Tempoly Bodista Fahagola Kasain'i Shina Hosolaina Tanteraka

Ny manampahefana Shinoa ao an-toerana, ho fitsinjovana ny sombin'ny lalan'ny lasoà manan-tantara, no nibaiko ny fandravana toerana manan-tantara iray hafa mijoro amin'izany lalana izany.

Ny tempolin'i Xingjiao ao Xi'an, izay mitahiry ny sisan'ny moanina bodista niaina tamin'ny taonjato faha-7 Xuan Zang, no hanaovana fandravana amin'ny ampahany mba hanomezan-toerana ny zava-maitso ho fangatahana ny hampiharan'ny fitantanam-panjakana ao an-toerana ny haha-toerana vakoka ara-kolontsaina iraisampirenena UNESCO azy ka ho anisan'ny lalan'ny lasoà ao amin'ny faritany Shaanxi. Eo ho eo amin'ny roatokon'ny tranon'ny tempoly no horavana hatramin'ny fakany mandra-pahatongan'ny faran'ny volana Mey 2013.

Hafindra toerana ny relika manan-tantara sasantsasany ahitana ny sarintavan'i Xuan Zang. Notsipahan'ny manampahefana ao an-toerana ny antson'ny moanina tsy hanetsehana ny tempoly.

Niantso ny hanaovana fanadihadiana amin'ny drafi-pandravana ny Biraom-panjakan'ny raharaham-pivavahan'i Shina.

Navoitran'ny [zh] vaovao ny hasosorana hita ao amin'ny habaka famahanam-bolongana bitika malaza indrindra ao Shina antsoina hoe Sina Weibo, ahitana ny mpisera mitsikera ny manampahefana noho ny fanaovany tsinontsinona ny lanja ara-tantaran'ny tempoly. Niditra ho amin'ny fanoherana an-tserasera ireo mpanoratra, olo-malaza ary ny olona manana ny mahaizy azy an-tserasera, miantso ny hampitsaharana ny fandravana.

Wang Yunxia, talen'ny Ivotoeran'ny Vakoky (ara-kolontsaina) ny lalàna avy ao amin'ny Onivesitem-Bahoaka,  manombatombana [zh] fa ataon'ny fitantanam-panjakana ao an-toerana ho fitaovana hahazoam-bola ny tantara sy ny kolontsaina:

Main gate of Xing Jiao temple in Xi'an(photo by blogger Guozi)

Vavahadiben'ny Tempolin'i Xingjiao ao Xian. Saripikan'ny bilaogera Guozi.

借着申遗的势头大搞拆迁,推动房地产开发或许才是当地政府的真实意图。

Ambadiky ny fandravana mafonja amin'ny anaran'ny fampiharana ny Vakoka Iraisampirenena ny toerana iray, ny fikasan'ny fitantanam-panjakana ao an-toerana angamba dia ny hampiroborobo ny fanangana-trano.

“Liuxiao Lintong”, mpiantsehatra iray fantatra tamin'ny filalaovana ny anjara toeran'ny Mpanjaka Ragidro tamin'ny andian-tantara fahitalavitra tamin'ny 1988 mitondra ny lohateny hoe “Dialavitra mankany Andrefana”, izay nakana aingam-panahy avy amin'ny dialavan'ny moanina Xuan Jang mankany India, no niantso [zh] fanohanana bebe kokoa avy amin'ny manampahefana ambony kokoa:

埋有玄奘大师灵骨的西安兴教寺正面临大规模拆迁,当地政府给出的拆迁原因是丝绸之路联合申遗的需要,据说是投 资建设“兴教寺佛教文化旅游景区建设项目”,我的佛友宽池法师作为寺院住持阻止无效,网民们都在呼吁我给予关注,事关重大,我作为一个演员真诚地希望国家 宗教局等有关机构及领导出面协调。

Miatrika ny lozan'ny fandravana goavana ny tempolin i Xingjiao, izay nandevenana ny taolambalon'ny Sensei Bodista Xuan Zang [Fiankohonana Tang]. Ny antony lazain'ny mpitondra fanjakana ao an-toerana hanaovana izany dia ny mba hahatonga azy ho toeram-bakoka iraisampirenena UNESCO lalan'ny lasoà azy. Voalaza moa fa ny drafitra dia ny hampiasa vola ao amin'ny “Tetikasam-pananganana habaka malalaka ara-kolontsaina ho amin'ny Fizahantany ao amin'ny Tempoly Bodista Xingjiao”. Niezaka ny hanakana izany ny namako Bodista Sensei Kuanchi, mpiandry lehiben'ny tempoly, fa tsy nisy valiny. Niantso ny fanohanana avy amiko ny mpiserasera. Mihevitra aho fa raharaha goavana izy ity, amin'ny maha-mpiantsehatra ahy, manantena tokoa aho fa hijery momba ity raharaha ity ny manampahefana isan-tokony sy ny mpitarika ny ao amin'ny Birao Misahana ny Raharaham-Pivavahana.

Nitsikera ny olona manana ny lazany an-tserasera sady mpampiasa vola “Xue manzi” [zh]:

古刹存世一千多年,你们这些人为了几个臭钱,怎么敢出这种唐宗宋祖成吉思汗不敢想的主意,毛泽东的史无前例的文化大革命挖了孔坟也放过了玄奘!老汉坚决反对!支持的大力转!微博之民意显灵吧

Tafajoro an'arivony taona ihany ireny tempoly antitra ireny. Ho sahinao ve ny hanao izany noho ny fitadiavam-bola? Na i Genghis Khan aza tsy nieritreritra ny hanao izany rehefa nanani-bohitra ka nandresy an'i Shina. Mao Zedong sy ny Revolisiona Ara-Kolontsaina namotika fasana Konfiosianina maro saingy hany sisa navelany hijoro ny Xuan Zang! Manohitra tanteraka ny famotehana aho! Raha manohana ahy ianareo, azafady ampitao ny hafatro! Avelao hanjaka ny hevi-bahoaka amin'ny bilaogy-bitika.

Namaly [zh] izany no talen'ny mpampiranty zavakanto “Shuai mindan” :

强大的房地产可以冲垮任何文明遗迹,悲催也

Afa-mikosoka izay sisan-tsivilizasiona rehetra ny manampahefana eo amin'ny sehatry fananana tsy azo ahisaka (trano sy tany), mampalahelo!

Nanoratra [zh] ny mpaneho hevitra amin'ny vaovao Yang Jinlin:

我不能不说,我们中华民族的世界遗产,不是麦当劳,更不是仿古一条街,请不要用全球化、功利化来阉割我们5000年的文明。如果有人要把申遗当成提款机,如果有人让申遗变成毁遗,我们就像大师兄那样大闹你的天庭.

Tsy maintsy miteny ihany aho, ny vakoka manerantany eto amin'ny firenentsika tsy McDonald na lalana fahagola sandoka. Miangavy aza mampiasa ny fanatontoloana na ny pragmatisma enti-mandrava 5000 taonan'ny sivilizasiona. Raha misy olona mitady toerana hanaovana azy ho Vakoka ara-kolontsaina manerantany ho toy ny milina mpizara vola enti-mandrava vakoka ara-kolontsaina, dia hanao fihetsiketsehana hanoherana izany izahay.

Namakafaka [zh] ny halalin'ny olana nateraky ny fandravana ny tempoly ny manampahaizana momba ny fampiasam-bola stratejika Yue Chuanbo:

这是权力与资本在中国野蛮生长的一个表现。当失去了道德,而权 力本身又几乎不受制约的时候,权力和资本就会沿着有利于私人的路径放浪狂奔,它们不在意破坏一切,包括人们的物质家园和精神家园。民众要通过广泛的发声, 形势正义的声势;而高层需要道义的觉醒。

Izao no fanehoana ny fahefana sy fitadiavam-bola tsy voafehy eto Shina. Rehefa very ny maoraly ary tsy voafehy ny fahefana, soavaly tapa-kofehy tsy mahalala afa-tsy ny tombontsoany manokana ny fahefana sy ny renivola. Tsy miraharaha izay fahapotehan-javatra any ry zareo, anatin'izany ny fonenana hita maso sy ara-panahin'ny olona. Mila mijoro mampiray feo ny mpiserasera hiantso ny rariny; mila fifohazana ara-maoraly ny fahefana mpanatanteraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.