Filipina: Fanentanana “Arovy ny Helo-dranon'i Manila”

Vondrona maro ao Filipina no nanao fanangona-tsonia omena ny governemantan'ny tanànan'i Manila mba hitaky ny fanafoanana ny fifanekena hanongotra ny voary mandrakotra tany 148 hekitara ahitana nosy telo ao amin'ny helo-dranon'i Manila.

The fabled Manila Bay sunset view

Toerana malaza, masoandro mody ao amin'ny helo-dranon'i Manila

Toerana malaza hijerena masoandro mody ny helo-dranon'i Manila. Nisy ny fanangona-tsonia an-tserasera natao hanasana ny olona hanohana ity fanentanana ity:

Endrika miavaka ny masoandro mody ao amin'ny helo-dranon'i Manila, ary maimai-poana ho an'ny rehetra ny fijerena izany. Saingy tsy haharitra, raha manana ny fombany manokana ireo mpikajy fandrosoana.

Saingy tsy momba ny masoandro mody ihany. Fantantsika rehetra fa tsy zakan'ny fotodrafitrasa misy ny fandrosoana mahery vaika ankehitriny ao amin'ny faritra, ary noho ny fahaterena tafahoatra, nanjary tsy ampy ny rano sy ny herinaratra, manjaka ny fitohanan'ny fiara, ny fahalotoan-drano ary tsy misy ny fahadiovana — lavitry ny famahana azy ny olana, izay mety hiharatsy indray noho ny fanongotana ny voary.

Dr. Kelvin S. Rodolfo nitanisa antony telo hanoherana ny fanongotana. Ny antony voalohany dia ny filentehan'i Manila:

Ny olana voalohany dia ny fianjeran'ny Metro ao Manila – santimetatra maromaro isan-taona noho ny fitrandrahana tafahoatra ao ambanin'ny tany ataon'ireo vahoaka tsy mitsaha-mitombo haingana.

Tambajotram-bahoaka Mitsinjo ny Toerana Amoron-tsiraka sy ny Tontolo iainana (People’s Network for the Integrity of Coastal Habitats and Ecosystems) nangataka fanavaozana, fa tsy ny fanongotana ny voarin'ny helo-dranon'i Manila :

Ny tokony hifantohan'ny governemanta ao an-tanànan'i Manila dia ny famerenana amin'ny laoniny ny tontolo iainana virijiny taloha tao amin'ny helo-dranon'i Manila sy ireo tanàna manodidina.

Synchronized sunset viewing to stop the reclamation project. Photo from @jmaxwell88

Sary Masoandro mody nampiasaina hanajanonana ny tetikasa fanovana. Sary: @jmaxwell88

Ankoatra ny masoandro mody, Leon Dulce nanambara fa ny harena an-dranomasina ihany koa no tena anisan'ny mahatsara endrika ny helo-dranon'i Manila:

…mihoatra ireo tazana mahafinaritra sy ny fijerena ireo voronany fahatsaran'ny harena an-dranomasina: nanazava maharitra ny andraikitra lehibe sahanin'ny tontolo iainana ao amin'ny helo-dranon'i Manila ireo mpiaro ny toerana raha hivelona ao amin'ny faritra ahitana sary marobe .

Na dia ratsy laza amin'ireo fako marobe mitsikafona sy ny hamenan'ny ranomasina mena ary ny fahafatesan'ireo trondro marobe aza i Manila, mbola anjakan'ny fiainana an-dranomasina ny faritra maro ao amin'ny helo-dranon'i Manila. Toeran'ireo karazana tontolo iainana an-dranomasina sy harambaton'akorandriaka ary ny bozaka an-dranomasina, anisan'ireo mpamatsy lehibe indrindra amin'ny resaka jono ao amin'ny firenena i Manila.

Any amin'ny tsy taza-maso no tena misy fahatsaran'ny helo-dranon'i Manila: na dia eo aza ny fahalotoana sy ny fanararaotana ny fandrosoana mahery vaika, mbola loharanom-piainana lehibe iray miara-miaina amin'ireo tontoloiainana isan-karazany manerana ny firenena izy.

Nilaza ny Manila Gold Coast Development Corporation, fa tsy hanakona ny fitazanana ny masoandro mody ao amin'ny helo-dranon'i Manila ny tetikasa. Nanamafy ihany koa izy fa tsy misy mampidi-doza ho an'ny firaisan-tontolo iainana an-dranomasina ny tetikasa:

…Tsy hisy fanakanana ny mponina ao Manila, torak'izany koa i Filipina, ny toerana malaza ijerena masoandro mody ao amin'ny helo-dranon'i Manila.

Mikendry hanaraka ny fanao sy ny fenitra iraisam-pirenena ny tetikasam-pandrosoana, ary amin'ny fampiasana ny teknolojia maitso, tsy hisy ny fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainana. Tsy hiteraka fikorontanana eo amin'ny firaisan-tontolo-ianana an-dranomasina ihany koa ny tetikasa, raha tsy hoe mampiseho ny tsy fisian'ny fiainana an-dranomasina ny fikarohana.

Tsy hiteraka tondra-drano ny tetikasa fa hampihena ny mety ho fisian'ny tondra-drano tahaka ireo modelim-panongotana misy manerana izao tontolo izao.

Nampiasaina tamin'ny fanentanana ny tenifahatra #savemanilabay.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.