Miaro Ny Hanivanana Ny Sary Manohintohina Ny Filohan'i Madrid

[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny sary ankoatra izay marihana manokana.]

Nanambara ny fanohanany hametrahana “fetra sasantsasany” amin'ny famoahana sary manohintohina amin'ny fampitam-baovao, nandritra ny tafatafa tao amin'ny radio, ny filoham-Paritr'i Madrid Atoa Ignacio González, tamin'ny filazany fa “aoka hitandrina tsy hanimba ny olona sy ny andrim-panjakana”.

González, izay nitafatafa tao amin'ny Radio de Libertad Digital (Radio Fahafahana Nomerika) tamin'ny 4 Avrily 2013, no nanao ny fanambarana isian'ny sivana andro vitsivitsy monja taorian'ny namoahan'ny gazety espaniola El País andian-tsary efa 20 taona lasa izay nahitana ny filoham-Paritr'i Galicia, Alberto Núñez Feijóo, miaraka maka sary tamin'ny lehiben'ny mpivarotra rongony malaza efa any amponja amin'izao fotoana izao antsoina hoe Marcial Dorado.

Na i González na i Feijóo dia samy avy ao amin'ny antoko mpandala ny nentin-drazana Antokom-Bahoaka (PP).

Toy izao ny fanambaran'i Feijóo's tamin'ny gazety espaniola El Confidencial tamin'ny fanafintohinana:

Dije siempre que detrás de esas fotos no había nada, y que esas fotos eran eso, unas fotos, y dije también que estaba dispuesto a seguir explicando y explicar todo lo que se me plantease. De hecho, el próximo miércoles voy a comparecer en el Parlamento.

Tsy nitsahatra ny niteny mandrakariva aho fa tsy misy dikany ireny sary ireny, ary ireny sary ireny dia sary fotsiny ihany, ary efa niteny ihany koa aho fa mbola vonona ny hanohy hanazava sy hilaza izany nitranga. Hiseho eo anatrehan'ny Parlemanta aho amin'ny Alarobia ho avy izao.

Io “karazana sary manohintohina” io no tian'ny filoham-paritr'i Madrid rehefa nanolo-kevitra ny hanao sivana ny media izy ho fiarovana ny voninahitry ny andrim-panjakana isan-karazany. Io indray no fanafihana farany mamely ny fahalalahan-gazety ao Espaina, izay hita fa mihalasibatry ny politisiana espaniola hatrany.

Saiky teo noho eo ny setriny avy amin'ny media sosialy, lasa lohahevitra ironana ao amin'ny Twitter tao anatin'ny minitra vitsivitsy monja:

@ROMARIOIDEGA Ignacio González se le olvida algo llamado: Democracia. Que implica libertad de prensa.
@ROMARIOIDEG: Adinon'i Ignacio González ilay zavatra antsoina hoe: Demakrasia. Izay mahatafiditra ny antsoina hoe fahalalahan-gazety.
@tOnnijimenez¿Ignacio González donde quedará la libertad de expresión?
@tOnnijimenezIgnacio González aiza no mijoro ny fahalalaham-pitenenana?
@LaMariMalaDice Ignacio González que lo de la libertad de expresión no le mola nada. El llama “límites” a lo q los demás llamamos CENSURA #marcaespaña
@LaMariMala: Miteny i Ignacio González fa tsy mety aminy mihitsy ity fandraharahana manontolo momba ny fahalalahana miteny ity. Antsoiny hoe “fetra” izay antsoin'ny hafa rehetra hoe SIVANA #Marikaespaina
@CristianMas86Ignacio González es más de poner límites a la prensa que destapa la corrupción que a los propios corruptos. Muy #MarcaEspaña todo.
@CristianMas86: Mihazakazaka kokoa amin'ny fametrahana fetra izay mampiseho ny kolikoly i Ignacio González fa tsy amin'ny tena mpanao kolikoly. Tena #SMarikaespaina.

*Hajian-tsary nahazoana alalana avy amin'ny PP Madrid ary novokarina indray rehefa nandalo ambanin'ny licence CC BY-3.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.