDiaPa) [es] nilaza fa Venezoeliana teo amin'ny 900 teo no nandeha nifidy:

@DiaaDiaPa: A esta hora se calcula que alrededor de 900 venezolanos han votado en la Embajada de Venezuela #panama

@DiaaDiaPa: Tamin'ity fotoana ity, nanisa izahay fa Venezoeliana manodidina ny 900 teo no nandeha nifidy tao amin'ny ambasady Venezoeliana #panama

Nanaraka akaiky ny fifidianana ireo mpiserasera Panameana, niandry ny valim-pifidianana, ary nisy ireo sasany sahy nampahatsiahy ny vanim-potoana tao Panama izay nitondran'ilay mpanao didy jadona Manuel Antonio Noriega. Tamin'ny Mey 1989, rehefa resy tamin'ny fifidianana i Noriega, nanome baiko ny fitsarana misahana ny fifidianana izy mba hilaza fa tsy manan-kery ny latsa-bato ary heverina toy ny tsy misy. Niteraka fanararaotana maro sy herisetra fanahy iniana natao izany, izay nahatonga ireo Panameana nitsoa-ponenana tany Etazonia. Mpisera Twitter Panamá Vieja Escuela (Old School Panama) (@PanamaHistoria) [es] nilaza hoe:

Venezuelans voting in Panama. Photo @Yacare45 Twitter.

Venezoeliana nandeha nifidy ao Panama. Sary avy amin'ny @Yacare45 tao amin'ny Twitter.

@PanamaHistoria: Me preocupa que mucha gente habla de la situación de Venezuela como si #Panama fuera inmune. Que no se les olvide a Noriega y su pandilla.

@PanamaHistoria: Manahy aho fa vahoaka maro no hiresaka momba ny toe-draharaha ao Venezoela ka ho adino i #Panama. Aza adinointsika i Noriega sy ireo jilohambotony.

Raha nandre ny valim-pifidianana izy ireo, nandefa afomanga avy ao amin'ny Ambasadin'i Venezoelà ao Panama ireo vondrona mpanohana ilay mpandresy, Nicolas Maduro, filoha lefitr'i Chavez. Venezoeliana monina ao Panama, Marian Queen (@inagc) [es] nilaza tao amin'ny kaonty Twitter-ny hoe:

@inagc: Empleados de la Embajada de Venezuela en Panamá celebrando con fuegos artificiales. Mucho miedo a que los desenchufaran, no?

@inagc: Mankalaza ny fandresena amin'ny alalan'ny fandefasana afomanga ireo mpiasa ao amin'ny ambasadin'i Venezoelà. Matahotra ny ho very asa ao amin'ny ambasady?

Tsy faly kosa ireo mpanohana an'i Capriles ary niezaka niditra an-keriny tao amin'ny Ambasadin'i Venezoelà ao Panama, ary niampanga ny fididianana ho nisy hosoka. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny polisy mba hiaro ny Ambasady araka ny tatitra avy amin'ny habaka La Verdad (Ny Marina) [es]:

La acción policial se produjo después de que simpatizantes del candidato presidencial Henrique Capriles intentaran ingresar la noche del domingo, por la fuerza y en medio de gritos de presunto “fraude”, a la sede diplomática localizada en el quinto piso de una torre en el área bancaria de la capital panameña.

Niditra an-tsehatra ny polisy rehefa niezaka niditra an-keriny tao amin'ny faritry ny masoivoho, ao amin'ny rihana faha-dimy ao amin'ny tranoben'ny Banky ao an-drenivohitry Panameana ireo mpanohana ny kandidà Henrique Capriles, tamin'ny Alahady alina, ary nitabataba ihany koa izy ireo fa feno “hosoka” ny fifidianana.

Tamin'ny ora farany, olom-pirenena Venezoeliana 1.036 monina ao Panama no nanefa ny adidiny tamin'ny fandehanana mifidy, nifidy ny kandidàn'ny mpanohitra Henrique Capriles ny ankamaroan'izy ireo. Hoy ny habaka El Venezolano [es] nitatitra:

Finalmente, Miguel Martínez de la Riva, jefe Del Comando Simón Bolívar en Panamá, aseguró que mil 36 venezolanos votaron en Panamá, de los cuales 991 prefirieron la propuesta del candidato opositor, Henrique Capriles.

Farany, nilaza i Miguel Martínez de la Riva, lehiben'ny kaomandao Simon Bolivar ao Panama fa Venezoeliàna 1.036 no nifidy tao Panama, 991 tamin'izy ireo nifidy ny kandidà mpanohitra Henrique Capriles.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.