Manandratra Ny Fiarahan'ny Fiteny Maro Ao Amin'ny Fihaonambe Sosialy Manerantany ao Tunis

Azonao inoana ve ny hahazo, na dia amin'ny ampahany ihany aza, ny votoaty ankapoben'ny lahatsoratra iray amin'ny fiteny tsy misy fantatrao (ankoatra ny fisiany angaha) tahaka ny baska, ny estoniana, ny hongroà na ny tiorka ?

Eny, azo atao ! Izany no fanehoana ara-porofo nataon'i Labos de Babel, “Magie de l'égalité des Langues : 12 d'un coup !” (Majikan'ny fitovian'ny fiteny : 12 indray mipalaka !) atao fotsiny izay hananana ilay lahatsoratra amin'ny fiteny hafa tsy fiteninao ihany koa (saingy mba misy azonao ihoriranana kokoa noho ilay voalohany) dia misy maromaro miara-mandinika azy !

'We just learned Turkish!" Tunis WSF 2013. By Briconcella on Flickr,(CC BY-NC-SA 2.0)

‘Vao nianatra tiorka izahay!” Tunis WSF 2013. Avy amin'i Briconcella ao amin'ny Flickr,(CC BY-NC-SA 2.0)

Milamindamina ny Efitra maha-te-hianatra sy mahamiramirana hanatontosana ny Fihaonambe Sosialy Manerantany (FSM) 2013 (Forum Social Mondial de 2013 à Tunis) ao amin'ny toby oniversiteran'i El-Manar ao Tunis. “Oasis” vonjimaika lavitry ny adi-hevitra politika sy sosialy, saingy tsy lavitry ny resaka momba ny fahamendrehana (lohahevitr'ity FSM ity). Mizara fehezan-taratasy nofonosina plastika miisa 6 ahitana lahatsoratra heverina ho tsy hay vakiana, sy penina matevin-doha maroloko ho an'ireo tonga nanatrika nozaraina ho vondrona roa ny mpanentana. Nohazavain-dry zareo ny fizotry ny lalao: manavaka azy ireo isaky ny fiteny aloha, dia mandahatra azy avy eo, amin'ny alalan'ny fanaovana karazan-tsoa-kevitra hatrany… manao asa-na mpitsongo dia !

Atao ao anaty fifampidinihana avokoa, mivondrona eo anoloan'ny fiteny tsy fantatra iray, izay efa natonta tamin'ny taratasy tsotra, ny mpilalao – sady manala azy koa – . Amin'io lahatsoratra io ihany (izay hita fa sombin'ny tantaran'ny Printsy Kely Printsy kely nihaona tamin'ny fosa amin'ny fiteny fantapantatra kokoa (alemana, katalana, portiogey, sns…) no iezahan-dry zareo mamantatra ny voambolana mitovy dika, mamantatra ny sombintsombiny, ary manorina indray ny tantara.

Le poème en basque

Atrikasan'ny majikan'ny fitovian-danjan'ny fiteny maro : poezia amin'ny fiteny baska avy amin'i Suzanne Lehn, Sweetpeasue ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Ary hamaranana azy ny fanoratana poezia kely amin'io fiteny vao nofantarina io…

Tsy isalasalana fa tena majika tokoa ! Marina fa natao tamin'ny tarehintsoratra latinina avokoa ny fiteny nohadihadiana tamin'ity atrikasa ity. Fa efa nisy ihany koa ny traikefa tamin'ny lahatsoratra amin'ny tarehintsoratra arabo. Raha naka aingam-panahy avy amin'ny fomba natao tamin'ny vato “Rosette“, izay lakilen'ny famantarana ny voasoratra tamin'ny hieroglypha ejipsiana tamin'ny nanoratana ny lahatsoratra iray tamin'ny tarehintsoratra telo samihafa, no nanatontosan'i Labos de Babel Monde ihany koa ity atrikasa ity tamin'ny fakana ny sombin'ny “Printsy kely” nadika ho amin'ny fiteny arabo amin'ny fitenim-paritra mahazatra ny Maraokana sy ny Toniziana (na darija) nampiana fiteny arabo ara-panoratana roa samihafa.

Ankoatra izay, nanao ny toy izany tamin'ny fitenim-paritra fito avy any India ny vondrona, ka ny lahatsoratra niaingana dia ny Fanambarana ny Zon'Olombelona.

“Manampahaizana Amin'ny Fitenintsika avokoa isika rehetra”

Inona moa ny tanjon'ny mpanentana ao amin'ny Labos de Babel Monde ? Ity fikambanana miorina any antsimon'i Frantsa, manana ny tarigetran'ny “Tous polyglottes ! Tous capables !” (Mahay fiteny maro daholo ! mahefa daholo !) ity dia miasa

dans le champ des mouvements de l'éducation populaire au niveau international (…) Sa fonction spécifique est de contribuer à faire exister une culture du multilinguisme et produire et diffuser des outils pédagogiques et de formation pour l'enseignement de la polyglossie comme fondement des apprentissages de langue.”

anivon'ny Hetsika fanabeazam-bahoaka eo amin'ny sehatra iraisampirenena (…) Ny asany manokana dia ny mandray anjara amin'ny fampisiana kolontsaim-pitenenana maro mbamin'ny famokarana sy fampielezana fitaovam-pampianarana sy fampiofanana taranjam-pitenenana maro atao fototry ny fianarana fiteny

Manantena ny fikambanana ny hampiroborobo ny “fitoviana saimbolika eo amin'ny olona sy ny vahoaka samihafa” amin'ny alalan'izany fanaovana asam-pianaram-piteny izany.

Joelle Cordesse book cover

Tous capables ! Fonom-bokin'i Joëlle Cordesse, sary nahazoana alalana

Sady miezaka ny manolotra ny fitaovany an-tserasera sy andavanandro ny vondrona no mampiofana sy  mandray anjara amin'ny karazana fety sy fihaonambe. Ny kinendrin'izy ireo dia ny ankizy mifangaroharo taona ao sy ny mpampianatra.

Hahita ny fampahafantarana ataony bebe kokoa ianao amin'ny fitsidihanao ny habaka aterinetondry zareo, sy ny bokin'i Joëlle Cordesse, iray amin'ny mpanorina ny fikambanana, “Apprendre et enseigner l'intelligence des langues” (Mianatra sy mampianatra ny fiarahan'ny fiteny maro). Raha mambabo fo anao ny fomba fiasany, dia afa-manatona azy amin'ny alalan'ny habaka sy manampy azy ireo : mba hivelarany manko dia fanirian-dry zareo ny andikana ny fanambaran-dry (teny ierana) zareo amin'ny fiteny maro !

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.