Syria: Misioka Avy Eny Aleppo

Tafaverina ao Aleppo, Syria ilay mpanao gazety Jenan Moussa, ary nisioka izay zava-niainany, mbola mihamafy hatrany anefa ny ady eo amin'ny mpitandro ny filaminana mpanohana sy mpanohitra ny governemanta. Vaovao sy miavaka ireo siokan'i Moussa, mampahafantatra ireo mpamaky mikasika ny fiainan'ireo izay ao anatin'ny ady.

Moussa, mpanangom-baovaon'ny Al Aan TV, avy any Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, nanoratra hoe:

@jenanmoussa: Mahafinaritra fa tafaverina eto #Aleppo & tafahoana amin'ireo namako rehetra aho. Toa nihatsara ny teto an-tanàna raha oharina tamin'izaho farany teto. Efa zatra ady ny vahoaka.

Mahare ireo tifitra tafondro mandritra ny sakafo hariva aty Aleppo:

@jenanmoussa: Fotoana fisakafoanana hariva izao aty #Aleppo. Akoho nahandro Meksikana no sakafonay izao ary mahare tifitra tafondro avy lavitra izahay.

Rehefa avy natory nandritra ny alina tao an-tanàna, hoy i Moussa nanontany:

@jenanmoussa: Miarahaba avy aty #Aleppo. Tsy nahita tory aho hatramin'ny 6 maraina. Isaky ny manakipy ny masoko aho, mieritreritra baomba milatsaka. Andriamanitra ô! inona no ataon'ireo vahoaka mba tsy hikoropaka?

Tao Aleppo, nitsidika toerana nisianà daroka balafomanga izy. Hoy izy nisioka:

@jenanmoussa: Androany vao maraina, nitsidika toerana iray nahitana balafomanga nianjera 45 andro lasa izay, tao #Aleppo aho. Olona 6 no mbola tsy hita ary karohina ao anaty korontam-baton'ny trano rava.

Jenan Moussa in Aleppo

Jenan Moussa ao Aleppo, tao amin'ny toerana nianjeranà balafomanga Scud, 45 andro lasa izay. Sary nozarain'i @jenanmoussa tao amin'ny Twitter

 

@jenanmoussa: Tao #Aleppo, ,nahita raim-pianakaviana nipetraka tambonin'ny vato aho, ary mitomany izy. Mbola eo am-pitadiavana ireo zanany vavy 2 mahafatifaty & vadiny izy

@jenanmoussa: Niaraka taminy aho raha nahita ila-kiraro an'ankizy sy singam-bolo izy (volom-behivavy) tao anatin'ireo potika vato sy birika. Angamba mety an'ny vadiko ity ho izy nilaza tamiko.

Na dia eo aza izany toe-javatra izany, be vazivazy hatrany i Moussa:

@jenanmoussa: Ihomezan'ireo mpikatroka eto #Aleppo aho. Izaho ny hany tokana mitafy akanjo aro-bala ato an-trano. Efa zatra ny tabataban'ny ady izy ireo.

Nandeha natory tsy nisakafo hariva izy avy eo:

@jenanmoussa: Tsy nisakafo hariva izahay androany. Ary tsy nandro ihany koa. Tsy dia ilaina izany aty an-tanàna tahaka an'i #Aleppo. Tafandria mandry ianareo rehetra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.